- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny tsy fahatongavan'i Cristina Fernandez de Kirchner sy ireo zavatra manitikitika mikasika ny fanokanana filoham-pirenena ao Arzantina

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra nivoaka voalohany tamin'ny desambra 2015)

Macri_y_Awada_en_el_balcón

Rehefa avy nandray ny asa, niarahaba ny vahoaka ny filoham-pirenena vaovao any Arzantina, Mauricio Macri, niaraka tamin'ny fianakaviany. Sary: Sekreteran’ ny fifandraisana.

Tamin'ny 10 Desambra, lasa filohan'i Arzantina vaovao i Mauricio Macri, toerana izay notazonin'i Cristina Fernandez de Kirchner [1] nandritra ny valo taona farany. Taorian'ny fifidianana 25 Oktobra tsy nahomby tamin'ny fanomezana kandidà maro an'isa takian'ny Lalàm-panorenan'ny Arzantina, dia ireo mpifaninana roa izay nahazo vato be indrindra, Daniel Scioli [2] tao amin'ny antokon'ny fitondrana teo aloha sy Macri avy ao amin'ny PRO [3] izay anisan'ny vondrona Cambiemos no tafiditra fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana 22 Novambra.

Manana ny mampiadihevitra azy ny tetezamita ara-politika. Izany dia noho ny fanovana ny arofenitry ny fitarihana izay, araka ny lalàmpanorenana Arzantiniana, dia milaza fa tsy maintsy atao ao amin'ny Kongresy ny lanonana fianianan'ny filoha vaovao. Milaza koa ny fomban-drazana fa rehefa vita ny fianianana, dia mandray ny samboady sy tehina [4] ao amin'ny Casa Rosada [5] (Lapan'ny filoham-pirenena), fitoeran'ny governemanta ny mpitondra vaovao.

Nestor Kirchner sy Cristina Fernandez de Kirchner no hany filoha tsy nanaraka ny fomban-drazana.

Toeran-danonana ifandirana

Notadiavin'i Cristina Fernandez de Kirchner hotontosaina ao amin'ny Kongresy avokoa ny lanonam-pianianana sy ny lanonan'ny samboady sy ny tehina, raha te-hanavao ny fomban-drazana indray amin'ny fanatontosana ny lanonan'ny samboady sy ny tehina any amin'ny lapam-panjakana i Macri.

Noho ny tsy fisian'ny fifanarahana momba ny fomba sy ny toerana tokony hanolorana ny samboady sy ny tehim-panjakana [6], dia niely haingana tao amin'ny media sosialy ny toe-draharaha, ka maro ny Arzantiniana nanome ny heviny momba izay tokony hatao:

Ity ny #BastonPresidencial (tehin'ny filoham-pirenena) izay hatolotr'i Cristina Fernandez de Kirchner an'i Macri. Notazoniny tao amin'ny tahirim-bolan'ny Banky Foibe izany.

Macri, raiso amin'ny fombanao manokana ny fitantanana. Avelao i [Cristina Fernandez de Kirchner] hitazona ny tehim-panjakana ary afaka manantona ny tenany amin'ny samboadin'ny filoham-pirenana izy. Ampy izay ireo marika ara-panjakana.

Araka ny lahatsoratra bilaogy nosoratan'i Matias Reggiardo [11], miha-lalina ny adihevitra mikasika ny tokony hanomezana ny tehina– tsy maintsy atao amin'ny fialan'ny Kirchnerism [12] izany:

El problema de fondo obviamente no es un aspecto tan menor como el lugar físico, sino que la gran expectativa esta dada por lo que al kirchnerismo siempre le ha costado resignar, la calle. La idea de CFK es despedirse de la militancia, pero no organizó un acto masivo a tales efectos, ni un último discurso en el patio de las palmeras el día 9, no, nada de eso, ella pretende que no haya una fiesta de bienvenida al nuevo presidente, sino una fiesta de despedida para ella, y eso incluye, todos los lugares de las gradas en el congreso para la Asamblea Legislativa y también las calles adyacentes al palacio del Congreso.

