- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vaovao faran'ny Lingua : Septambra 2019

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

The Lingua ProjectArahaba daholo! Indro atolotro anareo ny toerana nisy ny Lingua [1] ho an'ny Septambra 2019.

Ny fitambarana ho an'io volana io, namoaka lahatsoratra 452 isika, nahasarika mpitsidika 305.073 ary jeripejy 360.275. Nahatratra 259.352 ny isan'ireo mpankafy ny pejintsika Facebook iombonan'ny Lingua ary 263.670 ireo mpanjohy tao amin'ny Twitter. . 

Indro ny topimaso iray momba ny fandehan'ireo tranonkala rehetra [2] tamin'ny volana lasa.

Ireo nitarika tamin'iny volana iny:

Lahatsoratra

Espaniôla 98
Malagasy 94
Italiana 43
Rosiàna 39
Grika 37

Jeripejy

Espaniôla 111.809
Portiogey 52.545
Japoney 36.286
Frantsay 27.190
Rosiàna 19.210

Mpankafy Facebook

Arabo ar 123.902
Shinoa 43.018
Espaniôla es 19.498
Franysa fr 17.280
Amharic am 8.817

Mpankafy Twitter

Shinoa 180.891
Arabo ar 42.381
Bangla bn 8.134
Espaniôla es 7.586
Frantsay fr 5.559

Isaorana betsaka ianareo noho ny fanampiana nataonareo hahatanteraka izany, asa tena goavana be! Manantena izany hatrany amin'ny volana manaraka 🙂

Aza adinoina ny manaraka ny Lingua ao amin'ny Twitter [3] sy Facebook [4]! Zarao amin'ny namana sy ny tambajotranao azafady ny taratasy fangatahana hanatevina laharana ny Lingua [5]. Mandika teny ho amina fiteny ampolony maro izahay [6]! Farany, misorata anarana handray ny vaovaon'ny Lingua [7]!