Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Nitombo ny fihetsiketsehana manohitra ny trano foibe famoaham-baovao iray any Pakistan

 

Zaffar Abbas, ny toniandahatsoratra ao amin'ny Dawn nandritra ny fizarana ny Lokan'ny Fahalalahana An-gazety 2019 Gwen Ifill. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube avy amin'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety.

Vahoaka marobe no nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny biraon'ny Gazety Dawn tao Islamabad sy ny Klioban'ny Gazety Karachi taorian'ny nitateran'ity gazety ity fa nifandray tamin'i Pakistan i Usman Khan, ilay mpanafika ny Tetezana tao Londra. Nanatsatoka antsy nahafaty olona roa sy naharatra olona telo i Khan andro iray talohan'ny nivoahan'ny tatitra nataon'ny gazety Dawn. Nihiaka ny teny filamatra manohitra ny Vondron'ny Fampitam-baovao Dawn ireo mpanao fihetsiketsehana, nandrahona ho faty, nitaky an'i Hameed Haroon (tompon'ny Dawn) sy Zaffar Abbas (toniandahatsoratry ny Dawn) hahantona, ny handoroana ny arsivan'ny gazety ary nanao takalon'aina ireo mpanao gazety maro nandritra ny ora maro tao amin'ny Biraon'ny Dawn tany Islamabad, raha sady nanohy ny fihetsiketsehana nataony ry zareo.

Mampiaka-peo manohitra ny Dawn i Pakistan

Nanao fahirano ny gazety Dawn ao Pakistan ny Islamista nitaky ny toniandahatsoratra hahantona noho ny tati-baovaon'ny Tetezana tao Londra

Tezitra ny andian'olona satria notondroina ho avy ao Pakistan ilay mpanafika

Tsy vao voalohany izao ny Gazety Dawn no nampaharomotra ny vahoaka noho ny fitantaran'izy ireo. Hatramin'ny tantara ratsin'ny Vaovao Tafaporitsaky ny Dawn tamin'ny taona 2016 dia efa tao anatin'ny boky ratsin'ny governemanta izy ireo ary misy ny olona sasany no mihevitra fa tohin'ny fanentanana fanaratsiana ilay fampahalalam-baovao ity fihetsiketsehana ity.

Namely ny Dawn tamin'ny sioka i Chaudhry Fawad Hussain, Minisitra Federaly misahana ny Siansa sy ny Teknolojia:

Dawn walas azafady mba mamindrà fo amin'ity Firenena ity, taitra tamin'ny fampifandraisanao mora ny mpampihorohoro Britanika amin'i Pakistan, samy manana fihaviana Britanika i Anwar Al Awlaki sy Anjem ch ary tsy misy ifandraisany amin'i Kashmir na Pak, tokony hifehy ny olany any aminy ny Fanjakana Britanika— tsy fandraisana andraikitra sady toetra tsy mendrika

Nilaza tamim-paranitan-tsaina ny gazety hafa toa ny The News fa avy any Azad Kashmir ny ray aman-dreniny saingy tsy nanatrika fiofanana ara-milisy na hiringiriny tany Pakistan.

Raha diso ny Dawn tamin'ny fanondroana ilay mpampihorohoro Usman Khan ho fiaviana Pakistaney, inona izany no ilazana ny manampahefana izay namela ny fampodiana ny fatiny aty amin'ny firenentsika  ?

Tao amin'ny tambajotra sosialy, nanomboka nisioka nitsikera ny gazety tamin'ny alalan'ny tenirohy Manao Ankivy ny Dawn Indiana ny olona:

Mahita ity trano fampahalalam-baovao tsy mahalala menatra toy ny #DawnNews manohy ny fitantarana Indiana ary mametraka ny tombotsoany manokana sy ny mpifandray aminy ho ambony kokoa noho ny tombontsoam-pirenena. Fotoana izao hanarenana izao tsy fahaiza-miasa maha-matihanina izao. Mpamadika tsy vanona!

