Diabe iray mba hanomezana aina indray an'ireo sendikan'ny mpianatra ao Pakistana

Widely used poster by PRSF Islamabad-Rawalpindi

Peta-drindrina nampiasain'ny PRSF Islamabad-Rawalpindi be. Fandikana ny teny faneva: fanabeazana maimaimpoana. Fanomezana aina ny Sendikan'ny Mpianatra. Mpianatra izahay fa tsy mpampihorohoro.

Ny 29 Novambra, nitranga nanerana an'i Pakistana ireo Diabe Firaisankinan'ny Mpianatra ary nahitàna ny fandraisana anjaran'ireo mpampianatra, mpisolovava, mpiasa madinika, ireo olona niova taovam-pananahana, ireo mpikatroka ary ireo mpikambana amin'ny antoko politika. Ireo mpikambana ao amin'ny Student Action Committee (SAC) sy ny Progressive Students Collective (PSC) no nitarika izany. Ny ampitson'ilay diabe, voasambotra avokoa ireo mpitarika sy ireo mpandray anjara sasantsasany ary nampangaina ho nikomy, na teo aza ny fanohanana mialoha avy amin'ny Praiministra Pakistaney.

Ora vitsivitsy izay, nalain'ny “Na Malooms” avy amin'ny anjerimanontolon'i  Punjab i Alamgir Khan Wazir (zanak'anadahin'i Ali Wazir). Tena azo melohina tanteraka izany sady Sharamnak mangataka antsika hanafaka maika an'i Alamgir ary tsy maintsy henjehina ao anatin'ity tranga tsy ara-dalàna ity ireo tomponantoka.#ReleaseAlamgirWazir pic.twitter.com/fHe3p03Uo7

— Mohsin Dawar (@mjdawar) 30 Novambra 2019

[ Fanamarihan'ny Mpanoratra:] Ny fomba fiteny hoe Na Maloom dia ampiasaina matetika hilazàna an'ireo olona tao anaty Tati-baovao voalohany tsy fantatra tanaty heloka bevava iray. Saingy ankehitriny ireo antoko ankavia, ireo progresista sy ireo mpanao politika dia nanomboka nampiasa an'io fiteny io amin'ireo masoivoho fiarovana satria tsy azo tononina ny anaran'izy ireny, sady tsy “mifidy” olona manaaraka ny fomban'ny lalàna izy ireo ka noho izany tsy misy olona afaka mitsongo dia azy ireny.]

Akhtar Khan, mpampianatra iray amin'ny anjerimanontolo Abdul Wali Khan ao Mardan, no nosamborina araka ny lalàna mifehy ny Fisorohana ireo Heloka Elektronika noho ny filazàny mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona natao tamin'ireo Pachtounes sy nilazany ny fanohanany ny Diabe Firaisakinan'ny Mpianatra.

Akhtar Khan, mpampianatra iray amin'ny Anjerimanontolo an'i Abdul Wali Khan ao Mardan, no nofonjain'ny FIA araka ilay lalàna tsy azo ivalozana mikasika ny heloka bevava amin'ny Aterineto noho ireo filazàna nataony teo amin'ny Facebook, izay nanoratany vao haingana mikasika an'ireo fanitsakitsahana ny zo maha-olona ny Pakhtuns sady nanohana ny #DiabeFiraisankinaNyMpianatra. #AvotsoryAkhtarKhan pic.twitter.com/cpMAVcz7OO

— Ammar Rashid ☭ (@AmmarRashidT) 3 Desambra 2019

Ny diabe tamin'ity taona ity no diabe faharoa nokarakarain'ny Fivondronan'ireo Mpianatra Liampivoarana, izay tsy vitan'ny hoe goavana fotsiny fa tsara karakara ihany koa. Nivoaka taorian'ny diabe ihany koa ny sata mikasika an'ireo fitakiana, izay nahitana ny toerana fisakafoan'ireo sendikan'ny mpianatra, ireo fangatahana fampihenana ny sarany, ny hampitsaharana ny fanarahamaso an'ireo fikambanan'ny mpianatra, ny hampitsaharana ny fandrahonana an'ireo mpianatra sy ny mba hanomezana  fotodrafitrasam-pampianarana tsara kokoa.

