- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taiwan: Topimaso amin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2020 amin'ny alalan'ny lalao famoronana petadrindrina ao amin'ny aterineto

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Taiwan (ROC), Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Fidio ny demaokrasia, nataon'i Fan Gang-Hsin

Hotaterahina ny 11 Janoary 2020 ny fifidianana filoham-pirenena ao Taiwan, ary, mba hampirisihana ny fandraisana anjara, nanomboka lalao famoronana petadrindirna [2] ireo Taiwaney mpampiasa aterineto amin'ny alalan'ny fampiasàna ny tenifototra #GraphicDesignForDemocracy.

Amin'ny alalan'ireo petadrindirna ireo, azon'ny olona atao ny mijery akaiky ny tantara ara-pôlitikan'ny firenena sy ny lanjan'ny demaokrasia ho an'ny vahoaka Taiwaney izay niaina teo ambanin'ny lalàna miaramila (1949-1987) sy ny tahotra fotsy (1947-1990) nandritra ny 40 taona mahery teo ambanin'ny governemantan'ny Repoblikan'i Sina (ROC) notarihin'i Kuomingtang, izay nitsoaka tao Taiwan rehefa resin'ny Antoko Kaomonisita Sinoa (CCP) izy tamin'ny 1949 nandritra ny Ady an-trano Sinoa [3].

Tamin'ny 1992 vao nahazo zo hifidy ireo Taiwaney nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tao Yuan sy ny filoham-pirenena tamin'ny 1996 taorian'ny ady am-polo taonany teo ambanin'ny fitondrana jadon'ny miaramila.

Ny filoha am-perinasa Tsai Ing-wen avy ao amin'ny Antokom-pandrosoana Demaokratika (DPP), izay mikatsaka haka fepotoamèpiasàna faharoa, sy i Han Kuo-yu avy ao amin'ny Kuomingtang (KMT)  The 2020 presidential seat will be contested by incumbent president Tsai Ing-wen, of the Democratic Progressive Party (DPP), who is running for a second term, and Han Kuo-yu of the Kuomingtang (KMT), izay mankasitraka ilay Marimaritra iraisana hampiraisana an'i Sina [4] no hifaninana anatin'ny fifidianana filoham-pirenena 2020.

Nanomboka namoaka ireo petadrindrina nalefa ireo mpikarakara tamin'ny 22 Desambra 2019. Ireto ambany ireto ireo petadrindrina dimy mitaratra ny fanirian'ireo Taiwaney hiaina demaokrasia.

Fidio ny demaokrasia, nataon'i Fan Gang-Hsin (范綱燊)

Sary natambatambatra avy amin'ny taona 1989 ny petadrindrin'i Fan [5], taona iray voamarik'ireo hetsipanoherana faobe ho an'ny demaokrasia. Teraka ny taona 1989 ilay mpamorona.

[6]

Petadrindrina nataon'i Fan Gang-Hsin. Nampiasaina teo ambany fahazoandàlana.

Narahin'i Fan fanazavàna ny petadrindriny:

1989年出生的你我,今年30歲。
那年,世界的民主自由浪潮開啟了新的一頁。
1989.04.07
我們的鄭南榕前輩,為了爭取百分之百的言論自由,遭到國民黨侯友宜警官圍困在雜誌社內,最後拒捕自焚明志。同年,義士詹益樺用同樣的方式,追隨了南榕前輩的身影。
1989.06.04
在中國,數以萬計的人民於天安門廣場和平集會,爭取與政府對話,期望能有更開放自由的社會。卻被步槍子彈坦克刺刀無情輾碎。
1989.11.09
阻擋人民投奔自由的柏林圍牆倒塌,東歐民主化浪潮席捲而來。冷戰結束,蘇聯解體。世界開始迎來新的一波民主改革。
時至今日,
我們的民主還不成熟,還很脆弱。
敵人不再是槍砲坦克,變成了謊言、欺騙、操弄分化一再傷害我們得來不易的今天。而我們手中的每一張選票,都是我們對抗反民主自由者最大的武器。
2020.01.11 — Go VOTE

