
Fambolena tongolobe ao Gopalganj, Bangladesh. Sary avy amin'ny Flickr -n'ny ONU – Vehivavy Aziatika sy Pasifika . CC BY-NC-ND.
Ny tongolobe no anisan'ny laron-tsakafo manandanja indrindra ampiasaina amin'ny ankamaroan'ny sakafo ao Azia Atsimo ary olana iray tena saropady ny vidin'izy ireo. Ao amin'ireo firenena toa an'i India sy Bangladesh, miteraka resabe manerana ny firenena ny tsy fisiany, izay mitarika nankamin'ny tsindry ara-politika. Raha mbola nibahan-toerana tao Bangladesh ny krizy mikasika ny tongolo tamin'ny Novambra, niaraka tamin'ny fahatarana tamin'ireo fanafarana mahazatra sy ny fampitomboana avo enina heny ny vidiny, dia nanambara ny governemanta fa hanafatra tongolo amin'ny fiaramanidina mba hamaliana ny tinady.
This woman with her 45 days old child expressed happiness after buying 1 kg onion in low price from government distribution point in #Bangladesh. This days onion price increased. 1 kg onion is being sold on more than 3 us dollar, generally price is half of 1 dollar. pic.twitter.com/ww9hTj1HsK
— Ershad Khan (@ershadkhandu) November 17, 2019
Ity vehivavy miaraka amin'ny zanany kely vao 45 andro ity izao, nilaza ny hafaliany taorian'ny nividianany tongolo 1 kg tamin'ny vidiny mora tao amin'ny toerana fizaràn'ny governemanta tao #Bangladesh. Niakatra ny vidin'ny tongolo tamin'ireo andro ireo. Namidy mihoatra ny 3 dolara Amerikana ny vidin'ny 1 kg tamin'ny tongolo, raha toa ka tokony ho 1 dolara ny vidiny mahazatra. pic.twitter.com/ww9hTj1HsK
— Ershad Khan (@ershadkhandu) 17 Novambra 2019
Ahoana no nahatongavantsika amin'izao?
Namokatra tongolo maherin'ny 2,33 tapitrisa taonina i Bangladesh teo anelanelan'ny taona 2018-2019 (Jolay-Jona); kanefa, 3,6 tapitrisa taonina no tadiavin'ny tsena. Avy any India akaiky azy eo ny firenena no manafatra tongolo mba hamenoana an'io tsy ampy io. India mamokatra ny ampahefatry ny tongolo manerantany.
Tamin'ity Septambra ity, nosakanan‘i India ny fanondranana tongolo noho ny fidinan'ny famokarana tongolo tao an-toerana vokatry ny rotsak'orana be loatra sy noho ny tinady teo an-toerana. Nosokajian‘ireo manampahaizana teo an-toerana ho tsy fisainana io fihetsika io, izay tsy mamaha ny olana akory fa vao mainka miteraka voka-dratsy ho an'ireo mpamboly.
Kanefa, misy vokany goavana tao Bangladesh io, izay nahatsapa fa kely ihany koa ny vokatra tao anatiny tamin'ity taona ity. Rehefa natsahatr'i India ireo fanondranany, nikaroka fanafarana tongolo tany an-kafa indray i Bangladesh. Tany am-boalohany, tsy nitodika tamin'ireo fanafarana miteraka vidiny goavana ireo mpivarotra satria nihevitra fa tsy ho efa dia hoesorin'i India ilay fandraràna. Tsy izay no nataon'ireo mpivarotra sasantsasany fa ny fanangonana an'ireo tongolo, izay nitarika ny sarintsarinà krizy.

Mpivarotra tongolo tao Sadarghat, Dhaka, Bangladesh. Sary avy amin'ny Flickr an'i Gerry Popplestone. CC BY-NC-ND
Tamin'ny Septambra, Tk. 45-5, vola ao Bangladesh, no vidin'ny tongolo (50-60 cents Dolara Amerikana) iray kilao. Niakatra ho Tk. 110-120 (1.30 – 1.40 Dolara Amerikana) izany tamin'ny Oktobra sy Novambra, tafakatra hatramin'ny Tk. 250 (USD 3) tao Bangladesh izany.
At the capital’s Karwan Bazar wholesale market, traders were selling a sack of five kg local onion for Tk950 to Tk1,000. On the other hand, five kg imported onion were selling between Tk800 and Tk900 and five kg onion from Turkey were selling at Tk750 to Tk800.#Bangladesh pic.twitter.com/jULau4l9D7
— sourav saha (@souravs95685663) November 16, 2019
Tao amin'ny tsenan'ny mpamongady ao an-drenivohitr'i Karwan, 9 000 ka hatramin'ny 1 000 TK no nivarotan'ireo mpivarotra ny gony iray milanja 5 kg an'ireo tongolo avy teo an-toerana. Tetsy andaniny, Tk 800 ka hatramin'ny Tk 900 kosa no nivarotana ny tongolo dimy kilao nafarana ary Tk 750 sy Tk 800 no nivarotana ny dimy kilao amin'ny tongolo avy any Tiorkia. #Bangladesh pic.twitter.com/jULau4l9D7
— sourav saha (@souravs95685663) 16 Novambra 2019
Nandritra ny fitsidihana tany India ny herinandro voalohany tamin'ny Oktobra, somary tanaty vazivazy no nitaraina tamin'ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi ny Praiminisitr'i Bangladesh mikasika ny fandraràna an'ireo tongolo ka niteny hoe tokony nesoriny tanaty lisitry ny sakafony ny tongolo. Na teo aza ireo fangatahana miverimberina avy ao Bangladesh, tsy nofoanan'i India ny fandraràna ary toa mbola haharitra volana maromaro mihitsy aza ny fandraràna.
