- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Filipina: Mahatsiaro ny vono olona tany Maguindanao

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

[1](Lahatsoratra tamin'ny janoary 2010)

Iray volana mahery izay no lasa, tamin'ny 23 Novambra 2009, nisian'ny famonoana nataon'ny tafika manokana an-dry Ampatuans, mpitarika ady niara-dia tamin'ny Filoham-pirenena Filipiana Gloria-Macapagal Arroyo, ireo lehilahy sy vehivavy maherin'ny 60, saingy efa tafiditra amin'ny eritreritra iombonan'ny vahoaka Filipiana ity hetsika mahatsiravina ity.

Inona no ataonao amin'ny sakana sy ny olana eny amin'ny lalanao, hoy ny vazivazy iray niparitaka nandritra ny fety. Ny valiny dia ny mianatra mandevina azy ireo mba ho lavitra any ry zareo, mazava ho azy fa manondro ny fampiasàn'ny Ampatuan ny angady handevenana ireo lasibatra amin'ny fasana iombonana lalindalina izany. Tsaroana amin'ny fomba maro hafa ny fandripahana.

Sary mampihoro-koditra maro no miparitaka amin'ny aterineto. Mampibaribary ilay tranga manafintohina ireo bilaogy sy tambajotra sosialy Filipiana [2].

Mampifandray [3] ny Fandripahana Maguindanao ny Critic After mba haka sarimihetsika ao anaty fifanakalozan-dresaka ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona tohanan'ny fanjakana sy ny herisetra ara-politika mpiseho mahazatra amin'ny sarimihetsika Filipiana.

The Village Idiot Savant kosa mihevitra [4] fa tsy tokony ho raisina toy ny lasibatra fotsiny ireo lasibatra tamin'ny fandripahana.

The Mangudadatus made the conscious decision to send women and journalists — without any bodyguards and weapons — in order to emphasize their peaceful intent. We know how that turned out. That's why the victims ought not to be considered victims but martyrs.

Amim-pahatsiarovantena no nandraisan-dry Mangodadatoa fanapahan-kevitra handefa ireo vehivavy sy mpanao gazety — tsy misy mpiambina sy fitaovam-piadiana — mba hanamafisana ny fikasana mandala filaminana ao amin-dry zareo. Fantatsika ny tohin'izany. Izany no antony tsy tokony handraisana azy ireo toy ny lasibatra fa maritiora.

Tahaka izany koa, lasa lohahevitra hihetsehana fanoherana sy araka ny tarazo ilay vono olona. The Vera Files mitatitra [5] fa iray amin'ireo songadina tamin'ny Diaben'ny Arendrina fanao isan-taona tao amin'ny Oniversiten'ny Philipines Diliman tamin'ny volana Desambra lasa teo ny andiam-piara mampiseho ny vono olona .

The College of Law and the militant student organization STAND UP both had the Maguindanao massacre as their message. STAND UP had effigies of a backhoe and a wrecked van, both having become symbols of the killing of 57 people, 30 of them journalists by members of the warlord Ampatuan clan in Maguindanao on Nov. 23. The College of Law had a tableau of the massacre victims with a mural of a gun-toting warlord as backdrop.

Nanana ny hafatr'izy ireo momba ny vono olona tao Maguindanao ny Kolejin'ny Lalàna sy ny fikambanan'ny mpianatra mpitolona STAND UP. Nanana sariolon'ny trakitera sy kamiao kely rendrika (voaroba) ny STAND UP, samy lasa mariky ny famonoana ireo olona 57 ireo zavatra roa ireo, ka ny 30 amin'izy ireo dia mpanora-gazety novonoin'ny mpitarika ady Ampatuan tao Maguindanao tamin'ny 23 Novambra. Nanana tabilaon'ny lasibatry ny famonoana miaraka sary an-drindrina ahitana mpitarika ady mitana basy ao amin'ny Kolejin'ny Lalàna.

Mandritra izany fotoana izany, High Chair, gazety tononkalo any Filipina mangataka tononkalo [6] havoaka amin'ny andiany faha-12 ka mampisongadina ny “Fandripahana tao Maguindanao”.

Nanambara lalàna miaramila [7] tao amin'ny faritany Maguindanao nandritra ny herinandro tamin'ny volana lasa teo ny governemanta Arroyo, izay noheverina fa hanenjika an-dry Ampatuan sy ny tafiny manokana. Na izany aza, mbola ho hita eo ihany raha hiakatra fitsarana ireo nahavanon-doza na tsia.

Ho an'i Tonyo Cruz [8], toa nampiasain'ny governemanta Arroyo ny fanambaràna vao haingana momba ny lalàna miaramila mba hamelana ireo nahavanon-doza tamin'ny famonoana olona tsy ho tratran'ny lalàna.

If the martial law proclamation goes unchallenged, Filipinos lose several things. One, we lose the chance to prosecute one of the worst warlord families and allies of President Arroyo who implicated themselves in the most brutal mass murder in recent history…

Raha tsy toherina ny fanambarana ny lalàna miaramila, dia ho very zavatra maro ny Filipiana. Ny iray dia ny tsy ahafahantsika mitory ny iray amin'ireo fianakaviana mpitarika ady ratsy indrindra sy ireo mpiara-dia amin'ny filoha Arroyo izay nampiditra ny tenan'izy ireo tamin'ny vono olona faobe feno herisetra indrindra teo amin'ny tantara vao haingana …

Amin'izany fomba izany dia mangataka ny hanehoan'ny (hafa) hevitra [9] momba ny Famonoana tao Maguindanao i Marianna Gurtovnik ao amin'ny The Mantle:

1) How have the major political parties in the Philippines reacted to the investigation of the Ampatuans’ involvement in the multiple murders committed in Maguindanao last November?

2) In light of the approaching end of her presidency, is President Arroyo believed to be more or less likely to complete the investigation of this case and to sentence the Ampatuans if they are found guilty? Why?

3) What steps are currently being taken by the Philippine government to disarm the Ampatuan-sponsored militia that was allegedly involved in the murder?

4) What implications would the possible conviction of the Ampatuans likely have on the political dynamics in Maguindanao?

1) Ahoana no nandraisan'ireo antoko politika lehibe tany Filipina ny famotorana nahavoarohirohy an-dry Ampatuans tamin'ny famonoana olona marobe natao tany Maguindanao tamin'ny Novambra lasa teo?

2) Amin'izao fiafaran'ny fiantsorohany ny maha-filoham-pirenena azy izao, dia azo inoana ve ny filoha Arroyo fa hamita ny famotorana ity raharaha ity sy hanasazy an-dry Ampatuans raha hita fa meloka izy ireo? Nahoana?

3) Inona avy ireo dingana noraisin'ny fitondram-panjakan'i Filipina mba hanesorana ny fitaovam-piadiana eny an-tanan'ny milisy tohanan-dry Ampatuan izay voalaza fa voarohirohy tamin'ny famonoana?

4) Inona no mety ho fiantraikan'ny fiampangana an-dry Ampatuans eo amin'ny hery politika ao Maguindanao?