- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hitera-doza ny fanapatapahana lavareny ny Aterineto ao amin'ny fanjakana Rakhine any Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava
[1]

Fihetsiketsehana tao Yangon mitaky ny famerenana indray ny fidirana amin'ny aterineto ao amin'ny Fanjakana Rakhine tamin'ny 24 Desambra 2019. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny sampan-draharaha Birmana Radio Free Asia, nahazoana alalana.

Tamin'ny 21 Jona 2019, nanome baiko [2] ny fanakanana ny aterineto amin'ireo kaominina miisa sivy any amin'ny Fanjakana Rakhine sy Chin any avaratr'i Myanmar ny manampahefana ao an-toerana. Enim-bolana taty aoriana, mbola nijanona ho tapaka ny aterineto tany amin'ireo kaominina miisa efatra any Rakhine : Mrauk U, Kyauktaw, Minbya ary Ponnagyun izay niteraka ohatra ratsy sy mahatonga fihetsiketsehana.

Navoaka ity baiko fanakanana ny aterineto ity tamin'ny volana Jona taorian'ny fifandonana teo amin'ny miaramila sy ny Tafika Arakan, vondrona mpikomy avy amin'ny foko Rakhine. Ahitana foko miisa zato mahery ao Myanmar [3] ka mitolona mitam-piadiana ny sasany amin'izy ireo mba hanamafisan'izy ireo ny zony hizaka-tena.

Nilaza ny manampahefana fa ilaina ny miaro ny filaminam-pirenena amin'ny alàlan'ny famerana ny Aterineto. Na dia ny fidiran'ny mpanao gazety ao Rakhine [4] , izay ahitana mponina telo tapitrisa mahery aza dia tena henjana ny fanaraha-mason'ny governemanta .

Tamin'ny 1 Septambra, nesorin'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Serasera ny fandraràna ny Aterineto tany amin'ny kaominina sasany. Na izany aza, mponina miisa 600 000 ao amin'ny kaominin'i Rakhine miisa efatra no mbola voakasiky ny fameperana aterineto.

Nilaza ny tatitra fa nanakorontana [5] ny asa aman-draharaha, ny fanatontosana ny asam-panjakana ampiasana aterineto na servisy e-governemanta ary ny fizahantany ny fanakatonana ny aterineto tao Rakhine. Nilaza ny mponina fa niatrika olana izy ireo tamin'ny tolotra fandefasana sy fandraisana vola amin'ny finday sy tamin'ny fifandraisana tamin'ireo havany izay miasa any amin'ny faritany sy firenena hafa.

Ny 21 Desambra, namoaka [6] fanambarana iraisana ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena manameloka ny fampiatoana ny aternineto tao Rakhine. Namaritra izany ho iray amin'ny fanakatonana aterineto lava indrindra [7] eto ambonin'ny tany izy ireo. Nolavin'izy ireo ny filazan'ny governemanta fa mila ferana ny aterineto ahafahana mamerina ny lalàna sy ny filaminana.

There has been no evidence that the disproportionate decision has had any positive effect on reducing the conflict, which remains pervasive.

Tsy misy porofo milaza fa misy fiantraikany miabo eo amin'ny fampihenana ny fifandirana izay mbola mitohy ny fanapahan-kevitra tsy mifandanja.

Mitaky ny fanalana ny famerana, ny hamerenana ny fandinihana ny Lalàna mifehy ny Fifandraisandavitra tamin'ny 2013 izay mamela ny fanjakana hanakana ny aterineto tsy ara-drariny ary ny fampitsaharana ny fanapahana ny fidirana amin'ny aterineto amin'ny hoavy izy ireo.

Tamin'ny 24 Desambra, manodidina ny 50 ireo mpikatroka no nanao [8] fihetsiketsehana tao Yangon, afovoan-tanàndehiben'i Myanmar voalohany ary nitaky ny hamerenana ny fidirana amin'ny aterineto any amin'ny faritra rehetra ao Rakhine. Iray tamin'ireo nandray fitenenana tamin'ilay hetsi-panoherana i U Oo Hla Saw, mpikambana ao amin'ny Antenimiera ao Mrauk-U. Nizara tamin'ny Myanmar Times ny fomba fijeriny [9] momba ny famerana ny aterineto izy:

Everybody knows that Burma [Myanmar] is in a democratic transition. But we [still] cannot fully enjoy democratic rights, especially for the Rakhine people. In Rakhine, there is communal violence, military conflict and – after that – now we have no internet access. Internet access is a universal right. But now we cannot enjoy that. This is unjust.

Fantatry ny rehetra fa ao anatin'ny tetezamita demaokratika i Burma [Myanmar]. Saingy tsy mbola afaka misitraka ny zo ara-demaokratika feno isika, indrindra ho an'ny vahoakan'i Rakhine. Ao Rakhine, misy ny herisetram-piarahamonina, fifandonan'ny miaramila ary – aorian'izany – tsy afaka miditra amin'ny aterineto isika ankehitriny. Zo manerantany ny fidirana amin'ny aterineto. Saingy tsy afaka misitraka izany isika ankehitriny. Tsy rariny izany.

Nampitandrina [10] i Ma Yin Yadanar Thein, talen'ny FTMF Fahalalahana Miteny ao Myanmar [11] fa azo ampiasaina ho maodely handrarana ny fidirana amin'ny aterineto any amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena ny fanakatonana aterineto ao Rakhine :

If the government can shut down the internet without public outcry, they will be more likely to do it again. Today it is Rakhine but tomorrow it could be Shan, Kachin, or even when there are protests in Yangon.

Raha azon'ny governemanta atao ny manakatona ny aterineto tsy misy fitarainan'ny vahoaka dia inoana marimarina fa hanao izany indray izy ireo. Rakhine anio fa mety ho Shan, Kachin rahampitso na dia misy aza ny fihetsiketsehana ao Yangon.

Ireto ambany ireto ny sary sasany tamin'ny fihetsiketsehana tao Yangon:

Nanamarika ny faha-enimbolany ny fanakatonana ny aterineto lava indrindra manerantany tany Myanmar tamin'ny faha-21-n'ny volana Desambra ka ny kaominina miisa 4 tao amin'ny Fanjakana Rakhine no voarara tamin'ny fidirana tamin'ny aterineto izay zo fototra amin'ny taonjato faha-21 sady zo hahazo vaovao. Atsaharo ny fanapahana ny aterineto eto Myanmar.

Mpanao lalàna Arakan sy ny vahoaka ao Myanmar nanao fihetsiketsehana tao afovoan-tanànan'i Yangon mba hosokafana amin'izay ny aterineto nikatona nandritra ny volana maro tao amin'ny Fanjakana Rakhine izay ahitana ny adin'ny tafika Arakan sy ny tafika ao Myanmar tsindraindray. Olona sivily an-jatony no maty sy naratra tamin'ny ady.