- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nitsikera ny fisamborana ireo delegasiona politika miisa 18 tany Mozambika ny fiarahamonim-pirenena

Sokajy: Mozambika, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora
[1]

“Afaho izy ireo ankehitriny”. Sary nahazoana alàlana avy amin'ny antoko Nova Democracia.

Delegasiona politika miisa valo ambin'ny folo avy ao amin'ny antoko Nova Democracia (Demokrasia vaovao) no nosamborina tamin'ny 15 Oktobra, tany amin'ny faritanin'i Gaza, noho izy ireo voalaza fa nitondra taratasy fanamarinana sandoka, araka ny lazain'ny polisy tao an-toerana [2]. Nahazo fahafahana vonjimaka izy ireo ny 30 Novambra.

[3]

Nitatitra ny fisamborana ny gazety ao an-toerna Zambeze | Pikantsary.

Nanatontosa fifidianana ho filoham-pirenena sy governemantam-paritany i Mozambika tamin'ny 15 Oktobra. Nanakiana ny fifidianana ho nisy hosoka [4] ny antoko mpanohitra sy ny fiarahamonim-pirenena sasany.

Notaterin'i Wilker Dias [5], kandidà solombavambahoaka tsy lany tao amin'ny Demokrasia Vaovao ny fisamborana ireo delegasiona :

JOVENS PRESOS ILEGALMENTE.

Depois do jornalista Amade Abubacar, eis que o regime efectua mais uma prisão ilegal.. ilegal?? Sim ilegal, o mesmo acusa 18 jovens que eram delegados de candidatura do Partido Nova Democracia em Gaza de portar credenciais falsas, em que no entanto foram atribuídas pelos órgãos eleitorais.

Gaza foi um dos palcos de conflito intenso durante a campanha eleitoral, onde para alem das intimidações, danos materiais também houve perdas humanas…curiosamente a Nova Democracia sairia daquele ciclo eleitoral com Deputados eleitos para a Assembleia da Republica apesar dos fantasmas recenseados.

TANORA NOSAMBORINA TSY ARA-DRARINY.

Araka ny mpanora-gazety Amade Abubacar dia mbola manao ny tsy ara-dalàna ihany ny fitondrana eto… fisamborana tsy ara-dalàna ??? Eny, tsy ara-dalàna, manameloka ireo tanora miisa 18 izay delegasionan'ny antoko Demokrasia Vaovao any Gaza izy ireo tamin'ny nitondran'izy ireo taratasy fanamarinana sandoka, izay neken'ny manampahefan'ny fifidianana anefa.

Gaza no iray amin'ireo toerana nahitana fifandonana mafy nandritra ny fanentanana tamin'ny fifidianana, sy fandrahonana ihany koa, [nisy] ny fahasimbana ara-pitaovana [ary] fahafatesan'olona ihany koa… Ny mahaliana dia nisongadina avy amin'io fifidianana ara-potoana io ny Demokrasia Vaovao amin'ireo solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Antenimieran'ny Repoblika ny na dia teo aza ny tahotra .

Nilaza [6] tamin'ny gazety iray tao an-toerana i Quitéria Guirengane, izay solontenan'ny antoko fa fihetsika fampitahorana atao amin'ny antoko izany.

Nanomboka hetsika [7] ho an'ny vahoaka ihany koa ny antoko mba handefa taratasy firaisankina :

Hoje iniciamos uma corrente de conforto aos familiares e os respectivos presos políticos do ND. Essa corrente, visa a recolha de cartas com mensagens dos membros, amigos… que directa ou indirectamente compartilham da dor da privação da opressão!

Se sente-se tocado por essa situação, mande já a sua carta para um ou todos presos do ND. A carta, pode ser enviada para o nosso “inbox”, whatsapp, email, na nossa sede ou nas outras delegações!

Hanomboka andiana fampaherezana ho an'ny fianakaviana sy ho an'ny gadra politika tsirairay avy amin'ny ND isika androany. Mikendry ny hanangona ireo taratasy miaraka amin'ny hafatra avy amin'ny mpikambana, namana… ity andiany ity izay mizara mivantana na tsy mivantana ny fanalana ny fanaintainan'ny famoretana!

Raha voakasik'izany ianao, dia alefaso any amin'ny iray na ireo gadra ND rehetra ny taratasinao izao .  Azonao alefa any amin'ny inbox, whatsapp, mailaka, na any amin'ny foibenay na any amin'ny birao hafa ny taratasy !