Ny Fikambanan'ny mpianatra dia fikambanana iray noforonina avy amin'ireo toeram-pianarana ary matetika tolorana birao ao amin'ny toeram-pianarana . Izy io dia natokana ho an'ireo asa sosialy, fikarakaràna, fisoloana tena sy fanohanana hetsika akademika ho an'ireo mpikambana ao aminy. Niasa navitrika tao Pakistàna ireo fikambanan'ny mpianatra, kanefa, tamin'ny taona 1984, noraran'ny filoham-pirenena Pakistaney tamin'izany fotoana izany, ny jeneraly Zia Ul Haq, ireo fikambanan'ny mpianatra noho ny filazana fa fisianà herisetra tany amin'ireo toeram-ponenan'ny mpianatra misy eo amin'ireo ankolafy Ankavia sy Ankavanana. Taorian'ny nahafatesan'ny filoham-pirenena Zia ul Haq, nesorin'ny Praiminisitra Benazir Bhutto ny fandraràna tamin'ny taona 1989, saingy koa satria ireo mpianatra mbola voarohirohy indray tamin'ireo herisetra, noraràn'ny Fitsarana Avo tao Pakistana mihitsy ireo hetsika tamin'ny taona 1993.

Nilanja sary lehibe  nahitàna ireo fangatahan-dry zareo ireo mpanao diabe, nanao tononkalo ireo mpandray anjara sasantsasany sady nanandratra teny fanevan'ny fanavaozana. Nozaraina betsaka teo amin'ireo tambajotra sosialy ireo sary tamin'ilay diabe, nampiasàna ny tenifototra #StudentSolidarityMarch.

Nanohana ny famelomana aina an'ireo fikambanan'ny mpianatra i Asma Aamir, ilay mpikatroka ho an'ny zon'ny vehivavy:

Mpanao politika marobe amin'izao fotoana izao no nandray anjara taloha tamin'ireo fikambanan'ny mpianatra, satria ireo fikambanan'ny mpianatra ireo no taninketsa ho an'ireo mpitarika. Vokatr'izay, ankatoaviko tanteraka ny fitakian'ireo mpianatra ireo ho an'ny “famelomana indray an'ireo fikambanan'ny mpianatra”. #StudentsSolidarityMarch #YouthPoliticalParticipation#RestoreStudentUnion

— Asma Aamir (@asmaaamir87)  29 Novambra 2019

Na ny Praiministra Imran Khan aza mba nandefa bitsika fanohanana an'ireo fikambanan'ny mpianatra ireo:

Ireo anjerimanontolo no manomana an'ireo ho mpitarika rahatrizay eo amin'ny firenena ary ireo fikambanan'ny mpianatra dia ampahany tsy afaka misaraka amin'i fanomanana io. Mampalahelo fa, ao Pakistana, manjary lasa sehatry ny ady an-terisetra ireo fikambanan'ny mpianatry ny anjerimanontolo ary tena mamotika tanteraka ny tontolo ara-tsaina any anatin'ireo toeram-ponenan'ny mpianatra.

— Imran Khan (@ImranKhanPTI)  1 Desambra 2019

Nanambara ny lehiben'ny ministra, Sindh Syed Murad Ali Shah, fa ny governemantany dia hamerina amin'ny laoniny an'ireo fikambanan'ny mpianatra ao anatin'ny faritanin'i Sindh.

Nanomboka hatramin'ny Farz Mela, hetsika iray karakaraina isan-taona ao Lahore mba hankalazana ny fahatsiarovana ny poeta Faiz Ahmed Faiz, dia nanomboka nianaran'ny mpianatra ireo andalana avy amin'ilay tononkalo revolisionera “Sarfaroshi ki Tamana” an'ilay poeta indiana Bismil Azimabadi’. Nahasarika betsaka ny sain'ireo mpianatra izay manetsiketsika ny fikambanan'ny mpianatra ireo fitovitoviana revolisionera ao anatin'ilay tononkalo, izay marobe tamin'izy ireo no voatsikera.

