- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tian'ny alika ny foromazy Nepaley iray mafy, be mpankafy indrindra ao an-toerana

Sokajy: Azia Atsimo, Bhutan, India, Nepal, Fahasalamàna, Hevitra, Mediam-bahoaka, Sakafo, Teratany, Toekarena sy Fandraharahàna

Chhurpis ahantona amidy anatinà trano fivarotana iray ao amin'ny Dristrikan'Ilam ao Atsinanan'i Nepal. Sary avy amin'i Sanjib Chaudhary. Fampiasàna nahazoana alalana.

Raha mandalo an'ireo zaridainan-diten'i Kanyam [1] ao amin'ny Distrikan'Ilam [2]ao Atsinanan'i Nepal ianao dia hahita ireo fehezana foromazy mafy mihantona ao amin'ny ankamaroan'ireo trano fivarotana.

Fantatra amin'ny anarana hoe chhurpi [3] ilay foromazy mafy, vita avy amin'ny ronono nalaina [4] tamin'ny naks (yaks vavy), omby vavy ary chauris (fampanarahana yaks sy omby vavim-bohitra ao an-toerana). Loharanona prôteinina tsara dia tsara io foromazy sarotra tsakoina io ka ankafizin'ireo mponina ao amin'ny faritra Himalayana, isan'izany i Tibet, Sikkim ary Bhutan.

Kanefa, ankehitriny dia lasa sakafo tian'ny alika ny chuurpi ao Etazonia sy Eoropa:

Fitsako voajanahary tanteraka sy matsiro natao ho an'ny alika ny Yeti Dog Chew, novokarina tamin'ny alalan'ny rononon'ny yak Himalaiana. Safidy tsara indrindra mba hahafaly sy hanariana dia ny alikanao mandritra ny ora maro amin'ny fomba azo antoka & voajanahary ireto. Tsidiho ny tranonkalanay hahitanao ireo karazana habenà fitsako misy ho an'ny alikanao.

Araka ny voalazan'ny Ivontoerana [7] Fampiroboroboana ny Varotra sy ny Fanondranana [7] sahanin'ny governemantan'i Nepal, tamin'ny taom-piasàna 2017/2018, nanondrana chhurpi [8] mihoatra ny Ropia Nepaley 800 tapitrisa (Ar 25 lavitrisa eo ho eo) [8]ny  firenena. Araka ny voalazan'ireo mpandraharaha ao an-toerana, vokarina ao amin'ny distrikan'Ilam ihany ny 60-70 % amin'ireo chhurpi [9] aondrana any Etazonia sy Eoropa.

Matetika dia malefaka ny ankamaroan'ireo karazana foromazy, ahoana no hanamafisan-dry zareo an'ity foromazy ity? Aorian'ny fanangonana azy, ampangotrahina ny ronono ary esorina ny tavy. Avy eo, sarahiny amin'ilay ronono ireo tambongana, fonosiny anaty kitapo gony mamoaka rano mba hamoahana ny ranon'ilay chhurpi ary ary hamaininy amin'ny alalan'ny famoahana azy amin'ny masoandro na fanantonana azy ambony afo.

Manazava ny dingana sarotra famokarana [10] ny chhurpi ny Godawari International Private Limited, izay manondrana izany [11] ho fikaikitra alika any India, Japana, Taiwan, Kanadà sy any Etazonia:

[…] Vao mangatsiaka ny ronono, amboarina miaraka amin'ny ranom-boasarimakirana 10 ml sy sira 10 mg isaky ny 100 galonan-dronono eo izany. Mampivaingana ny ronono ny marikivy amin'ilay asidra malefaka ary manafaingana ilay dingana kosa ny sira. Sarahina amin'ny alalan'ny kitapo gony mamoaka rano ireo tambongana ireo avy eo, izay sasàna imbetsaka amin'ny rano mafana mba hanalàna ny “lactosérum” sy ireo dianà sira sy ranomb-boasarimakirana rehetra.

