- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasim-baovao RV: tati-baovao manadihady ny fiantraikan'ny halalintsaina voatrolombelona amin'ny zon'olombelona aty atsimo ankapobeny

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Sary avy amin'ny fonon'ny tatitra GISWatch 2019 izay navoaka indray araka ny lisansa CC BY 4.0

Naotin'ny Rising Voices: Manolotra ny fehin'ny lahatsoratray am-bilaogy miresaka ny endrika rehetra amin'ny fampiatiana nomerika sy ny fandraisana fitaovana nomerika ary ireo fomba sy hirika ho an'ny vondrom-piarahamonina handray anjara feno an-tserasera ny taratasim-baovaonay mivoaka indroa isa-kerinandro. Vakio ato [1] raha hijery ireo edisiona teo aloha amin'ity taratasim-baovao ity.

Eto amin'ny kihon'ny taona izao, efa nitondra ho antsika sahady ny edisiona hafa amin'ny tatitra fanaony isa-taona ny Global Information Society Watch (GISWatch). Ity edisiona taona 2019 ity no mizara amintsika ireo zava-niainana ara-paritra avy any atsimo ankapobeny sy ny fomba ampiharana ny halalintsaina voatrolombelona [artificial intelligence (AI)] amin'ny fiainantsika andavanandro sy izay mety ho fiantraikany eo amin'ny zon'olombelona, rariny ara-tsosialy ary ny fampandrosoana.

Ao anatin'ny volana vitsivitsy ho avy, ho avoakan'ny Rising Voices indray ny sasantsasany amin'ireo tantara avy amin'ny tatitry ny GISWatch taona 2019, miorina amin'ny fiarahanay miombona antoka amin'ny Association for Progressive Communications (APC) [2]. Koa aza miala. Mazava loatra fa azonao atao koa ny mikomandy ny kopia vita printy ato [3] na mitroka ny ebook avy amin'ny tranonkalan-dry zareo [4] amin'ny tatitra iray manontolo tsy an-kiandry.

Mirary taombaovao sambatra ho anareo sahady izahay sy aterineto misokatra kokoa sy mampiaty ny rehetra.

BEBE KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES

Koa satria tonga any amin'ny fikatonany ny taona iraisampirenena ho an'ny fiteny indizeny 2019 (#IYIL19 [5]) dia tahaka izay ihany koa ilay fanentanana ifandimbiasana nandeha tao amin'ny Twitter ka niezahan'ny Rising Voices niaraka tamin'ny mpiara-miombona antoka hafa narindra. Nanampy tamin'ny fanasongadinana ny asan'ireo mpikatroky ny fiteny indizeny manerana ny tany ireo fanentanana Twitter miisa efatra ireo. Miaraka amin'ireo nampiatrano tamin'ny herintaona, hanao fanombanana amin'ny fanentanana izahay hamaritana izay azonay tohizana amin'ny taona vaovao. Koa aza miala azafady.

Mandritra izany fotoana izany, miangavy vakio eto raha hianatra bebe kokoa momba ireo mpampiatrano tamin'ny volana farany tamin'ny taona:

@ActLenguas [6] (Amerika Latina)

@AsiaLangsOnline [10] (Azia)

LOKA

Ny loka Abie 2020, karakarain'ny AnitaB.org ho fankalazana ireo vehivavy miavaka amin'ny teknolojia no antsoina hotendrena (nominations). Miangavy jereo ato [14] raha hijery ireo karazana loka dimy misokatra ho amin'izany fanendrena izany sy ny fomba ahafahanao mampiditra ny fanendrena anao.  fampidirana anarana hatramin'ny 8 janoary 2020

LANONANA SY KAOFERANSA HO AVY

Ho avy tsy ho ela ny Andron'ny Azon'ny rehetra ampiasaina (Public Domain Day) 2020!  Amin'ity indray mitoraka ity dia hotontosaina ao Washington, D.C. ny lanonana ary ny Creative Commons no manasa anao hanatevin-daharana azy ireo ho amin'izany fankalazana izany. Azonao atao ny manao fisoratana anarana maimaimpiana ato [15] ary mijery ato [16] raha te-hamantatra ny andinindininy amin'ny lanonana.  Daty: 30 Janoary 2020

VAKINTENY, FIHAINOANA ary FIJERENA FANAMPINY

 

Misorata anarana andefasana taratasim-baovao Rising Voices [22]

 

 

Ankasitrahana i Eddie Avila amin'ny fandraisana anjara amin'ity taratasim-baovao ity.