Rehefa maoske daholo izay jeren'ny mason'ny filoha tiorka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2014)

columbus

Fa inona marina ary no hitan'i Christophe Colomb ? Loharanon'ny sary: Flickr

Tena tsy misy velively fotoana tsy anaovan'ny filoha tiorka Recep Erdoğan fanambaràna manaitaitra. Tsy ela akory izay, nanamafy izy fa ireo miozolmàna mpanao fivahinianana masina fa tsy i Christophe Colomb, no nahita an'i Amerika, ary dia nanosoka hevitra izy ny hananganana maoske ao Kiobà ho fanomezamboninahitra an'izany zavabita izany.

What? Where does he plan to build the mosque again?

Inona hoe? Aiza izany no tiany hanorenana ny maoske-ny? Sary nozaraina betska tao amin'ny Twitter.

Tamin'ny 15 Novambra, raha niresaka tamin'ireo miozolmana amerikàna tatsimo tao Istanbul, M. Erdoğan nanambara hoe:

Mody lazaina fa i Christophe Colomb no nahita ny tanibe Amerika tamin'ny 1492. Ny tena marina, ireo miozolmàna tantsambo no tonga tao amin'ny tanibe amerikàna 314 taona talohany, tamin'ny 1178….ao anatin'ny firaketany, marihan'i Christophe Colomb ny fisian'ny maoske iray teny an-tampon-kavoana ao amin'ny morontsirak'i Kiobà. Mety tsara ery ny mahita maoske iray eo amin'io havoana io amin'izao fotoana izao.

Tao amin'ny Twitter i Oray Eğin, mpamoaka matoandahatsoratra, no nanaporofo hoe taiza ho aiza no mety nifangaro ny zanak'atidohan'i Erdogan :

Mino ilay Erdogan toa tsy mahay na inona na inona fa hoe nahita maoske iray tao Kiobà i Christophe Colomb. Io no zavamisy. [voatsipika mena : “Ny iray tamin'ireo havoana tsinjony dia nisy zavatra tsikoloha iray nampitahainy taminà “maoske iray tsara tarehy” [“una hermosa mesquita”]]

Mazava loatra fa ireo mpanoratra io fanambaràna io dia ireo mpanoratra matoandahatsoratra sy mpanolotsaina azy fatra-mpifikitra amin'ny nentindrazana ary i Erdoğan izy tenany rahateo. Iray amin'ireny olona ireny i Abdurrahman Dilipak. Tamin'ny 1984, izy no nanao ilay asa soratra nitondra ny lohateny hoe Coğrafi Keşiflerin İçyüzü: Ny tena marina momba ireo fahitàna tany vaovao, izay nalaza nandritra ny fotoana iray tany anatin'ireo faribolana miozolmàna sasantsasany.

M. Dilipak nanohy momba ilay zavatra hitan'i M. Erdoğan ao anatin'ity bitsika tamin'ny 17 Novambra ity :

 Talohan'ny nahatongavan'i Colomb tao USA [sic], vehivavy indiàna iray avy tao Istanbul no vadiny !

Tsy niandry ela ireo tiorka mpisera amin'ny aterineto tamin'ny fanesoana ireo tenin'i Erdoğan.

Bobiler, tranonkala tiorka fanaovana sary mahatsikaiky, no avy hatrany dia naka ilay nofinofin'i Erdoğan hanorina maoske ao Kiobà, tamin'ny fanovàna ny filoha tiorka ho i Che Guevara nitsangana tamin'ny maty:

erdogandan_kubaya_cami_yapma_sozu--159976

Iray hafa mpamorona sary mahatsikaiky, İnciCaps, naminany ny ho fihetsik'i La Havane :

"Response from Cuba came quickly"

“Fihetsika avy hatrany avy ao Kiobà”

Ny fikarohana iray ao amin'ny Google momba ilay lohahevitra dia ahazoana fomba filaza hafa somary mandokandoka an'ilay toerian'ny filoha.

Ho famarànana, nentin'ireo mpisera amin'ny aterineto hanaka-danitra ireo hadalàna manantantara nataon'ny filoha tiorka :

neil armstrongEto, Neil Armstrong manoratra amin'ny tantaram-piainany hoe :

Rehefa manana ny aluni isika, hitantsika ireo fatin-korontan'ny trano be iray mahafinaritra. Gaga izahay sy Buzz Aldrin rehefa nanatona ireo fatin-korontana. Maoske ‘ottomane’ kely iray ilay izy, fanorenana iray  mifampidimpiditra. Rehefa tafaverina tety an-tany, nodidian'ny NASA sy ny governemanta amerikàna izahay tsy hiresaka momba izany…
Neil Armstrong – Autobiographie, 1997.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.