- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpandraharaha ao Hong Kong manome vahana ny fotokevitra pro-demaokrasia

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Fanoherana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna
[1]

Peta-taratasy taridia kisoa vary tao amin'ny Twitter.

Misy taridia iray vaovao amin'ireo restaurant sy fiantsenana ao Hong Kong manampy ny olom-pirenena hamantatra ireo fivarotana manohana ny hetsika anti-governemanta.

Ny torolalana dia antsoina hoe “Taridia Kisoam-bary Hong Kong” (米豬蓮). Manazava ny mombamomba izany ny mpisera Twitter @Dystopia992:

#米豬連 [2] (ilay ? mahafatifaty) tononina hoe “MiChuLin” izay toa mitovitovy feo amin'ny #Michelin [3], dia torolalan'ny SAKAFO TSARA ho an'ny ??er hanondroana Fivarotana mavo (mpanohana ny hetsi-panoherana) & sy idifiana ireo tranombarotra manga (pro-#China [5])!
Jereo anie ny FAHATSARAN'NY ? faribolan-toekarena mavo

Nipongatra avy amin'ny mololon'ny hetsika anti-governemanta ao Hong Kong, izay inoan'ny maro fa tsy ho naharitra raha tsy nisy ny fanohanan'ny saranga antonony sy ny mpandraharaha, ny fisantarana andraikitra tahaka izany.

Tamin'ny 12 jona, raha nikasa handany na hitsipaka ilay volavolandalàna fampodiana-fandroahana olona efa nesorina amin'izao fotoana ny Vaomieram-Panaovandalànan'i Hong Kong, mihoatra ny zato ny orinasa madinika sy salasalany nanakatona ny fihariany [11] mba ahafahan'ny mpiasa ao aminy manatrika ny fihetsiketseham-panoherana. Notohanan'ny tompom-pihariana madinika anjatony maro [12] ihany koa ny fitokonana faobe voalohany tamin'ny 5 aogositra, niaraka tamin'ireo sendika maro, ka tafiditra amin'izany ny sendikàn'ny mpikarakara sidina amin'ny zotram-piaramanidina [13] [mg]. Ary matetika ny tompon'ny fiara azy manokana no manampy ny mpanao fihetsiketsehana hiala amin'ny toerana fanaovana fihetsiketsehana.

Nanampy ny mpanao fihetsiketsehana ara-bola ihany koa ny sarangan'olona antonony sy ny sehatry ny fihariana. Mano no nanome an'i 612 Fund [14] sy ny Spark Alliance [15] ohatra, mba hanolorana fanampiana ara-pitsarana, ara-panafody na hafa ho an'ireo naratra na nosamborina. Samy nahazo mihoatra ny 10 tapitrisa dolara amerikana ireo fikambanana roa ireo tao anatin'ny volana vitsivitsy tamin'ny alalan'ny fitia tsy mba hetra sy fanomezana an-dalambe.

Nanambatra ny heriny ihany koa ireo fivarotana sy tompon'ny restaurant, ary ireo mpividy ambongadiny hanome tapakilan-tsakafo sy fitaovam-piarovana  ho an'ireo izay tsy mahazaka mividy izany.

Hatramin'ny volana aogositra, maro ireo restaurants nanohana ankarihary ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny fanomezana sakafo maimaimpoana ho an'ny mpianatra, ary natsangana ny fivarotana antserasera HKongs Mall [16] hanolorana asa ho an'ireo nosamborina ka navotsotra tamin'ny alalan'ny fandoavana solontsazy.

Ny faribolan-toekarena mavo

Nanomboka niantso hanohanana ireo fiharian'ny “tranombarotra mavo” ny mpanao fihetsiketsehana ary mandrisika ny olompirenena handany ny volany amin'ireny. Mifandrindra amin'izany dia niantso ny hanaovana ankivy ireo fikambanana pro-Shina ry zareo, toy ny restaurants tazonin'ny vondrona Maxim Caterers.

Efa fantatra hoe “faribolan-toekarena mavo ” ankehitriny ireo angona fivarotana pro-demaokrasia. Manazava ny mpisera Twitter @Dystopia992:

Fivarotana mavo? fivarotana manga?
Eny! Io no fomba iray vaovao ampiasaintsika hijoroana miaraka amin'i Hong Kong! Ny fivarotana mavo no “namantsika manohana ny mpanao fihetsiketsehan'i Hong Kong”! Matetika hita ny rindrina feno singa-taratasy sy zavakantom-panoherana!

Raha 9253 dolara HK [23] eo ho eo isambolana ny fandanian'ny tsirairay amin'ny ankapobeny tamin'ny taona 2018 (izany hoe manodidina ny 1.187 dolara amerikana), maro ny mino fa fitaovam-piadiana matanjaka mety hitondra fanovana ara-politika misy dikany ny hery aratoekarenan'ny tanàna.

