- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fifaningoran'ny ‘kawaii’ sy ny kolontsaina pelaka Japoney

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tantara, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)
Rune Taito [1]

“Rune Girl” eo amin'ny fonon'ny boky nivoaka tamin'ny taona 1959 “Junior Soleil” (ジュニア それいゆ) gazetiboky novolavolain'i Rune Naito. Pikantsary avy amin'ny YouTube [1].

Voasolotenan'ireo zava-malaza ara-kolontsaina toy ny Hello Kitty [2] an'i Sanrio ka hatramin'ny My Little Pony: Friendship Is Magic [3] an'i Hasbro tafiditra ao anatin'ny kolontsaina manerantany [4] ny tsirinkevitra Japoney ‘kawaii [5]‘, na fahatsarana (mahafatifaty).

Araka ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny gazetiboky Time Out avy ao amin'ny Fanjakana Mitambatra  tamin'ny taona 2017:

[The word ‘kawaii’] joined the league of sushi, samurai and kimono: the word kawaii is now part of the global consciousness, with enthusiasts from Seattle to Stockholm embracing Japan's take on cuteness.

Nanatevin-daharana ny ligin'ny sushi, samurai sy kimono [ny voambolana ‘kawaii’]: tafiditra ao anatin'ny fahatsiarovan-tena maneran-tany ny voambolana kawaii, miaraka amin'ireo olona mientam-po avy any Seattle ka hatrany Stockholm mifamihina amin'ny toeran'i Japana momba ny fahatsarana.

Nanjary tafiditra ao anatin'ny kolontsainan'ny tanora  [6]mahazatra manerana izao tontolo izao ny cosplay na fiakanjoana tahaka ny olona amin'ny tantara an-tsary, ary matetika mifandray amin'ny cosplay [7]. Mampiseho mpilalao ‘kawaii’ Baby Yoda [8] izay lasa malaza be [9] noho ny fahatsarany ilay andian-tantara vaovao amin'ny fahitalavitra, The Mandalorian, mitondra ny lohahevitra Star Wars.

Raha ekena ho toerana nahaterahan'ny ‘fahatsarana’ ankehitriny i Japana, dia nahita ny fiavian'ny ‘kawaii’ sy ny fifandraisany amin'ny kolontsain'ny pelaka kosa ny olona iray tamin'ny andiana sioka vao haingana.

kawaii taipei

‘Kawaii’ ‘EVA Air checkin ao amin'ny seranam-piaramanidina any Taipei Saripikan'i Nevin Thompson.

Nahita ilay Japoney mpamorona sady mpahay sary efa maty Rune Naito [10] ho toy ny mpitaridalana amin'ny “fahatsarana” ao Japana tamin'ny taona 1960 ilay mpisera Twitter Patrick [11], izay manohy ny fianarana ho doktorà ao amin'ny Fianarana Japoney mifantoka amin'ny fikarohana momba ny literatiora sy ny vondrom-piarahamonina pelaka japoney ankehitriny. Notantarain'i Patrick ny fiantombohan'ny asan'i Naito tamin'ny faramparan'ny taompolo 1940, raha namorona ny gazetiboky voalohany taorian'ny ady ho an'ny tovovavy izy.

Teraka tamin'ny taona 1932 i Rune ary nanomboka niasa niaraka tamin'i Nakahara Jun'ichi, iray hafa amin'ny olo-malaza amin'ny tantara shojo. Niara-niasa izy ireo mba hanomboka ny Himawari (Sunflower, 1947-1952) iray amin'ireo gazetiboky voalohany ho an'ny tovovavy taorian'ny ady.

Lasa nalaza be i Rune tamin'ny famolavolana sy fanitsiana lahatsoratra tao amin'ny mpandimby an'ny Himawari, ny Junior Soleil (1954-1960). Junior Soleil no tena niantombohan'ny asan'i Rune, ary lasa fahombiazana goavana ny “Rune Girls”, nanokatra ny asany ho mpandravaka sary sy mpamolavola endrika ho an'ny gazetiboky marobe

Vokatry ny fahombiazany tamin'ny fanaovana sary, dia nanomboka namolavola ny endrika mascot (biby) ho azy manokana i Rune izay nanjary nalaza be ihany koa. Ireo endrika toa an'ny Hello Kitty no be mpahalala ankehitriny eny rehetra eny, saingy nanokatra ny lalana ny endrika Panda an'i Rune, namboarina herintaona talohan'ny Ueno Zoo nahazo ny panda

Mampiseho ohatra maromaro amin'ireo sariolona noforonin'i Rune Naito voapetaka lisansa amin'ny fampiasana azy ara-barotra ny fantsona YouTube [18]iray:

rune taito [1]

Ohatra amin'ireo sary avy amin'i Rune Taito izay efa misy ny lisansa amin'ny fampiasana azy ara-barotra. Pika avy amin'ny YouTube [1].

