- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Alzeria : Niondrika teo anatrehan'i Etazonia i Alzeria, niverina ny saina

Sokajy: Amerika Avaratra, Alzeria, Etazonia, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra jona 2010)

Nahatonga saina ny Alzeriana ihany ny fanantenana sy ny fahadisoam-panantenana fa tsy mahavita hahazoana fandresena amin'ny lalao football raha ny fitiavan-tanindrazana irery ihany. Nanjavona tokoa manko ny fanantenan'ny Alzeriana tamin'ny Alarobia nandritra ny lalao nifanandrinana tamin'ny ekipa Amerikana tao Pretoria. Resin'ny ekipa Amerikana tamin'ny isa 1 sy 0 i Alzeria.

Mazava ho azy fa naneho hevitra momba izany faharesena izany ireo bilaogera Alzeriana, Aberrahmane nanoratra hoe [1]:

Durant cette coupe du monde en Afrique du Sud, les Algériens ont concédé deux défaites et un petit match nul en trois rencontres. L’Algérie est la seule équipe qui a réussi l’exploit en n’inscrivant aucun but en cette coupe du monde.

En raison du niveau très faible du football en Algérie, l’entraineur a été contraint de faire appel aux joueurs évoluant à l’étranger. C’est grâce à ces joueurs que l’Algérie a réussi à se qualifier pour la coupe d’Afrique et la coupe du monde mais ne pourrait pas aller plus loin.

Nandritra ity amboara manerantany tao Afrika Atsimo ity, niharan'ny faharesena roa ny Alzeriana ary lalao ady sahala tamin'ny lalao telo. Alzeria no hany ekipa nahavita tsy nahamarika baolina tafiditra tamin'ity amboara manerantany ity.

Noho ny lentam-pahaizana iva dia iva amin'ny baolina kitra ao Alzeria, dia voatery niantso mpilalao any ivelany ny mpanazatra. Noho ireo mpilalao ireo no nahatafiditra an'i Alzeria handray anjara tamin'ny amboara Afrika sy ny amboara manerantany saingy tsy afaka mandeha lavitra.

Tena hentitra, milaza [2] i Le Montagnard fa mivoaka amin'ny amboara Manerantany Afrikanina Atsimo tsy misy voninahitra amin'ny lalao ady sahala sy faharesena roa ny Alzeriana.

Le rendement de l’équipe est médiocre. Seul un nul est réalisé face à la sélection anglaise. Les joueurs comme Ziani, Djebour et autres sortent de la petite porte. Car depuis des mois ils n’ont pas joué avec leurs clubs

Tsy ampy ny zava-bitan'ny ekipa. Ady sahala ihany no vita tamin'ny ekipa Anglisy. Mivoaka anaty fahamenarana ireo mpilalao tahaka an'i Ziani, Djebour. Satria tsy nilalao niaraka tamin'ireo kliobany izy ireo nandritra ny volana maromaro.

Hita ho diso fanantenana, manontany  [3]tena amin'ny fandraisan'ny Alzeriana anjara amin'ny Amboara Manerantany i Djalla Namri.

Alors là la question : Qu'est-ce qu'on est allé faire in South Africa?
La réponse est: el mouhim el moucharaka (l’essentiel c’est la participation) !!!!
Au passage, on signe un tas de contrats publicitaires et on laisse des millions de supporters avec cette lumineuse explication: on n'a pas d'attaque.

Ny fanontaniana ary dia hoe: Inona no natao tany Afrika Atsimo?
Ny valiny dia: el mouhim el moucharaka (ny fandraisana anjara no zava-dehibe) !!!!
Izany eo ihany, manasonia fifanarahana dokambarotra marobe ary mamela ireo mpanohana an-tapitrisany amin'ny fanazavana mamiratra hoe: tsy manana mpanafika izahay.

Na dia nihintsana aza ny ekipa, dia manome voninahitra ilay mpiandry tsatokazo [4]M’bolhi [4]  [4]ny Alzeriana, tahaka izany ity bilaogera Alzeriana , RZ ity:

Le gardien des Verts, M'bolhi a été, sans conteste le meilleur Algérien sur le terrain. Il faut dire qu'il a évité à notre équipe une lourde défaite, grâce à ses interventions décisives et ses arrêts qui ont été salutaires pour l'arrière-garde de l'Algérie frileuse devant les attaques américaines. Bons placements, bonne lecture du jeu, de l'engagement, du sang froid, mais surtout de l'humilité…

Tsy azo lavina fa ilay mpiandry tsatokazon'ny Verts, M'bolhi no Alzeriana mendrika indrindra teny an-kianja. Tsy maintsy lazaina fa nanavotra ny ekipantsika tsy hahazo faharesena mavesatra izy, noho ireo fahaizany miditra an-tsehatra sy ireo fanakanana naha-avotra ny vodilaharan'i Alzeria tsy mahahetsika eo anoloan'ireo mpanafika Amerikana. Tsara toerana, fahaiza-mijery ny lalao, fahavononana, fitoniana, ary indrindra fanetren-tena…

[5]

Alzeria Algérie

Khalid Mimoune miarahaba [6] [en arabe] ilay mpiandry tsatokazo ihany koa :

Je salue le gardien de buts Rais M’bolhi qui m’a étonné par son jeu, sa concentration et sa résistance face aux attaquants lors des deux rencontres avec les Américains et les Anglais.

Miarahaba ny mpiandry tsatokazo Rais M’bolhi izay nampitolagaga ahy tamin'ny lalaony, ny fifantohany sy ny fanoherany manoloana ireo mpanafika nandritra ny lalao roa nifanaovana tamin'ny Amerikana sy ny Anglisy aho.

Mpanora-gazety Ithri Belateche mamintina hoe [7]:

Maintenant que le foot et la coupe du monde n'a plus aucun intérêt pour nous, revenant à notre quotidien et parlons du chômage, de la pauvreté, de la délinquance, du ciment, des Harragas, de la corruption et du terrorisme, bref ; la routine. Mais tout ça sans – tout de même -jeter l'emblème national au fond du placard.

Satria tsy mahaliana antsika intsony ny baolina kitra sy ny amboara manerantany, miverina amin'ny fiainana andavanandro ary hiresaka tsy fananan'asa,  fahantrana sy ditran-jatovo, simenitra sy ny Harragas, ny kolikoly sy ny fampihorohoroana, izany hoe ny mahazatra raha fintinina. Saingy amin'izany rehetra izany kosa, aza manipy ny mariky ny firenena any amin'ny fanambanin'ny fampirimana entana.