Satria mankalaza ny faha-15 taona ny Global Voices, ireto ny lahatsoratra notsongain'ny ekipa Karaiba

Desambra — volana mahafinaritra nananganana ny Global Voices tamin'ny taona 2004. Vetivety dia tapitra ny dimy ambinifolo taona, saingy nanome antsika fahafahana namoaka lahatsoratra teo amin'ny 100.000 nandrisika hilahateny ary nadika tamin'ny fiteny hafa ny ankamaroan'izy ireo.

Ho voninahitr'ity zava-bita lehibe ity, ireto misy jery todika mizara dimy, izay samy manasongadina ny telo amin'ireo lahatsoratra nivoaka tamin'ny taona 2019 manan-danja indrindra na manome aingam-panahy indrindra avy amin'ny ekipa Karaiba — lahatsoratra izay nampiseho ny “fahatongavantaona” amin'ny ambaratonga iray na hafa.

Fandresena ara-dalàna (sy ara-maoraly) ho an'ireo tantsaha Haitiana

Mpikambana fito ao amin'ny Kolektif Peyizan Viktim Tè Chabè sy ny mpanolotsainan'izy ireo mifaly rehefa avy nanao sonia fifanarahana tamin'ny IDB. Sarin'ny Filankevitry ny tamberina andraikitra, nahazoana alalana.

Mbola manako ao amin'ny faritra ny horohorontany taona 2010 nandravarava an'i Haiti. Isaky ny misy voina mitranga, dia misy ny akon'ny (loza) 7.0 Mw izay nandamaka faritra maro tao Port-au-Prince, nahafatesana olona an'hetsiny ary nampiangana olona ho ao anatin'ny toerana miha-marefo hatrany.

Tamin'ny hafaliana lehibe noho izany no nahafantaranay momba ny Kolektif Peyizan Viktim Tè Chabè – fivondronan'ny tantsaha Haitiana nanasonia   fifanarahana mana-tantara tamin'ny volana Janoary 2019, fifanarahana manome fanonerana ho an'ireo olona efa ho 4000 izay nafindra toerana mba hanaovana ny fananganana ny Inter- American Development Bank (IDB) sy ny Caracol Industrial Park  tohanan'ny USAID ara-bola- tetikasa iray notohanan'ny governemanta Haitiana mba ho tafiditra amin'ny ezaka fanarenana taorian'ny horohorontany, saingy lasa nanitsakitsaka kosa ny zo ara-tany sy ny fiveloman'izy ireo izany.

Nampiseho herim-po lehibe sy fahavononana hiaro ny tenan'izy ireo ny fikirizana, ny faharetana ary ny fahaizan'ny vondrona hiasa miaraka mba hahasoa bebe kokoa ny vondron'izy ireo. Nanamarika fa sambany, raha ny marina, tao Haiti, nahavita nanao izay handresesana ny feon'izy ireo tamin'ny alalan'ny dingana famahana fifamaliana ofisialy ireo niharam-bona tamin'ny fandraofana ny tanin'izy ireo ary raisina ho fisantarana lehibe ny fahombiazan'izy ireo raha sanatria misy fanjakana mikasa handray fanapahan-kevitra tahaka izany any aoriana.

Ny krizin'ny mpitsoa-ponenana Venezoela/Trinite & Tobago

Fihetsiketsehana Venezoeliana, Janoary 2019. Saripikan'i Valentin Guerrero, CC BY 2.0.

Satria niharatsy haingana nivadika ho krizy maha-olona ny olana ara-politika ao Venezoela, ​​nanomboka nandositra ny firenena ireo teratany Venezoeliana, ka maro ireo olona nifindra monina nisafidy ho eo akaiky ao Trinite sy Tobago ho toerana fialokalofan'izy ireo.

Na dia manana politikam-pirenena momba ny raharaha mikasika ny mpitsoa-ponenana sy ny fialokalofana aza i Trinite sy Tobago nanomboka tamin'ny taona 2014, dia tsy nampiharina izany, ka nisy fiantraikany ratsy tamin'ny fiarovana sahaza ho an'ireo mpitsoa-ponenana sy mpitady fialokalofana, izay matetika miafara amin'ny fiheverana azy ireo ho mpifindra monina tsy ara-dalàna. Miteraka vokatra ratsy amin'ireo mpitsoa-ponenana izay iharan'ny fanararaotana ara-toekarena izany na, araka ny tatitra nataon'ny Refugees International (RI) tamin'ny Janoary 2019, “noterena ho ao amin'ny tsy ara-dalàna”.