Notohizan'i Patrick fa nanarona tanteraka ny fandraisany anjara tamin'ny kolontsaina pelaka any Japana ny lova ‘kawaii’ an'i Naito.

Fa ampahany lehibe amin'ny asan'i Rune izay tsy dia resahina firy ny asa nataony ho an'ny gazetiboky Barazoku (1971-2008). Barazoku no gazetiboky voalohany amidy ho an'ny rehetra eny an-tsena natokana ho an'ireo lehilahy voasinton-dehilahy amin'ny resaka fananahana tany Japana, ary Fujita Ryu, sakaizan'i Rune nandritra ny fotoana ela no nandrafitra ny volavolam-ponomboky voalohany.

Taorian'ny tapaky ny taompolo 1980s, dia namazivazy i Rune fa afaka mampiasa ny anarany handravahana ny gazetiboky pelaka izy satria tapitra ny fotoan'ny “firoboroboana” [fiterahana maro]. Nandritra ny androm-piainany sisa izy niara-nonina tamin'ny Fujita, namokatra saribakoly, endrika, famolavolana (design) sary ary fandravahana an-tsary pelaka mandra-pahafatiny tamin'ny taona 2007.

Rehefa maty izy, dia maro ireo mpilaza fodiamandry Japoney nankasitraka azy ho toy ny “mpamorona ny kawaii,” saingy vitsy dia vitsy no nanamarika ny fandraisany anjara tamin'ny kolontsaina ara-maso pelaka any Japana na ny tantarany manokana amin'ny maha olona pelaka azy. Raha ny fahafantarako azy dia tsy misy ihany koa ny loharanom-baovao amin'ny teny anglisy miresaka momba izany.

Nanaovan'i [25] Patrick fehinteny ny randram-baovaony Twitter hoe:

That's why I think it's important that Rune get credit for the totality of his works; not only was he a pioneer of the kawaii aesthetic but with his long term partner, he helped to create an entire visual language and artistic lineage for gay men in Japan.

Izany no antony hiheverako fa zava-dehibe ny fahazoan'i Rune fankasitrahana amin'ny sangan'asany rehetra; tsy vitan'ny hoe mpisava lalana ny hatsaran'ny kawaii izy fa niaraka tamin'ny sakaizany nandritra ny fotoana maharitra koa, no nandraisany anjara hanangana fiteny ara-maso iray manontolo sy fitafy artistika ho an'ireo lehilahy pelaka any Japana.

Ankoatra ny fanokafana lalana ho an'ny kolontsaina pelaka mba hovokarina any Japana ho an'ireo pelaka, dia nanangana sehatra ho an'ny kolontsaina pelaka ihany koa i Rune Naito mba hiditra amin'ny kolontsaina mahazatra. Karazana manga izay mifantoka amin'ny fifandraisana erôtika amin'ny mitovy endri-pananahana ny ‘Yaoi [26]‘, ary novokarin'ny vehivavy  [27]amin'ny ankapobeny ho an'ny vehivavy.

My_Brother's_Husband_v1_cover

Ny fonon'ny boky manga voalohany “Ny [lehilahy] vadin'ny rahalahiko” nosoratan'i Gengoroh Tagame navoakan'i Futabasha. Avy amin'ny Wikimedia [28].

Vao haingana kokoa izay, nanjary lasa fampisehoana mandeha mivantana fahitalavitra ao amin'ny NHK, fampielezantsarim-panjakana ao Japana ilay manga malaza My Brother's Husband [29], miresaka lehilahy pelaka iray avy any Kanada [30] izay nankany Japan taorian'ny fahafatesan'ny vadiny lehilahy japoney.

Tanterahana ao Okazaki, ao afovoan'i Japana amin'izao fotoana izao ka mandrapahatonga ny  13 Janoary 2020 ny fampirantiana [31] ny sanganasan'i Rune Naito.Raha te-hahalala betsaka kokoa amin'ny tantaran'ny ‘kawaii’, niresaka Rune Naito tao amin'ny fampirantiana “fakan'ny Kawaii” tao Tokyo i Sebastian Masuda avy ao amin'ny marika lamaody 6%DOKIDOKI [32].

FANAMARIHANA: Nanome alalana ilay mpisera Twitter Patrick [11] fa azo ampidirina ao amin'ity tantara ity ny siokany.