Ao amin'ny Radio Free Asia ny mpanao fanadihadiana ara-politika Kay Lam nanazava [24] ny mety ho fiantraikan'ny faribolan-toekarena mavo:

中共早就實行了「紅色經濟圈」,早就強制商家與藝人親中親共,對任何在中國有生意者,都要實行政治審查多年;紅色經濟圈以官方推動,其威力遠比起民間自發的強…反之所謂黃色經濟圈,是靠「反送中」運動令更多香港市民的政治醒覺,反杯葛這些親共的藝人與商家…透過黃色經濟圈反制,最起碼的即時效果,就是令不少原本親共的商家與藝人,都起碼回到「悶聲發大財」,減少或甚至拒絕參加,親政府的政治活動…

Afa nanangana ny “faribolan-toekarena mena” ny Antoko Komonista Shinoa ary nanery ireo mpihary sy artista mpanalavoly haneho ny mahatokateny azy ireo tsirairay avy. Voasivana izay rehetra tsy manitsaka ny tsipika. Nosantarin'ny fahefam-panjakana ny “faribolan-toekarena mena”, sady matanjaka no mahomby kokoa noho ireo fisantarana andraikitra hafa (…). Ilay lazaina ho faribolan-toekarena maro dia vokatry ny fifohazana ara-politikan'ny vahoaka nokitihan'ny hetsi-panoherana fampodiana-fandroahana olona. Amin'izao fotoana mavitrika amin'ny fanaovana ankivy ireo fihariana sy artista pro-Beijing ny olona. Ny fiantraikany eo no eo amin'ny faribolan-toekarena mavo dia ny fahaterahan'ny tsindry ara-politika manohitra iray izay manery ny mpihary harena sy ny artista hanana eritreritra faharoa mialoha ny fisafidianan-dry zareo amin'ny propagandy pro-governemanta (…).

Na izany aza, misalasala ny hafa fa mety hiafara amin'ny fanirerin'ny fihariana mavo ny faribolana mihataka amin'ny toekarenan'ny daholobe. Nanolotra [25] torohevitra vitsivitsy ho an'ny orinasa pro-demaokraty ny mpanao matoandahatsoratra vaovao ara-bola Chow Hin:

黃色經濟圈要形成優勢,就要不排斥藍色的客人,更加要歡迎藍色的錢,愈多愈好。然而,在聘請員工方面,卻是專門請黃色的申請者,在消費方面,則是專門光顧黃店。如此一來,方能造成黃色經濟圈的優勢。

Tsy tokony hanilika ireo mpanjifa manga (mpanohana ny fitondrana) ny faribolan-toekarena mavo, tokony horaisiny tsara ny vola manga, fa araka ny mahabetsaka izany no mahatsara azy. Na izany aza, rehefa hampiditra mpiasa ry zareo dia ireo mavo no safidiana kokoa. Toy izany ihany koa, mividiana avy amin'ny mavo. Izay no lakilen'ny fahombiazan'ny faribolantoekarena mavo.

Manangana fiarahamonina manana tsikalakalam-pieritreretana

Iray amin'ny fivarotana mavo malaza indrindra ao Hong Kong ny Lung Mun Cafe, izay manana sampana dimy manerana ny tanàna. Nanomboka nanampy [26] ny mpanao fihetsiketsehana i Cheung Chun Kit tompony rehefa voasambotra ny zanakavavin'ny iray amin'ny mpiasa ao aminy. Tao anatin'izany fizotra izany izy lasa nifankazatra tamin'ireo tanora maro mpanao fihetsiketsehana. Misy sasantsasany henjana ny fifandraisana tamin'ny ray aman-dreniny ka lasa tsy mahita toerana aleha, ny hafa very asa, ary maro no miavo-tena.

Ho fanampiana azy ireny, nanangana foibem-panampiana izy hanangonana fanomezana toy ny fitafiana sy tapakilan-tsakafo. Nanampy ny mpanao fihetsiketsehana ihany koa izy hamokatra zavatra vita tanana hamidy ao amin'ny cafes. Amin'izao fotoana izao ilay foibe manana mpanao fihetsiketsehana miisa 12 nampiasaina ho mpiasa ora feno. Misy ireo mpiasa vonjimaika ary mahazo karama eo ho eo amin'ny 8 dolara isan'ora eo ho eo. Nofariparitan'i Cheung ny asany ho fisantarana andraikitra hananganana “fiarahamonin'ny tsikalakalam-pieritreretana”:

…有好多『良心老闆』、『良心導師』可以俾機會年輕人,好多『良心髮型屋』、『良心電工』俾黃絲居民光顧,然後佢哋又捐返某個百份比嘅營業額落嚟。如果我哋可以形成一個有足夠財力養活 200 萬人嘅社群,仲有咩走唔過去呢?

Tiako ny hahita mpihary maro na mpanoro lalana manana tsikalakalam-pieritreretana hanoro ireo tanora ireo hanangana toeram-pikolokoloana volo na fivarotana elekithronika izay velomin'ny tsikalakalam-pieritreretana. Avy eo ireo fivarotana ireo afa-manolotra fanomezana ampaham-bola azo ho fanohanana olona iray sy maro hafa. Raha mahefa sy afaka mizaka fiainan'ny mpikambana ao amin'ny fiarahamonina miisa 2 tapitrisa isika, dia afa-mandresy ireo karazam-pahasarotana rehetra.