Tamin'ny volana Jiona 2019, na izany aza, nanao dingana fisoratana anarana ny governemantan'i Trinite sy Tobago, izay nahafahan'ireo mpitady fialokalofana an'arivony nekena ho ara-dalàna, nanakely ny mety hisian'ny fanararaotana azy ireo – fanapaha-kevitra niako taminay ho mankany amin'ny lalana mety eo amin'ny tantara, na inona na inona izay fiafarana ara-politika any Venezoelà.

Fihetsiketsehana miverimberina ao Haiti

Sainam-pirenena Haitiana. Sary avy amin'i Amy Nelson, CC BY 2.0. The Haitian flag. Photo by Amy Nelson, CC BY 2.0.

Tamin'ny 7 febroary 2019, niato vonjimaika ny fihetsiketsehana mahery setra an-dalambe tany Haiti, izay nanomboka ho setrin'ny fiakaram-bidin'ny sakafo. Na izany aza, natao hitohy ny fitroarana ara-tsosialy, satria nateraky ny kolikoly mahahenika ny rafitra ny ankamaroan'ny krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy ao amin'ny firenena.

Nifamatotra tamin'ny PetroCaribe ny ampahany betsaka amin'izany kolikoly izany – programa angovo isam-paritra tarihin'i Venezoelà izay natao hanome solika sy ny vokatra amin'ny sarany mirary ny PetroCaribe, saingy niteraka fahavoazana tamin'ny sandam-bola, fiakaran'ny vidim-piainana ny tsy fahaiza-mitantana tafahoatra, ary koa ny tantara ratsy 3 miliara dolara Amerikana mahasaringotra ireo manampahefam-panjakana ambony, anisan'izany ny filoha Haitiana Jovenel Moise.

Ao anatin'ny ezaka ataon'ny governemanta hanakiviana kokoa ny fitroarana, nampanantena ny praiminisitra Jean-Henry Céant tamin'izany fa hampihena ny fisondrotan'ny vidin'ny sakafo fototra, hampihena ny fandaniam-panjakana, hampiakatra ny karama farany ambany ary hiady amin'ny kolikoly amin'ny alàlan'ny fanohanana ny fizotran'ny raharaham-pitsarana PetroCaribe. saingy manohitra ny tsy filaminana ara-politika am-polo taona, tonga tamin'ny tsy azo hanoharana ny vahoaka. Maro ny mitaky ny hialan'i Moïse.

Tamin'ny volana martsa 2019, nanolotra vato fitsipaham-pitokisana an'i Céant ny Parlemanta ao Haiti ary toa nandray anjara tamin'ny fanampiana ny firenena hamaha ny krizy i Etazonia. Tamin'ny 9 Aprily, nanendry an'i Michel Lapin ho praiministra vaovao an'i Haiti i Moïse, na dia nanjaka tany amin'ny toerana mafana sy ny manodidina ny renivohitra aza ny herisetran-jiolahy.

Saingy tsy te-hiala tsotra izao ny PertroCaribe. Tamin'ny 31 Mey, namoaka tatitra misy pejy 600 mahery momba ny tsy fahaizan'ny tahirim-bolan'ny PetroCaribe mitantana ny Fitsarana Ambony any Haiti. Mandritra izany, nihitsoka tao amin'ny Senà (Antenimieran-doholona) ny fanekena an'i Lapin amin'ny maha praiminisitra azy; nitady praiminisitra hafa i Moïse tamin'ny Jolay. Tonga ny volana novambra, tsy nisy fivoarana foana tao amin'ny firenena, ka vao maika miharatsy hatrany ny krizy sosialy-toekarena, saika mikatona avokoa ireo sekoly, hôpitaly, tsena sy banky satria niantehitra hatrany tamin'ny hery ny governemanta hamoritra ny fihetsiketsehana.

Satria hifarana ny taona 2019 ny zava-drehetra, toa mikasa hijanona eo amin'ny fiadidiana i Moïse ary mikasa handroaka azy ny olom-pirenena Haitiana. Miandry izany isika satria hitohy ho toe-draharaha harahana amin'ny taona vaovao izany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.