Mazava ho azy fa ny lohahevitra soritana dia tsy ny zavatra ivelambelany tahaka ny toerana tena izy tokony hanaovana ny fanolorana, fa ilay fanantenana lehibe amin'ny tsy fahaizan'ny Kirchnerisme miala (mijanona), ny vahoaka. Ny hevitr'i Cristina Fernandez de Kirchner dia ny handao ny antoko politika, saingy tsy nikarakara hetsika mihitsy ho amin'izany izy, na koa resaka farany avy amin'ny patio des palmeras (anisan'ny lapan'ny filoham-pirenena) amin'ny andro fahasivy, tsy misy avokoa ireo . Mampihevitra izy fa tsy misy lanonana fandraisana ho an'ny filoha vaovao, fa lanonana fanaovam-belona azy kosa, ary anisan'izany koa ny seza rehetra an'ny kongresy ao amin'ny antenimiera mpanao lalàna ary ireo arabe manodidina ny lapan'ny Kongresy Nasionaly Arzantina.

Fihetseham-po ratsy an'ny filoha

Nandritra ny herinandron'ny 5 Desambra, nanoratra momba ny antso voarainy avy amin'ny filoha voafidy [13]ny filoha teo aloha, izay nilaza fa nampahafantatra azy ny filoha voafidy ary nolazainy fa nitabataba hoe- aiza no toerana tokony hanaovana ny fanolorana ny samboady sy ny tehina [14]:

En cuanto a imagen de autoridad acuérdense de Nestor Kirchner que asumió con el 22% de los votos, que le decían que iba a ser el chirolita del anterior presidente o que la que mandaba iba a ser yo… ¿Dónde tendría que haber jurado para generar “imagen de autoridad?”. ¿Parado arriba de la mesa del Salón Blanco? La autoridad, no la imagen, no se logra en una ceremonia de trasmisión de mando y mucho menos gritándole a una mujer por teléfono…

Mikasika ny endriky ny fahefana, aza adinoina ny momba an'i [filoha teo aloha efa maty sady vadin'i Cristina Fernandez de Kirchner] Nestor Kirchner izay tonga teo amin'ny fahefana tamin'ny 22%n'ny vato, ary nilaza taminy izy rehetra fa ho saribakolin'ny filoha teo aloha fotsiny izy na hatramin'ny hoe izaho no hisahana izany … Aiza izy no tokony hanao fianianana mba hampisy “endriky ny fahefana”? Mitsangana eo ambonin'ny latabatra ao amin'ny Efitra Fotsy ao amin'ny lapam-panjakana? Tsy azo amin'ny lanonana fianianana ny fahefana, fa tsy ny endriny, ary azo antoka fa tsy amin'ny fitabatabana amin'ny vehivavy amin'ny finday …

Notohizany hoe:

Una mujer que además de estar sola quiere entregar el mando a quien ha tenido el honor de ser elegido presidente de todos los argentinos y hacerlo en el marco constitucional que significa la Asamblea Legislativa, que sintetiza la soberanía popular y la representación federal de un estado democrático.

Ny vehivavy, ankoatra ny maha manirery azy, dia te-hanome ny fitantanana ho an'ny olona nanana ny voninahitra nofidian'ny Arzantiniana rehetra ho filoha ary manao izany ao araka ny lalàmpanorenena izay midika hoe kongresy, izay mamintina ny fiandrianam-bahoaka sy ny fisoloan-tena federalin'ny fanjakana demaokratika.

Hitsangana ve ny tena filoha Arzantiniana?

Farany, nanapa-kevitra tsy hanatrika ny lanonana fianianana ao amin'ny Kongresy i Cristina Fernandez de Kirchner noho ny fepetra fisorohana  [15]napetraky ny firaisan'ny Cambiemos, ka izy no lasa filoha Arzantiniana voalohany tsy nanatrika ny lanonana fianianana ataon'ny mpitarika voafidy ara-demokratika. Ny fepetra, nohamafisin'ny mpitsara federaly, dia nidika fa nifarana tamin'ny 10 desambra tamin'ny misasakalina ny fe-potoam-piasan'i Fernandez de Kirchner fa tsy tamin'ny 12 ora taty aoriana tamin'ny 12 ora 59 atoandro, ny toha-kevitra dia hoe raha nanao fianianana i Macri ny folakandro, dia misy filoha roa ara-teknika mandritra ny fotoana fohy.

