- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tchad: Fikambanan'ireo mpitantara angano “titimé titimé” , manampy ny ankizy handray fitenenana

Sokajy: Afrika Mainty, Tchad, Fiteny, Haisoratra, Mediam-bahoaka, Tanora, Tantara, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2014)

Les conteurs du Tchad CC-BY-20 [1]

Ireo mpitantara angano ao Tchad CC-BY-20

Alain Djimassal no manazava [2] ao amin'ny bilaoginy  “Visages du Tchad”  (Endrik'i Tchad) ny hetsika santatra iray tsy mbola nisy toa azy ataonà andian-tanora ao Tchad.  Amin'ny alàlan'ireo angano, katsahan'ilay hetsika nomena ny anarana hoe cocotiti (fikambanan'ireo mpitantara angano titimé titimé) ny hanaitra ireo ankizy mba handray fitenenana imasombahoaka amin'ny fampiasàna ny tenindreniny. Hoy ny nosoratany:

« Titimé titimé », na angano amin'ny tenin'ny ao Tchad, dia hetsika iray teraka avy amin'ny fahavononan'ny lehilahy iray, Keïbar Toïngar Natar, malaza amin'ny fitantaràna angano any Frantsa, efa nodimandry ankehitriny. Nalefan'ny Ivontoerana Frantsay ao Tchad hankao N’Djamena izy tamin'ny 2012 mba hampanao atrikasa iray fitantarana angano niarahana tamin'ny tanora. Tamin'ny fiafaràn'ilay atrikasa, torohevitra nomen'ilay mpitantara ho an'ireo tanora nisitraka izany ny tokony hananganan-dry zareo fikambanana. Ny nitenenana azy no ela dia tafatsangana. Ilay fikambanana tafajoro avy amin'izany dia nametraka tanjona mampitsiriritra : hampianatra ny ankizy ny momba ny angano, ny tantaran'ny fiarahamonina, ny an'ny vohitra, ny an'ny olona ao Tchad ary avy amin'izany, ny faka nipoirany. Vetivety foana, nitondra firehetampo ny Cocotiti ary nahazo toerana teo ambany fiahian'ireo vitsivitsy sangany tamin'ilay sehatra, toa an'i : Guedim Djimbaye antsoina hoe Razolo, tale ara-javakanto, mpitantara, mpandrindra soradihy, mpandihy ary maro hafa koa. Ka lasa isaky ny Alarobia, misokatra ho azy ireo ny varavaran'ny ivontoerana frantsay , tsy adino ireo fàfana ijerena ny fahitalavitra nasiônaly ao Tchad, lasa tendankanina amin'ny resaka angano sy ankamantatra aroson'ilay fikambanana, ho fahafinaretan'ireo mpijery.