Vao haingana i Zaffar Abbas, toniandahatsoratry ny Dawn News  no nahazo ny Lokan'ny Fahalalahana An-gazety Gwen Ifill noho ny “zava-bita miavaka sy maharitra tamin'ny fanatontosana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety.” Nisioka momba ny fihetsiketsehana izy:

Mbola fihetsiketsehana nokotrehina iray hafa hanenjehana ny Dawn teo ivelan'ny biraony tany Islamabad indray. Toy izany ihany, feo mandrahona, olona betsaka kokoa ary manakana ny varavarana fidirana. Nampilaza ny polisy izahay, ary nilaza tamin'izy ireo fa andraikiny ny miaro ny mpiasa sy ny fanananay. Manantena izahay fa hiditra an-tsehatra ny governemanta !!

Niparitaka ry zareo rehefa avy nandoro kopian-gazety Dawn vitsivitsy. Manan-jo hanohitra ny olon-drehetra rehefa tsy maneho herisetra izy ireo.

Voatsikera ihany koa ny Dawn tamin'ny lohatenim-baovao iray hafa vao haingana.

Navoakan'ny Express Tribune ihany koa io vaovao io. Ary namoaka izany ihany koa ny masoivohom-baovao ofisialy Iraniana. Fa maninona no nosinganina ny DAWN?

Nanamarika izany i Umer Ali :

Nampiasa fitantarana mitovy amin'ny Dawn ny Express Tribune sy The News. Toy izany koa ny onjam-peo-pirenena sy ny masoivohom-baovao.

Saingy nosinganin'ny mpitondra tenin'ny miaramila ao Pakistan ny Dawn noho ny tatitry ny zava-misy “tsy araka ny tokony ho izy”. Tena miavaka raha jerena ny zava-misy.

Efa ho herintaona teo ho eo izao, norarana ny Gazety Dawn tsy hizara gazety tao amin'ny faribohitr'i Lahore ary taorian'ity zava-nitranga vao haingana ity dia nandrara ny Gazety Dawn tao amin'ny faritra misy azy ihany koa ny Manampahefana misahana ny Fonenan'ny Fiarovana (DHA) :

Taorian'ny antsojay sy ny fandrahonana ny Dawn sy ireo mpiasan'ny fampahalalam-baovao ao aminy (noho ny tatitra nataony momba ny famoronana fironana tao amin'ny Twitter hikendrena tanjona politika) dia noraran'ireo “olona tsy fantatra” ao amin'ny orinasan'ny fonenana an-dry zareo ny gazety Dawn ankehitriny. Mahamenatra!

Translation: “DHA has placed a ban on Dawn Newspaper. In lieu of this paper distribute the alternate papers.”

“Is uniform (military) behind public intimidation”

“Nametraka fandraràna ho an'ny gazety Dawn ny DHA. Zarao ireo gazety mahasolo azy hafa ho solon'ity gazety ity. ”

“Moa ve ny fanamiana (miaramila) ao ambadiky ny fampitahorana ny vahoaka”

Ankoatra ny vondrona elatra ankavia ao Pakistan, nanolotra ny fanohanany ny Dawn News ihany koa ny mpanao politika sy ny antoko mpanohitra. Nanao  hetsi-panoherana manohitra ny zava-nitranga manameloka ny fanakianana ny fampahalalam-baovao ho toy ny fomba hamerana ny fampitam-baovao any Pakistan ihany koa ny vondrom-piarahamonin'ny mpanao gazety. Nanameloka ity tranga ity ireo vondrona mpiaro ny zon'ny mpanao gazety iraisam-pirenena toa ny Komity Miaro ny Mpanao Gazety , ny Ivontoerana Iraisam-pirenena ho an'ny Gazety ary ny Reporters Sans Frontières ary nangataka ny Praiminisitra Imran Khan hijery haingana io raharaha io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.