Tamin'ny fampiasana ny tenirohy # Gaza18, olona maro no naneho hevitra tamin'ny fisamborana ireo delegasiona, anisan'izany ilay mpikatroka Cídia Chissungo :

Andao hanatevin-daharana ny fanentanana. Ampio izahay hampiely ny hafatra # Gaza18 tsy ho avelantsika ny tsy firaharahiana sy ny fahanginana mba hitazonana ireo tanora miisa 18 any amin'ny faritanin'i Gaza. Ao amin'ny toerana tsy voaomana ahitana toerana 4 hisakafoanana sady hanaovany maloto amin'ny toerana iray ihany ireo vehivavy kanefa tsy misy olona miraika.

Vao 19 taona monja izy ary efa gadra politika sahady. Inona no helony ? Ny tsy hanarahany dia ny rafitra sy ny fisafidianany antoko izay noheveriny fa mety aminy ve. Inona no tiantsika ahatongavana?
Avelao ny tanora hanapa-kevitra ho an'ny tenany. Tsy mila famoretana intsony.

Nanao antso ho an'ny olona maromaro handray anjara amin'ilay hetsika ihany koa i Nelson Machele [13], mpianatra tao amin'ny Oniversite Eduardo Mondlane:

Não pode ignorar mais!
Precisamos de si!

Caro amigo, até quando vai fingir que não vê? Nós precisamos de si, ajude-nos a espalhar a mensagem, do mesmo jeito que partilharia se fosse uma comédia ou qualquer outra coisa fútil.

Tsy azonao tsinontsinoavina intsony izany !
Mila anao izahay!

Ry namana, mandra-pahoviana ianao no mody tsy mahita? Ilainay ianao, ampio izahay hanaparitaka ny hafatra, toy ny fanao amin'ireny firesahana vazivazy sy ny zavatra tsy misy dikany loatra ireny.

Tahaka izany ihany koa, naneho hevitra tao amin'ny Facebook i Ashlenio de Joana [14] :

Liberdade aos Presos Políticos

O regime deteve 18Jovens, demonstrou a sua Arrogância, Sua Insensibilidade e escamoteio às Liberdades Democráticas:

• Pelo medo da derrota;
• Pela Intolerância política;
• Pela intolerância ao pensar diferente;
• Pelo seu fracasso;

Presos políticos por temerem a juventude! #LiberdadeJa [15] #Gaza18 [16]

Fahafahana ho an'ny gadra politika

Nisambotra ireo tanora miisa 18 ny fitondrana, nasehony ny avonavon'izy ireo, ny tsy firaharahiany ary tsy nohajainy ny fahalalahana demaokratika:

- Noho ny tahotra ho resy;
– Ny tsy fandeferana ara-politika;
– Ny tsy fahazakana ny fomba fisainana hafa;
– Noho ny tsy fahombiazany;

Gadra politika satria matahotra ny tanora izy ireo !

Nahatratra ny firenena Afrikanina hafa, anisan'izany ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo ilay fanentanana # Gaza18 :

Andao hanatevin-daharana ny fanentanana # Gaza18 ary ampio izahay hanaparitaka ny hafatra. Andao handresy ny tsy firaharahiana sy ny fahanginana mba hitakiana ny famotsorana ireo tanora miisa 18 nosamborina tany amin'ny faritanin'i Gaza tany Mozambika ary notanana amin'ny toe-javatra tsy manaja ny fahamendrehan'izy ireo.

[21]

“Afaho izy ireo ankehitriny” sary nahazoana alalana avy amin'ny antoko Nova Democracia

Toy izany ihany koa tany Oganda [22], naneho fanohanana ireo tanora notanana ireo vahoaka:

#Free18Mz [23]

We join our comrades and civil society to call upon the #Mozambique [24] Government to unconditionally and immediately release the #Gaza18 [25] who were arbitrarily arrested while monitoring the polling station in Chokwé district during the general election. These youth have been detained since 15 october 2019. Justice must be upheld for democracy to prevail @NyusiConfioemti, @DavidKaye @UNHumanRights @UN_SPExperts @ParlamentoMoz

# Afaho18Mz

Miantso ny Governemantan'i Mozambika mba hamotsotra amin'ny fomba tsy misy fepetra ary avy hatrany ny # Gaza18 izay nosamborina tsy ara-drariny raha nanara-maso ny birao fandatsaham-bato tao amin'ny distrikan'i Chokwé nandritra ny fifidianana ankapobeny izahay miaraka amin'ny namanay sy ny fiarahamonim-pirenena. Notanana nanomboka hatramin'ny 15 oktobra 2019 ireo tanora ireo. Tokony  tohanana ny Rariny ho an'ny demaokrasia mba hanjaka.

[26]

“Afaho izy ireo ankehitriny” sary nahazoana alalana avy amin'ny antoko Nova Democracia