Midika izany fa mandritra ny 12 ora, ny filohan'ny Senà, Federico Pinedo no nisahana ny firenena.

Ny 9 Desambra, nanao ny lahateniny farany teo anoloanny olom-pirenena an-tapitrasany [16] te-hanatrika ny fotoana i Fernandez de Kirchner:

La presidenta Cristina Fernández de Kirchner se despidió de la ciudadanía con un discurso ante una multitud que se congregó en la Plaza de Mayo, y pidió “a Dios que quienes nos sucedan por imperio de la voluntad popular” puedan “dentro de cuatro años, ante una Plaza colmada como esta, decirle a todos los argentinos que también pueden mirarlos a los ojos”.
Señaló que aspira a que “cada uno de los 42 millones de argentinos tenga un dirigente adentro y que cuando sienta que aquellos en los que confió y depositó su voto lo traicionaron, tomen su bandera y sean constructores del empoderamiento popular y ciudadano de las libertades y los derechos conseguidos”.

Nanao veloma ny vahoaka ny filoha teo aloha Cristina Fernandez de Kirchner, niresaka tamin'ny vahoaka nitangorona tao amin'ny Plaza de Mayo (Kianjan'ny volana mey). Nangataka tamin'Andriamanitra ramatoa  eo anoloan'ny kianja feno vahoaka fa afaka milaza amin'ny Arzantiniana rehetra ho afaka mijery imaso ihany koa ireo izay mandimby anay tamin'ny alalan'ny [safidim-bahoaka], ao anatin'ny efa-taona.”

Nanonona izany izy tamin'ny fanantenany fa manana mpitarika ao amin'izy ireo ny tsirairay amin'ireo vahoaka 42 tapitrisa ao Arzantina ary rehefa mahatsapa izy ireo fa mamadika azy ireo izay nitokisany sy nofidiany, dia afaka manaisotra ny sainan'izy ireo sy miara miasa ho an'ny fanomezam-bahana ny vahoaka ho an'ny zontsika sy ny fahalalahantsika”

Nanao fianianana [17] tao amin'ny Lapan'ny Kongresy Nasionaly Arzantina [18] ny filoha vaovao, izay hiasa hatramin'ny taona 2019, alohan'ny hifindrana ao amin'ny Casa Rosada mba handray ny samboady sy ny tehin'ny filoham-pirenena avy amin'i Pinedo.

Vao maraimbe, dia nalaza ny tenirohy #Empezamos [19] (Andeha hanomboka):

Mahafinaritra ny mahita ireo sainam-pirenena Arzantiniana eny an-dalana indray

Faly aho fa tsy ny filoha teo aloha izany…! Nanakona ny masoko aho.

“Izao no fotoanan'ny fifampiresahana” ary nametraka fepetra fisorohana hanakanana an'i Cristina Fernandez de Kirchner tsy hanatrika ny lanonana izy ireo

Manana filoha tsy vitany hoe mamaky ny kabariny isika, fa koa ratsy vaky izany.

Manomboka vanim-potoana filoha vaovao isika. Atoa filoha, manantena aho fa hiasa mafy ho anay….vahoaka Arzantiniana ianao

#Mirary Alakamisy mahafinaritra #Andeha-atomboka! Antenaina tahaka izao! :’)

Na ny kaonty ofisialy Twitter-n'i Casa Rosada, mpiantsoroka ny mansion (“villa”) sady biraon'ny filohan'i Arzantina aza nijaly nandritra ny tetezamita. Lasa “tsy ofisialy” indray [29]ny kaonty teo aloha, @CasaRosadaAR rehefa tsy nety niala tamin'izany i Cristina Kirchner. Nanokatra vaovao, @CasaRosada. ny fitantanan'i Macri avy eo.