Arzantina : Tanora mpitolona iray maty nandritra ny fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana

(Lahatsoratra tamin'ny 30 oktobra 2010)

Saripika Béatrice Murch, blmurch, ambany lisansa Creative Commons

Niafara tamin'ny fahafatesana tamin'ny alalan'ny bala an'i Mariano Ferreyra, mpianatra ao amin'ny oniversiten'i Buenos Aires sady mpikambana ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa tamin'ny 20 oktobra 2010 ny fifandonana teo amin'ny mpitolon'ny sendikan'ny Firaisan'ny Lalamby sy ireo mpiasa manohitra ny fandroahana Mpiasa miaraka amin'ny mpitolon'ny antoko ankavanana.  Tamin'ny ora nivoahan'ny lahatsoratra ôrizinaly amin'ny teny espaniola, mbola tsy fantatra izay tompon'andraikitra tamin'izany [Naotin'ny mpanitsy lahatsoratra: olona telo noahiahiana no nosamborina ary nanaovana famotorana ny iray amin'izy ireo]. Haingana dia haingana ny fanomanana andiam-pihetsiketsehana hanamelohana izao famonoana olona izao. Ny goavana indrindra tamin'izany dia nitranga tao amin'ny Plaza de Mayo, toerana mahazatra fanaovana fihetsiketsehana tao Buenos Aires, fa nisy ihany koa ireo famoriana olona tany amin'ireo toerana hafa tao an-drenivohitra.

Naneho setriny ny bilaogera tamin'ny fandrenesana ny fahafatesan'i Mariano Ferreyra izao. Nisy namana akaiky nanombana tao amin'ny Todos Gronchos fa :

Ce sont la corruption, la complicité entre les organismes de contrôle, la police de Buenos Aires ainsi que la police fédérale et les chiens enragés de la gendarmerie kirchnériste, très semblable à celle de De la Rúa, qui ont tué le  jeune Mariano Ferreyra, le fils  de ma collègue de l'établissement d'enseignement technique de Avellaneda. C'est l'absence de l'État qui l'a tué, l'État qui se retire pour que ses amis les syndicalistes s'enrichissent et ne l'importunent pas.

Ny kolikoly, ny tsikombakomba teo amin'ireo sampan'asa fanarahamaso, ny polisin'ny Buenos Aires ary ny polisy federaly sy ireo alika romotry ny zandary kirchnériste, tena misy itovizana amin'ny an-dry De la Rúa, no namono an'i Mariano Ferreyra, zanakalahin'ny mpiara miasa amiko ao amin'ny sekoly fampianarana teknika ao Avellaneda. Ny tsy fisian'ny Fanjakana no namono azy; ny Fanjakana izay misintaka mba hampanankarena ireo namany sendikalista sy mba tsy hanelingelenana azy ireo.

Ao amin'ny Mendieta El Renegáu indray dia ireo “mitady tombony ara-politika” no resahana ho ao ambadiky ny fahafatesan'ilay tanora :

Tous commencent à donner leur opinion si vite. Si vite. J'insiste, ils donnent leur opinion à la télé, à la radio, sur Twitter et semblent contents, tous semblent morbidement contents. Ils me dégoûtent. En particulier ceux qui sont les dirigeants et qui devraient donner l'exemple aux autres.

Samy manomboka maneho ny heviny haingana tokoa ny rehetra. Tena haingana. Hamafisiko, maneho ny heviny amin'ny tele, amin'ny radio, amin'ny Twitter ry zareo ary tahaka ny afa-po, tahaka ny afa-po amin'ny ratsy izany izy rehetra. Maharikoriko ahy ireo. Lazaiko manokana amin'izany ireo mpitarika izay tokony ho ohatra ho an'ny hafa.

Saripika ao amin'ny Flickr an'i archivo redeco, ampiasaina araka ny lisansa Creative Commons

Ao amin'ny El Buen Salvaje voaheloka ny setriny avy amin'ireo mpanohana ny governemanta :

Oui, la réaction de beaucoup de gens sympathisants du kirchnérisme sur Twitter a frôlé le mauvais goût, l'esprit de revanche, les spéculations sur une “vérité occulte” qui se cacherait derrière le meurtre de Mariano m'a surpris et m'a alarmé

Eny, saika ratsy tsiro, nahagaga ahy sy nahamailo ahy ny fisainam-balifaty, fanombatombanana amin'ny “marina miafina” ao ambadiky ny famonoana ho faty an'i Mariano.

Namoaka fanehoan-kevitra mitovitovy amin'izany ny Revolución Tinta Limón. Nisy ihany koa ny fanamariham-pejy amin'ireo fikasana hanodikodin-doha avy amin'ireo fampitam-baovao mpanohana ny governemanta ao amin'ny bilaogy Señales.

Tsy nisy ny farangonteny (hashtag) tao amin'ny Twitter hanangonana ireo hevitra, fa saingy azo natao ny fikarohana tamin'ny alalan'ny voambolana “Mariano Ferreyra“.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.