Vokatra mora simba ny tongolo, ny fandefasana any amin'ireo firenena lavidavitra dia matetika miteraka fahalòvan'ny tongolo eny an-dalana. I India izany no safidy tena azo iainana indrindra amin'ny fanafarana. Ankehitriny, Tsy maintsy mividy tongolo any amin'ireo firenena hafa i Bangladesh, toa an'i Shina sy Ejipta, ary manafatra entana entina amin'ny fiaramanidina avy any Ejipta, Tiorkia ary Pakistana izy ireo mba hiatrehana ny krizy tampoka.
Onion diplomacy??
■India bans onion exports as floods affect crops in #Maharashtra #Karnataka #Telangana & push prices over Rs 100/kg.
■Neighbouring countries like #Bangladesh face the crunch.
■ #Pakistan steps in. To export 300 tons of onions to BD after 15 years of hiatus.— Rajeev Sharma (@kishkindha) November 16, 2019
Diplaomasian'ny tongolo ??
■Noraran'i India ireo fanondranana tongolo satria tratran'ny tondradrano ireo fambolena tao #Maharashtra #Karnataka #Telangana & nanosika ny vidiny ho maherin'ny 100 Rs/kg
■Niatrika krizy ireo firenena akaiky azy toa an'i #Bangladesh
■Niditra an-tsehatra i #Pakistan. Nanondrana tongolo 300 taonina tany BD taorian'ny fiatoana nandritra ny 15 taona.— Rajeev Sharma (@kishkindha) 16 Novambra 2019
Sarintsarinà Krizy
Taloha, fandaniana kely fotsiny isam-bolana tao anatin'ireo fandaniana ara-tsakafo ataon'ireo tokantrano Bangali ny tongolo. Kanefa, mahakasika ny sarangan'olona antonony sy ireo tokantrano mahantra ny fiakaran'ny vidina tongolo. Nametraka fanohanana ara-bola amin'ny vidina tongolo ny governemanta mba hahamarin-toerana ny tsena ary nirohotra namonjy ireo toeram-pivarotana ny ankamaroan'ireo olona.
People gather to buy onion as subsidize price in Dhaka, Bangladesh.
The price of onion has hit a record high with USD $3 per Kilogram, ten times higher than its price seven months ago.#onion #pricehike #bangladesh?? #agriculture #confrontation #gathering #economy pic.twitter.com/tj8Jq8H5LK— zakir hossain chowdhury (@auni_auniket) November 17, 2019
Nitangorona ireo olona mba hividy tongolo any Dhaka, Bangladesh. Nahatratra ny vidiny ambony indrindra 3 Dolara Amerikana ny vidin'ny tongolo iray kilao, izay impolo avo heny noho ny vidiny tamin'ny fito volana lasa.#onion #pricehike #bangladesh?? #agriculture #confrontation #gathering #economy pic.twitter.com/tj8Jq8H5LK
— zakir hossain chowdhury (@auni_auniket) 17 Novambra 2019
Maro no nanome tsiny an'ireo mpivarotra ho mamorona sarintsarina krizy. Masoivohom-panjakana isankarazany no nampandoa lamandy ary mpivarotra maherin'ny 2 000 no nogadraina nandritra ireo roa volana farany noho ny fitehirizana tongolo na fivarotana izany ambonin'izay vidiny eny an-tsena.
খাতুনগঞ্জে আড়ত থেকে বের হচ্ছে পঁচা পেঁয়াজ!
দাম আরও বাড়বে সে আশায় নিজেদের গুদামে মজুদ করে রাখা পেঁয়াজে পচন ধরেছে!!
কথায় আছে না, অতি লোভে তাঁতি নষ্ট! pic.twitter.com/KuQkryvIOR
— sadia sultana (@sultana8800) November 16, 2019
Tongolo lò hita tao amin'ny toerana fitehirizam-bokatra tao Khatunganj. Tratra ireo tongolo natoby mba hamidy aorian'ny fiakaran'ny vidiny. Raha tendan-kanina loatra ianareo, fatiantoka be no mety ho hitanao.
Niangavian'ireo olona hafa tao amin'ny media sosialy ny hafa mba hibodo ireo tongolo ho fanoherana an'ireo mpanafina entana.
পেঁয়াজ না খেলে কি আপনি মরে যাবেন?
