- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hatramin'ny niarovany ny fahalalahana maneho hevitra, nodian'ny mpilaza vaovao tao Makedonia fanina ilay mpihira hip-hop malaza

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Fahalalahàna miteny, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktôbra 2014)

A still from Toni Zen's video clip "Under Control."

Pikantsary avy amin'ilay lahatsarin-kiran'i Toni Zen “Under Control.”

Tsy ela akory izay, Toni Zen no olomalazan'ny hip-hop tao Makedonia, olona tian'ireo filazambaovao izay nitsirika  mandrakariva ny fihetsiny, hatramin'ny kely indrindra. Saingy hatramin'ny nivoahan'ilay hirany momba ny fahalalahana maneho hevitra, toa nihatahan'ireo mpilaza vaovao izy.

Matetika nodokadokafan'ireo fampahalalambaovao any aminy [1] noho ny famindrany, mahaliana mandrakariva amin'ny maha-naman'ny mpanao “bodybuilding” iray ao amin'ny fiandraiketana ny fiarovana manokana ny praiminisitra azy [2] [tamin'izany fotoana izany] – izay niseho ihany koa tany anatin'ny iray tamin'ireo lahatsarin-kiran'i Toni [3] – sady lasibatr'ireo fampahalalambaovao ao an-toerana any amin'ireo firenena izay [4] nandraisany anjara tamin'ny fanatontosana ilay dika ao amin'ny faritra ho an'ny Survivor [5], natetika hita teny anaty lohateny lehiben'ny gazety i Toni Zen, sy teny anaty fahitalavitra. Efa tafapetraka ho filamatra iray ho an'ny ankizy teny anaty kahie [6] mihitsy aza izy, niaraka tamn'ireo fampisehoany nampitolagaga tao amin'ilay toerampilalaovana lehibe indrindra ao Skopje [7].

Zen no olona malaza tian'ny vondrom-piarahamonin'ireo filazambaovao makedoniàna indrindra ny niresaka azy, mandrapahatongan'ilay andro iray tamin'ny Martsa 2013 namoahan'ilay artista hip-hop ny lahatsarin'ilay hirany vaovao [8], nomeny lohateny hoe “Sous Contrôle” (Под контрола), izay vakiantsika etsy ambany ny tonony. Nanomboka teo ilay mpiangaly mozika dia zara raha hita teny anaty fampahalalambaovao tao Makedonia sy ireo firenena manodidina azy, na dia nahita fahombiazana be tokoa teny anivon'ireo mpankafy azy aza ilay hirany.

…Медиумски притисок
со бомбардирање реклами
вака се прави
„Не размислувајте сами!“

Слободата на говорот
затворена во шахта
во канализација
фрлена целата правда

Нè скараа нè степаа
од коренот нè сменија
фаќаат сеири
додека дигаат империја…

…Знам дека не е вака
како што ни зборат
ние не сме вакви
не држат под контрола

Се знае дека
сè е под контрола…

…Tsindry ataon'ny media
famokisana dokambarotra
izany izao no fomba ahatongavana
amin'ny “Aza mampiasa saina ianareo!”

Ny fahalalahana miteny
nahiboka anaty lavadrano
raha mandritra izany ny fitsarana
mandalo eo amin'ny lakandrano

Nataon'izy ireo izay hampizara sy hifamaliantsika,
hatrany amin'ny faka isika no novain-dry zareo
ary ifaliany ny fahoriantsika
mandritra izany, ajoron-dry zareo ny fanjakany

…Fantatro fa
tsy araka izay ambaran-dry zareo ny zavatra rehetra
tsy isika
fa ry zareo no mifehy antsika

Fantatra izany
Ambany fifehezana daholo ny rehetra….

Ny fanakendàna ny fahalalahana maneho hevitra sy ireo tsy fitoviana sôsialy misy ao Makedonia no avy hatrany dia anaovan'ilay hiran'i Zena sy ilay lahatsariny sahisahy resaka tsy loabody, arahany fanondroana sary sy feo amin'ireo asan'ilay Amerikàna mpanao hatsikana George Carlin [9] sy ilay Britanika mpanoratra George Orwell [10]. Nahazo fihobiana avy amin'ny mpitsikera ilay lahatsary, ary voafidin'ireo mpitsara ny Zlatna Buba Mara, ilay hetsika isantaona malaza,  ho ny lahatsary tsara indrindra ho an'ny taona 2013 [11]. Saingy vitsy ny olona afaka nahita azy, satria saiky tsy hita mihitsy any anatin'ireo media mahazatra ao Makedonia ilay izy. Mihitsoka aloha izao ny seho an-tsehatr'ilay artista ary zara raha miseho amin'ireo fampisehoana natao ho an'ny daholobe izy.

[Fanamarihan'ny mpandika : Ny lahatsoratra niaingàna, navoaka ihany koa ao amin'ny GV amin'ny fiteny makedoniàna [12], no nanampy tamin'ny fiverenan'ny fifantohan'ny media hijery an'i Toni Zen, fa tamin'ny resaka fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny fireneny kosa tamin'ity indray mitoraka ity.]