Tsindriana mandritra ny 3 herinandro ireo tambongana ao anatin'ilay kitapo gony rehefa eo amin'ny 5% eo ny hamandoana ao amin'ilay mofomamy azo. Poretina amin'ny alalan'ny vato mizàna ireo mofomamy mba hanalàna ny hamandoana mihoatra.

Tapahina amin'ny habe izay itiavana azy ilay mofomamy avy eo ary karakaraina mba handrahoana [sic] ambany masoandro sy setroka mandritra ny 2-3 volana. […]

Avy amin'ireo mpirahalahy Suman sy Sujan Shrestha ny hevitra hivarotra ny chhurpis ho sakafon'alika, izay niaraka nanangana ny orinasa Himalayan Dog Chew [12] tamin'i Nishes Shrestha tamin'ny 2003. Natomboka ilay hevitra [13] rehefa nahatsikaritra alika nikiky chhurpi ny iray tamin'ireo mpirahalahy. Tamin'ny 2007, namoaka ny vokatra novokarin'izy ireo nandritra ny tsenabe ho an'ny biby fiompy tany Bellingham, Washington izy ireo. Nanomboka tamin'izay, nandia lalan-davitra ilay orinasa: ankehitriny dia izy no mpanondrana [14] foromazy Himalaiana lehibe indrindra [14] ao Nepal, mampiasa olona mihoatra ny 9000. Tamin'ny 2015, niseho tao amin'ny fandaharana TV Amerikana Shark Tank [15] ireo mpandraharaha telo ireo, na dia efa namokatra nihoatra ny 5 tapitrisa dolara [16] isan-taona tamin'ny alalan'ny varotra aza.

Maro ireo orinasa hafa nanaraka ny diany, nefa kosa efa niompana amin'ny sehatra maro ny Himalayan Dog Chew ankehitriny, niainga taminà orinasa nifantoka taminà vokatra tokana ka nakany aminà orinasa mivarotra fitaovana feno ho an'ireo biby fiompy. Araka ny hita ao amin'ny tranonkalany [17], efa mirehareha amin'ny fiarahany miasa aminà toerana famokarana ronono an'ny taranaka fahatelo ao amin'ny Fanjakan'i Washington, izay mamokatra ronono mitentina 10 tapitrisa livre sterling isam-bolana ary mihoatra ny 124 tapitrisa livre sterling isan-taona, ho an'ny Himalayan Pet Supply daholo izany rehetra izany.

Koa satria aondrana ny amin'ny firenena maro be [8] ity foromazy mafy ity, izay ahitàna an'i Kanadà, Alemaina, Hong Kong, India, Israely, Japana, Korea, Malezia, Rosia, Singapaoro, Taiwan, Tailandy, Emirats Arabo, Angletera sy Etazonia, dia lasa fidiram-bolan'ireo tantsaha ambanivohitra ao Nepal ny fanamboarana azy.

Na izany aza, mba hijanonany eo amin'ny tsena dia mila manao izay hanavaozany sy hanalehibeazany karazana hatrany ny vokatra ireo mpanamboatra sy mpanondrana:

Very nify vitsivitsy ny tôtô keliko, tompon'andraikitra amin'ny ampahany ny fitsako ho an'ny alika vita avy amin'ny ronononà yak vokarin'ny @himalayanpet [18]. Kivy tanteraka aho tamin'ny nanomezako azy zavatra izay nanimba ny nifiny & nampijaly azy be toy izany. Fantaro ary fa miteraka olana tokoa ireny fitsako ireny ary mety hampidi-doza, indrindra ho an'ireo alika efa zokinjokiny.

Araka ny fampitandreman'ny orinasa dia mety hiteraka fahakendana, tsy fahalevonan-kanina, sakana sy fahatapahan'ny nify ireo vokatra fitsako ireo ka manoro hevitra [21] izy ireo ny hanaraha-maso tsy tapaka ireo alika mandritra ny fihinanany izany.