Terraka ny taona 1989 izaho sy ianao. Ary feno 30 taona tamin'ity taona ity isika.
Manamarika pejy vaovao ho an'ny adin'izao tontolo izao ho an'ny fahafahana sy ny demaokrasia ity taona ity.
7 Aprily 1989
Nandoro tena i Cheng Nan-jung [7] mpialoha lalana antsika raha niezaka niditra an-katerena tao amin'ny biraony ny mpitandro filaminana mba hisambotra azy. Nanolotra ny ainy ho an'ny fahalalahana miteny izy. Tamin'io taona io ihany, nanaraka ny diany i Chan I-hua [8].
4 Jona 1989 [9]
Tao Sina, olona an'arivony ny nifampitaona tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen Square nangataka fiarahamonina mivelatra sy malalaka kokoa. Saingy noterena tamin'ny fiara mifono vy sy basy ry zareo.
9 Novambra 1989
Nirodana ny Rindrin'i Berlin, izay nisakana ny vahoaka tsy hikaroka fahafahana. Nisy onjanà fihetsiketsehana demaokratika vaovao niforona tao Eoropa Atsinanana. Nifarana ny Ady Mangatsiaka ary rava ny Firaisambe Sovietika. Nanokatra pejy vaovao ho an'ny fanovàna demaokratika maneran-tany izany.
Ankehitriny, mbola tsy matotra ny demaokrasiantsika, mbola tena marefo izy io.
Tsy mampiasa fiara mifono vy sy basy ny fahavalo, fa lainga sy ffanodikodinana saina mba hampisaraka antsika, mba handratrana izay niadivantsika. Ny vato alatsatsika no fitaovana mahery vaika indrindra hanoherana ny fahavalon'ny fahafahana sy ny demaokrasia.
2020.01.11- mandehana mifidy.

2. Fidio ny Fanantenana, nataon'i Lin Pin-Hsien

Ho an'i Lin, ny birao fifidianana dia toy ilay kintan'ny tendron-tany izay mitondra fanantenana:

[10]

Petadrindrina nataon'i Lin Pin-Hsien. Nampiasaina teo ambany fahazoandàlana.

Inty ny hafatr'ilay mpamorona:

希望,從來不應該是以歧視謾罵,低俗的話語為出發點,也不該被亂用淪為信口開河,滿口胡言的代名詞。希望是不論在怎樣艱難與不安的情況下,永遠指引我們方向的北極星。希望是儘管面臨強大的挑戰與壓力之下,確保我們依然能以良知來行動的指標。真正的希望,從來就不能輕易得到,但現在,我們能用一種簡單的方式去爭取。

Tsy misy idirany amin'ny fanaratsiana ny fanantenanan ary tsy tokony hampiasaina ho toy ny lahateny pôlitika poakaty. Ny fanantenana dia ilay kintan'ny tendron-tany mitsilo ny diantsika mamakivaky ireo toejava-tsarotra sy fahoriana. Ny feon'ny fieritreretana no manampy antsika hanao safidy sarotra. Sarobidy ny fanantenana, fa mora ny zavatra tsy maintsy ataontsika izao.

Fidio i Taiwan, nataon'i Shi Su (石蘇)

Hita anatin'ny petadrindrina nataon'i Shi Su ny teny an'arivony nangonina avy amin'ireo tati-baovao mikasika ireo tranga pôlitika manan-danja niseho tanatin'ny ezak'i Taiwan ho an'ny demaokrasia hatramin'ny taona 1947.

[11]

Petadrindrina nataon'i Shi Su.

