Tetezana mampitohy an'i Krimea sy Rosia, tsy mbola misy akory dia efa manana kaonty Instagram

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2015)

Most the cat will help occupy your time #WaitingfortheBridge from Russia to annexed Crimea. Image from @cat_the_most on Instagram.

Tsy ho monamonaina ianao miaraka amin'i Most Ilay Saka #WaitingfortheBridge (miandry tetezana) avy any Rosia mankany Krimea, faritany natambatra. Sarin'i @cat_the_most ao amin'ny Instagram.

Rehefa eo an-dalam-pananganana tetezana iray tsy taka-bidy mankany amina faritany iray natambatra tamin'ny fomba tsy ara-dalàna, aza mikaroka intsony izay banga amin'ny tetikadim-pifandraisanao ety anaty media sôsialy . Ny valiny, saka iray.

Ilay antsoina hoe “Tetezan'i Krinea” dia sahanasa iray sahisahy nataon'i Rosia taoriana kely monja nampitambarany an'ilay saikinosy Krimea nalainy tamin'i Okraina tamin'ny lohataona 2014.  Satria amin'izao fotoana izao i Rosia tsy manana fifandraisana an-tanety amin'i Krimea, io tetezana io, izay hiainga avy ao amin'ny faritra rosiàna Kouban hamonjy ny morontsiraka krimeàna, no ho lalandrà fivezivezena stratejika hahafahan'i Rosia mitatitra mandroso sy miverina ireo famatsiana fitaovana fanorenana, entana sy olona avy ao amin'ilay saikinosy.

Efa tamin'ny Martsa 2014 ny filoha rosiàna, Vladimir Poutine no nandefa ny hevitra hananganana tetezana iray eo ambonin'ny helodrano Kerch, talohan'ny nanondroan'ny praiminisitra Dmitri Medvedev ny orinasa “Stroïgazmontaj” hisahana ny asa vaventy, orinasa iray an'ny tanàn-kavanan'i Poutine, ilay mpanefoefo Arkady Rotenberg, ho mpitarika ny tetikasa fananganana ilay tetezana.

Raha tany am-boalohany, novinavinaina ho manodidina ny 50 lavitrisa robla (709 tapitrisa dolara) ny tetibidin'ny fanadihadiana sy ny fanorenana ilay tetezana, ny tombana vao haingana nataon'ireo orinasam-panjakana tafiditra ao anatin'ilay tetikasa kosa manakaiky ny 300 lavitrisa robla (4,25 lavitrisa dolara).

Ny Desambra 2018 no nirian'ireo manampahefana rosiàna hamitàna ilay tetezana, saingy marobe ireo manampahaizana manokana no misalasala amin'ny azo anatanterahana ilay tetikasa, tamin'ny fanondroana ireo sanda mihoampampana sy ireo fanamby jeolojika.

Tsy mbola miasa akory ilay tetezana mirefy 19 kilaometatra, nefa tsy mahasakana azy tsy horesahana be ao amin'ny aterineto izany, ary, manandanja kokoa, ny paika iray ao amin'ny media sôsialy nampiasàna saka iray.

The splash page of the Crimean Bridge website. Screenshot from most.life.

Ny pejy fandraisana hafahafa ao amin'ny tranonkalan'ny Tetezan'i Krimea. Pikantsarin'i “most.life”.

Tsy ela akory izay, nanamboarana ny tranonkala ofisialy ho azy ilay tetezana, ny most.life, toerana ahafahan'ireo mpitsidika maka torohay momba ny tantaran'ilay tetikasa fanorenana sy ny fandrosoany, sady mijery sary sy lahatsary mifandraika amin'ilay ezaka.  “Na ny rohy mankany amin'ilay tranonkala aza dia tsy kisendrasendra”, hoy ny lazain'ny sampandraharaha misahana ny gazety ao amin'ilay tetikasa. “Miankina mivantana amin'ilay tetezana ny ho toe-piainan'ireo olona amin'ny andaniny sy ankilan'ny helodrano”.

Ananan'ilay tetezana (tsy mbola misy akory) sahady koa ny kaonty Facebook, Twitter, Instagram, VKontakte ary Odnoklassniki, fanelezana amin'ny ankamaroany ireo sarimiaina  mahatsikaiky momba ny fandroson'ny asa sy ny fanaovana indray mijery ilay toerana, ary hatramin'ireo tendro tsy maharitra mifandray amin'ilay fanamboarana tetezana.

Sarin'ilay sahanasa. Saripika avy amin'ny pejy VKontakte-n'ny Tetezan'i Krimea.

Ny tena ampahany tianay amin'ny hetsiky ny Tetezan'i Krimea ety anaty media sôsialy, dia ilay kaonty Instagram manokana an'ilay saka antsoina hoe “Cat the Most” (“мост” midika hoe “tetezana” amin'ny teny rosiàna) mampiseho biby iray famantarana, monina ao amin'ilay sahanasa, mitatitra momba ny fandrosoan'ny asa ary tsy tapaka mizara fanakianana am-pahendrena. Jereo fotsiny ity izy.

Raha tohizana tsy ovàna amin'izao mandritra ny volana iray fanampiny ny famahànana ahy, ho ngeza toy  ny fiarabe aho.

Manana angano iray momba azy mihitsy aza i “Most the cat” : toa hoe indray andro tany aloha tany no nipoitra tao amin'ny sahanasa ilay biby ary notezain'ireo mpiasa. Ezahan'ny kaonty Instagram-n'ilay saka ny manao izay hifanarahany aminà mpanaraka samihafa, isan'izany ireo “maharaka ny zavamisy”.

hitady trano mpikarakara volombava ao Taman. Irario soa aho amin'ity raharaha sarotra ity.

Mazava be, tsy manao afa-tsy ny mamilivily ny sain'ny vahoaka ireo kaonty marobe ety anaty media sôsialy, raha etsy ankilany kosa mandroso miadana eo ihany ilay làlana fitaterana, tsy misy datin'andro voafaritra mazava hifaranany. Tsy mihoatra ny 1.400 ireo mpanjohy ny kaonty Instagram ofisialin'ilay tetezana, raha mahasarika 637 hafa kosa ny an'i “Most the cat” miaraka amin'ireo sariny fetsifetsy sy ireo hanihaniny. Tena mahay ny asany ireo izay nisaina io paika amin'ny media sôsialy io: ao amin'ny aterineto, afaka mameno izay rehetra banga ny saka, na ohatra aza ka banga miendrika tetezana misanda dolara an-davitrisa maro izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.