- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Any amin'ny kilaometatra maro no misy ny Ebola, any Kazakhstan no msy mpahay siansa mampanantena vaksiny

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Kyrgyzstan, Ozbekistan, Tajikistan, Tiorkmenistana, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vonjy Voina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2014)

ebola

Viriosy Ebola jerena amin'ny fanitajery eletronika. Sary tao amin'ny Flickr an'i  NIAID. CC BY 2.0.

Tamin'ireo fanehoankevitra rehetra tao Azia Afovoany momba ny Ebola tato anatin'ny volana vitsivitsy, ny hafahafa indrindra dia azo antoka fa ilay fanambaràna nataon'ireo kazakhs mpahay siansa momba ny tetikasan-dry zareo hamokatra ny vaksiny azy ireo manokana hiadiana amin'io aretina io.

Na dia kilaometatra maro aza no misy an'i Afrika Andrefana, toerana nipoiran'ilay valanaretina, noresahana be tao amin'ilay faritra manontolo ny viriosy Ebola. Mahasarotiny an'i  Ouzbékistan [1] ny resaka fahatoniana sy fiarovana ka naleony nanakana ireo atleta avy aminà firenena dimy ao Afrika Andrefana tsy handray anjara amin'ireo hetsika ara-panatanjahantena iraisampirenena, ary nametraka [2] teny amin'ireo seranampiaramanidina rehetra ao aminy ny fitaovana fitsirihana, isan'ireny ny “caméras thermiques” (kamerà mijery ny hafanàn'ny vatana). Nanao izay haha-maoderina ny seranamparamanidiny ihany koa i Kirghizistan [3], ary any Tadjikistan, niteraka [4] fidinana be tamin'ny varotra akondro ireo vaovao momba ny viriosy, hatramin'ny nisian'ireo SMS taitaitra nampitandrina hoe afaka mampita ilay aretina io voankazo io. Nitranga io na dia nisy aza ny fanamafisana [5] nataon'ireo mpahay siansa fa tsy mifindra avy amin'ny alàlan'ny ankamaroan'ireo sakafo ny aretina Ebola, sy ny zavamisy hoe na iray aza, tsy misy avy any Afrika Andrefana ny akondro amidy ao Tadjikistan, raha raisina [4] ny voalazan'ny sampandraharahan'ny fadintseranana.

Anatin'io fahatahorana fatratra io, mety ho ohatra iray amin'ny fisainana miabo ny nanambaràn'ireo mpahay siansa ao  Kazakhstan hoe ao anatin'ny fotoana fohy dia azon'ny fireneny atao ny mamokatra vaksiny hiadiana amin'ny Ebola. Saingy nanamontsamontsana izay fidedadedahana izay [6] ireo kazakhs mpisera amin'ny aterineto.

Tsymalaza amin'ny resaka fialohavana làlana amin'ny siansan'ny fitsaboana ilay firenena, ary ny rafitra fahasalamambahoaka ao aminy, na tsara kokoa noho ireo mifanolo-bodirindrina aminy aza, dia mbola mandalo olana goavana marobe.

Izany tsy nahasakana ny Tale jeneralin'ny Ivontoerana kazakh fikarohana momba ny fiarovana biolojika, Abylaï Sansyzbaï, hilaza ny fahatokisany, na tsy misy aza ny laboratoara ambaratonga faha-4 amin'ny resaka fiarovana biolojika, araka izay takian'ny OMS (Fikambanana Iraisampirenena momba ny Fahasalamàna) mba ho entina manomboka farafaharatsiny miasa momba ny viriosy Ebola, sy hoe ny ekipany dia mahavita mamokatra vaksiny iray.

Если мы от ВОЗ получим новый штамм Эболы, мы можем у себя потихоньку начать работу в лаборатории третьего уровня безопасности. Для этого должна приехать комиссия, рассмотреть условия

Raha mahazo fotony (souche) vaovao amin'ny Ebola avy amin'ny OMS izahay, dia ho afaka manomboka moramora miasa anaty laboratoara ambaratonga fahatelo. Ho amin'izany, tsy maintsy asiana kaomisiôna tonga manamarina ny fotodrafitrasa aty aminay.

Tondraky ny tsy finoana tao amin'ny Tengrinews.kz, toerana nivoahan'ilay lahatsoratra :

Видимо директор не знает о гибели наших граждан от неправильного диагноза в наших больницах!!!! Может сначала научиться там, а потом эбола….

Tahaka ny tsy fantatry ny tale [ao amin'ny ivontoerana fikarohana] ny fahafatesan'ireo mpiray tanindrazana amintsika noho ny hadisoana tamin'ny fitsirihana tany amin'ireo hôpitaly eto an-toerana  !!!! Izany angamba aloha no mila halalinina, avy eo, ny  Ebola…

Iray hafa mpampiasa aterineto, Kot-kotik, naneho hevitra hoe [6] :

ВОЗ, умоляю, – не давайте нашим псевдоучённым штамм Эбола!!!! Они то то с “сонной болезнью” в Калачах разобраться не могут, это как детям – нельзя давать опасные игрушки!

Ry OMS, miangavy anareo aho, aza omena an'izany fototra Ebola izany ireo sarintsarinà manampahaizana aty aminay !!!! Tsy vitan'izy ireo ny miatrika ny “aretin'ny torimaso” [7] ao Kalachi [vohitra iray ao Kazakhstan] ; ary toy ny ankizy tsy azo omena  kilalao mitera-doza!

Iray tamin'ireo mpamaky vitsy mba nifampizara ny fahatokisan'i Sansyzbaï i Tauly :

Не надо ребята. это не шутки, этому институту более 80 лет.Поэтомувполне возможно создание.Самый сильный институт Снг или может в мире.поэтому я верю

Aza dia masiaka loatra zalahy a. Tsy resaka sangisangy izy ity, efa mba 80 taona mahery ilay ivontoerana. Araka izany dia mety ho azo tanterahina ihany. Io no ivontoerana matanjaka indrindra ananan'ny CEI [8] [Vondrompiarahamonin'ireo Fanjakana Mahaleotena], na eto an-tany mihitsy. Mino izany aho.

Albina tsy dia resy lahatra :

От этой новости я чуть со смеху не умерла,не дожидаясь эболы. Наши. Могут. Создать. Вакцину.??? Что за брееееед.

Saika matin'ny hehy aho nandre ilay vaovao, fa tsy mba noho ny Ebola.
Ireo. Mpahay. Siansa. Eto. Amintsika. Afaka. Mamorona. Vaksiny. hoe? Inona ity hagaigena ity?