Anivon'ireo tati-baovao noraisin'i Shi Su:

ny “raharaha 228 [12]” izay niseho ny 28 Febroary 1947. Naka an-terisetra sigara nampidirina an-tsokosoko avy aminà vehivavy mpitondratena 40 taona ny ekipa iray mpiandraikitra ny Tobim-bolan'ny Sigara ao Taipei. Niteraka hetsipanoherana sy famoretana mahery setra io raharaha io ary nitarika ny fahafatesan'olontsotra an'arivony sy ny fiantombohan'ny vanimpotoana “horohoro fotsy [13]“.

ny “raharaha Zhongli [14]” izay niseho ny 26 Novambra 1977. Olona folo arivo no nanohitra ny fanaovana hosoka ny fifidianana tao an-toerana izay nitarika ny famoretan'ny mpitandro filaminana.

ny famoretana ny Gazetiboky Formosa na ny raharaha Kaohsiung [15]tamin'ny 10 Desambra 1979, rehefa nampangain'ny tafiky ny KMT ireo mpanao fihetsiketsehana nidina an-dalambe hankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'Olombelona.

ny “HEtsika Maitso tamin'ny 19 Mey [16]” 1986, izay fiantombohanà hetsika miantso ny fanajanonana ny lalàna miaramila ao Taiwan.

ny “raharahan'ny seranampiaramanidin'i Taoyuan [17]“, rehefa nivondrona tao amin'ny seranana ireo olona an'arivony mpanohana ny DDP hitsena ny mpitarika pôlitikan'ny mpanohitra, Hsu Hsin-liang tao Taiwan taorian'ny enin-taona nanaovana sesintany ny tenany.

ny “hetsiky ny mpianatra Wild Lily [18]” tamin'ny 16-22 Martsa 1990, rehefa nivondrona tao amin'ny Kianjan'ny Fahafahana tao Taipei ny mpianatra am-polon'arivony nangataka fifidianana andraisan'ny rehetra anjara tamin'ny fifidianana filoham-pirenena sy lefitry ny filoha.

ny fifidianana filoham-pirenena voalohany indrindra tamin'ny 23 Martsa 1996.

Fiarandalamby miverina mody sa mankany amin'ny toby fitanana? Nataon'i Anmy Shine

Koa satria maro amin'ireo mpifidy no tsy maintsy miverina any amin'ny tanàna niaviany mba hifidy, nampiasa ny fiarandalamby haingam-pandeha i Anmy Shine ho sary mandravaka ny petadrindriny.

[19]

Petadrindrina nataon'i Anmy Shine.

Nanipy hevitra ilay mpamorona avy eo fa safidy eo amin'ny fiarovana ny tanindrazany sy ny fanekena ny drafitra tsy refesi-mandidin'i Sina:

乘上回家投票的車
或送往集中營的列車

Fiarandalamby ho anao hiverenana any an-trano hifidy
Sa fiarandalamby hitondra anao any amin'ny toby fitanana

Nanao sonia ny Marimaritra iraisana Hampiraisana an'i Sina [4] niaraka tamin'i Sina ny KMT tamin'ny 1992 ary notsindrian'ny [20] Filoha Sinoa Xi Jinping ombieniombieny fa hampiharina amin'i Taiwan ny drafitra arahin'i Hong Kong, izay ahitàna Rafitra Roa anaty Firenena Iray.

Tsy afaka mihinana ny fahafahana ianao, nataon'i Yun Zon Zen

[21]

Petadrindrina nataon'i Yun Zon Zen.

“Inona no ilàna ny fahafahana? Tsy vary io ary tsy azo hanina!” Fomba fiteny mahazatra fahita anivon'ireo zokiolona ao anatin'ny fiarahamonina Sinoa io, satria raha ny fijeriny dia ny filaminana sy ny fiandrianana no zava-dehibe kokoa nóho ny fahafahana sy ny demaokrasia. Milaza i Yun Zon Zen fa tsy azo hanina miarka amin'ny vary anaty baolina ny fahafahana ary afaka miaro ny vahoaka amin'ny gripan-kisoa, halatra taova [22], fanabeazana hitia tanindrazana, sy ireo toby fanarenana ny baolina.