- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Noafahan'ny fitsarana angoley ilay mpanora-gazety Rafael Marques

Sokajy: Angola, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Lahatsoratra tamin'ny mey 2015)

Vaovao mahafinaritra ! Nosintomina ny fiampangana rehetra nanenjehana ilay mpanao gazety Rafael Marques.

Noafahana madiodio tamin'ny fiampangana azy rehetra ilay Angoley  mpanora-gazety sady mpikatroka, Rafael Marques [5], taorian'ny fifanarahana nifanaovany tamin'ny solontenan'ireo jeneraly izay niampanga azy tamin'ny fanalam-baraka ary nanamafy izany ny vaovao nomen'ny DW-África [6] :

O processo contra o jornalista angolano Rafael Marques não vai continuar. O ativista e os representantes dos generais angolanos que o acusavam de difamação chegaram esta quinta-feira a entendimento em tribunal. O acordo prevê a “não republicação” do livro “Diamantes de Sangue”, que esteve na origem do processo (…)

Tsy hitohy ny fitoriana hanenjehana ilay mpanao gazety Angoley Rafael Marques. Tonga tao amin'ny fitsarana ilay mpikatroka sy ny solontenan'ireo jeneraly Angoley izay niampanga azy tamin'ny fanalam-baraka. Nahitana ny “tsy famoahana intsony” ny boky “Diamondran-drà “, izay niandohan'ilay raharaha ny fifanarahana (…)Tsy hitohy ny fitoriana hanenjehana ilay mpanao gazety Angoley Rafael Marques. Tonga tao amin'ny fitsarana ilay mpikatroka sy ny solontenan'ireo jeneraly Angoley izay niampanga azy tamin'ny fanalam-baraka. Nahitana ny “tsy famoahana intsony” ny boky “Diamondran-drà “, izay niandohan'ilay raharaha ny fifanarahana (…)

Nanomboka tamin'ny taona 2011 ny fitsarana [7] – izay nahemotra in-droa mba hamotopotorana ny porofo – taorian'ny famoahana ny boky Diamondran-drà – Kolikoly sy Fampijaliana any Angola [8] izay nampiseho ny fizotran'ny kolikoly maizina sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona [9] ao amin'ny faritry ny diamondra any Luanda. Avaratr'i Angola.

Nankasitraka ny famaranana ity dingana ity ny fanehoan-kevitra maro tamin'ny vaovao nivoaka tao amin'ny Facebook saingy maro no nanasongadina fa tsy tokony “hanolikoly” ilay mpikatroka izy ireo, hoy i Quintin Med [10] :

É bom esse acordo, porém que não seja para impedir e corromper o activista no ponto de não poder mais exercer devidamente o seu papel importante que desempenha na sociedade, para que haja a transparência e a verdade (…) onde ninguém é privado dos seus direitos!

Tsara io fifanarahana io saingy tsy hanakana ny hanolikolena ilay mpikatroka izany mba tsy ahafahany manao ny andraikiny araka ny tokony ho izy eo amin'ny fiaraha-monina, mba hisian'ny mangarahara sy ny fahamarinana (…) izay tsy tokony anesorana aminy ny zony. !

Nilaza tao amin'ny pejiny Facebook  ilay mpanora-gazetin'ny BBC Mozambikana, Zanaida Machado [11] hoe:

Finalmente, Rafael Marques pode descansar e fazer o seu trabalho à vontade.O jornalista e os representantes dos generais angolanos no processo de difamação sobre violação dos direitos humanos e a exploração diamantífera em Angola chegaram a entendimento em tribunal.

Afaka miala sasatra ihany nony farany i Rafael Marques ary manao ny asany milamina. Nahavita nanao fifanarahana ara-pitsarana ilay mpanora-gazety sy ireo solontenan'ireo jeneraly Angoley izay tafiditra tao amin'ny raharahan'ny fanalam-baraka noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fitrandrahana diamondra ao Angola.

Tao amin'ny Twitter, nisy ihany koa ny fanehoan-kevitra tamin'ny vaovao:

Namarana ny raharaham-pitsarana ny fifanarahana teo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Tsy tokony haverina havoaka intsony io boky io saingy afaka mitana ny votoatiny ôrizinaly.