Andro iray nialoha ilay Diabe Firaisankinan'ny Mpianatra, mpianatra roa no nambaran'ny Anjerimanontolon'i Punjab ho olona tsy iriana (persona non grata’)  ary nofoanany ny fahafahana miditra ho an'ny iray tamin'ireo mpitarika ny diabe, Husnain Jameel Faridi. Mpianatry ny anjerimanontolon'i Balochistan Quetta sasantsasany ihany koa no nambara fa voaroaka, saingy tsy mazava ny antony.

Nilaza i Husnain Jameel fa tsy hiankohoka izy ary hanjohy ny diabe:

Hanao diabe any amin'ny #StudentsSolidarityMarch aho rahampitso, satria toheriko ny hipetraka fotsiny hitaty loza. Ho tohizako ny ady amin'io fomba io mandrapahafahan'ireo mpianatra mianatra am-pahamendrehana sy ara-drariny ao amin'ireo toeram-pampianarana.

Miaraha aminay rahampitso & mandraisa anjara amin'ity hetsika manan-tantara ity!

— HUSNAIN JAMIL FARIDI (@HUSNAINJAMEEL) 28 Novambra 2019

Nolavin’ny Manampahefana miaindraikitra ny Fifandraisana amin'ny Daholobe ao amin'ny anjerimanontolon'i Punjab Khurram Shahzad ny fitarainana, raha toa nibitsika mikasika an'ity olana ity  ihany koa ny Anjerimanontolon'i Punjab (PU).

Voamarika fa naparitaka teo amin'ny #SocialMedia ireo vaovao tsy marina mahakasika ny #FaizMela. Tsy nandroaka mpianatra mihitsy ny PU mikasika ny fandraisany anjara tamin'ity karazana hetsika ity. Saingy ireo olona izay mamadika ny vahoaka sy mikendry ny Anjerimanontolo dia tsy ho leferina mihitsy.

— University of the Punjab (@pu_lhr_official) 28 Novambra 2019

Taorian'ny diabe, nanomboka nahazo toerana teo amin'ny media sosialy ireo tenifototra tamin'ny Twitter. Ny #StudentsMarchExposed no iray tamin'izany, raha natomboky ny kaonty iray antsoina hoe ‘Insafians Power Official’, lazaina fa mpanaraka ny Pakistan Tehreek e Insaf (PTI) kosa ny fironana iray manohitra ireo liberaly taorian'ilay diabe.

Nisy fanambaràna iray nalefan'ny Progressive Students Collective hanoherana an'ireo fanentanana izay nalefa hamelezana an-dry zareo.

Tianay ny hanantitrantitra fa ny politikanay dia mifototra fotsiny amin'ireo fitakiana ara-drariny sy ireo fangatahana araky ny lalàmpanorenana momba ny zon'ireo mpianatra ary ny fiheverena antsika ho toy ny fitaovana ho an'ny fihetsehampo rehetra maneho tsy fitiavan-tanindrazana dia tena fanodinkodinana ratsy ny tolontsika. Mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana ireo fangatahantsika ary ataontsika mazava tsara toy ny masoandro be lohataona fa hofaritantsika mazava ao anatin'ny zoron'ny ara-dalàna sy ny lalampanorenana ny politikantsika.

Tsy marin-toerana ireo fepetra ara-tsosialy sy ara-politika ary ara-toekarena ao Pakistana izay hery manosika an'ireo mpianatra hanomana ity diabe ity mba hitakiana ny famelomana indray an'ireo fikambanan'ny mpianatra, kanefa, heverin'ireo singa sasantsasany ao anaty fiarahamonina fa miasa aminà fandaharanasa iray manohitra an'i Pakistàna sy ny Silamo izy ireo ka tsy maintsy ampangaina sy samborina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.