যদি তাই না হয়, আসুন একযোগে পেঁয়াজ বর্জন করে ব্যবসায়ী সিন্ডিকেটের বিষদাঁত ভেঙে দেই! pic.twitter.com/FrGhmehW6u
— S.H. SagoR (@Shahada12873780) November 17, 2019
Maty angaha ianareo raha tsy mihinana tongolo? Raha tsy marina io dia andao hataontsika ankivy ireo tongolo ary homentsika lesona ireo sendikan'ny mpivarotra ireo.
পেঁয়াজ সিন্ডিকেট ভাঙ্গতে আপনিই যথেষ্টঃ
১৷ আগামী ১৯/১১/২০১৯ থেকে ২৯/১১/২০১৯ এই ১০ দিন কেউ পেঁয়াজ কিনব না।
২। আশ-পাশের পরিবার প্রতিবেশীকে এই তথ্যটা জানিয়ে পেঁয়াজ না কেনার জন্য উদ্বুদ্ধ করুন।
৩। ১০দিন পেঁয়াজ কেনা বন্ধ, দৃঢ় মনোবলে অঙ্গিকারাবদ্ধ হোন। pic.twitter.com/JEYHNmS7kh
— BURHAN UDDIN (@BURHANU96887202) November 16, 2019
Ianareo irery ihany dia afaka mamotika an'ireo sendikan'ny mpivarotra ireo. Tsy hividy ny tongolo ny 19/11/2019 hatramin'ny 29/11/2019 isika. Ilazao ihany koa ny fianakavianareo sy ireo manodidina anareo mba tsy hividy tongolo. 10 andro tsy misy tongolo. Azonareo atao izany.
— BURHAN UDDIN (@BURHANU96887202) 16 Novambra 2019
Mba hiatrehana ny krizy, vao haingana no nanambara tamin'ny media ny Praiminisitra Sheikh Hasina fa nokarakaraina tsy nisy tongolo ny sakafony ary “matsiro dia matsiro” ny vokatra. Zarain'ny olona any anatin'ireo lahatsoratra fahandroana sakafo ao anaty tambajotra ireo fomba fikarakarana sakafo tsy misy tongolo.
পেঁয়াজ ছাড়া রান্না / cooking without onion / peyaj sara ranna / how to cook without onion https://t.co/zeiHKwA07i pic.twitter.com/J1Apn6Dp0q
— refreshrecipes (@refreshrecipes) November 19, 2019
পেঁয়াজ ছাড়া রান্না / mahandro sakafo tsy misy tongolo / peyaj sara ranna / ahoana no fahandro tsy misy tongolo https://t.co/zeiHKwA07i pic.twitter.com/J1Apn6Dp0q
— refreshrecipes (@refreshrecipes) 19 Novambra 2019
Manoratra ao anaty Facebook i Ireen Sultana manao hoe:
পেঁয়াজ বস্ত্রের মত আবশ্যক না। মৌলিক অধিকার না। [..] বাঙালির বহু ব্যঞ্জন এমনিতেই পেঁয়াজ ছাড়া হয়। আর যেসবে লাগে তা পরিমাণে কম দিয়েও রাঁধা যায়। অথবা পেঁয়াজ না দিয়েও উপাদেয় করা যায়।
আপনার যদি আজকাল ৫ কেজির জায়গায় আড়াই কেজিতে চলে যায় তো বুঝবেন এটাই আসল পরিমাণ। এতদিন আপনি পেঁয়াজ বিলাসি ছিলেন।
Tsy dia hoe tinady tena tsy azo ialàna toy ny fitafiana akory ny tongolo. Tsy misy zo fototra. […] Marobe ireo sakafo bengali voavoatra tsy misy tongolo na mety azo ampiasaina amina fatra kely dia kely. Na ianao aza dia afaka manao sakafo matsiro tsy misy tongolo.
Raha tafidina hatramin'ny antsasaky ny 5 kilao ny fihinananareo tongolo isam-bolana noho ny krizy, dia fantaro fa izay no tinady tsara. Be loatra ny fampiasanareo tongolo hatreto.
Mandritra izany fotoana izany, nihetsika noho ny krizinà tongolo ireo mpanao aterineto sasantsasany tamin'ny alalan'ny fampiasana an'ireo sary mahatsikaiky sy feno famoronana tahaka ity manaraka ity:

Tsy voatery ho fandraisana fepetra amin'ny fiakatry ny vidin'ny tongolo, fa dia ilazana isika mba hanajanona ny fihinanana tongolo. Deraina anie Andriamanitra, mbola tsy niakatra ny vidin'ny fitafiana”. Sary mahatsikaiky nozaraina be, avy tao amin'ny pejy Facebook Gujob.com
Na dia teo aza ireo hanihany nozaraina tamin'ny tambajotra, tsy azo adino ny hamafin'ny olana, satria ampiasain'ireo antoko politika ny krizy ho toy ny teboka famoriambahoaka. Nampangain'ny Bangladesh Nationalist Party (BNP), antoko mpanohitra lehibe indrindra, ny governemanta tamin'ny fiakaran'ny tongolo ary niantso famoriana ny olom-pirenena izy mba hanao fanoherana. Misy ihany koa ny adihevitra mafana mikasika ity olana ity natao tao amin'ny Parlemanta.