
Sary niely haingana tao amin'ny media sosialy shinoa.
Niteraka trerona tao amin'ny media sosialy shinoa, hatramin'ny 8 desambra lasa teo, ny sary iray mampiseho ireo ekipa mpikambana ao amin'ny tranomboky iray ao Gansu.
Nivoaka tao amin'ny tranonkalan'ny tranombokin'ny kaominina Zhengyuan ao amin'ny faritanin'i Gansu ny sary tamin'ny 23 Oktobra ary nahitana filazana fa ny hetsika dia “mampihatra feno ny anjara toerana lehibe ananan'ny tranomboky amin'ny fampielezana ny ideolojia amin'ny fiarahamonina”. Nivoaka voalohany sy nandehandeha tamin'ny sehatra media sosialy shinoa ny vaovao, ao anatin'izany ny WeChat sy Weibo ary taty aoriana nalain'ireo seha-baovao shinoa ampitandranomasina mialoha ny nianahany haingana an-tserasera. Nesorina ny pejin'ny tranomboky rehefa betsaka ireo fanehoan-kevitra nitsikera.
Izao fandoroam-boky izao dia setriny avy amin'ireo lehiben'antoko eny ifotony amin'ny tondrozotra ara-pitantanam-panjakana navoakan'ny Minisiteran'ny Fanabeazana tamin'ny 15 Oktobra. Nangatahan'ny minisitera ny tranombokin'ny sekoly fanabeazana fototra sy ambaratonga voalohany rehetra fa tokony avahany ireo boky manimba ny tombontsoam-pirenena, manimba ny kolontsaina shinoa ary manimba ny soatoavina fototra sosialista.
Efa fenitra ny tolona ara-potokevitra ao Shina ary mahafantatra ny rehetra fa mandalo sivana avokoa ny filma, boky, TV drama, vaovao ary torohay rehetra. Na izany aza, ilay hetsika mandoro boky ankarihary eo anoloan'ny tranomboky dia mampahatsiahy amin'ny vahoaka ny hetsika fahiny tsimifaditrovana “mandoro boky sy mandevina mpampianatra ambony” nandritra ny fitohizan-taranaka Qin.
Eny fa na dia teo amin'ireo seha-baovao miankina amin'ny fanjakana shinoa aza dia niteraka fifanoheran-kevitra izao hetsika fandoroana boky izao. Nisy lahatsoratra fanehoan-kevitra iray mandeha ao amin'ny Beijing News [Vaovaon'i Beijing] miantso ny hanaovana famotorana amin'izao toe-javatra izao amin'ny filazana fa “Ny fomba hikirakiran'ny fiarahamonina ny boky no fihetsiny manoloana ny fahalalàna sy ny sivilizasiona.” Saingy najanona haingana ny fanehoan-kevitra ary nesorina an-tserasera rehefa nampanginina ny adihevitra mifandraika taminy.
Mandray izao toe-javatra izao ho marika hafa amin'ny tsirefesimandidy shinoa ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra ivelan'i Shina. Ohatra, Naneho ny heviny tao amin'ny Twitter ny Senateran'i Etazonia Marco Rubio:
Nothing says authoritarian like a good old fashioned book burning. #China
— Marco Rubio (@marcorubio) December 10, 2019
Tsy misy zavatra milaza tsirefesimandidy tahaka ilay lamaody tsara fahiny mandoro boky.
Ho an'ireo manampahaizana miaina ao Shina, lalina kokoa ny hetsika ara-politika fandoroana araka izay asehony amin'ny tsy fisalasalàna nataon'ny sampan'ny Antoko Komonista Shinoa mandray ny jadona. Mijery ny sariohatry ny fahaombiazana ara-politika ilay Shinoa mpanora-gazety Micheal Anti:
现在的年轻人是不是不知道焚书这个动作不仅仅是不环保的,而且是有历史象征意义的?几乎所有的电影,一想表达独裁,就上焚书镜头,然后镜头转向群众的的愤怒、知识人的泪水和握紧的拳头。不管是二战片还是中国的民国片都这样。焚书不仅仅代表言论压制,而且代表我就烧给你看你能如何的公开狂傲。
— Michael Anti (@mranti) December 8, 2019
Ahoana moa no iresahan'ny tanora ny fiantraikany ara-tontolo iainana fotsiny amin'ny fandoroana boky? Fa tsy mbola nahafantatra ny sariohatra ara-tantera navelan'ny “fandoroana boky sy fandevenana mpampianatra ambony” ve ry zareo? Na oviana na oviana ny filma no te-hamaripaitra mpanao didijadona iray, dia hivoaka ny fandoroana boky ary hahitana fahatezerana, ranomaso ary fahadisoam-panantenana amin'ireo mpijery. Tsy endrika famoretana ny fanehoan-kevitra ihany ny fandoroana boky. Zavabita ara-politika izany ho an'ny olona mba hananana fijery tsara ao amin'io.
@jiongnasen niresaka ny fiantraikany ara-politika amin'izany hetsika izany:
烧书显然无法完全阻止真相和思想的传播,GFW也从来没能完全阻止访问互联网。但千万不要因此就觉得滑稽。
思想控制的目标从来就不是,或者不需要是,控制100%的人。
只需要控制足够多数就可以随时对任意的“一小撮”进行检举批斗乃至肉体消灭了。
这“一小撮”是地主、资本家、右派还是绿绿,全看党的心情。— 约拿坦 (@jiongnasen) December 9, 2019
Mazava loatra fa tsy afa-mampihena ny fahalalaham-pisainana ry zareo amin'ny fandoroana boky. Tahaka ny tsy ahafahan'ny Manda Aroafo manakana ny olona tsy hitsidika ny aterineto malalaka. Saingy tsy sangisangy. Tsy ny hametraka ny olona 100% ho ao ambany fanarahamaso no tanjon'ny fanarahamaso [fifehezana] ny fisainana. Rehefa mahafehy olona betsabetsaka amin'ny vahoaka ry zareo, dia afa-mitory na mamono olona vitsy an'isa. Ny Antoko Komonista Shinoa [AKS] no manana ny teny amin'ny hoe tompontany (midadasika) na kapitalista na Kavanana na Maitso ny “vitsy an'isa”.
Niverimberina tao amin'ny tantaram-pirenena shinoa ny hetsika “fandoroana boky sy fandevenana mpampianatra ambony” ary olona maro no manombana mialoha ny fiavian'ny andro maizina:
秦始皇第一次焚书坑儒,第二次是反右,毛贼狂言秦始皇坑儒才区区四百六十个,我们一个反右也不止四万六千个!
第三次是文革,被迫害的知识分子不计其数。
现在习包子,这次焚书与他反动思想有关,这人没文化没教养,偷偷追随毛泽东,可见他心理阴暗。这人掌权是中国的悲哀,他给中国制造祸害刚刚开始。— 哈拉宾斯基 (@Ff28BXn2Q9m0Vbw) December 9, 2019
Nanomboka tamin'ny Fitohizan-taranaka Qin ny “fandoroana boky sy fandevenana mpampianatra ambony”. [Amin'ny vanim-potoana ankehitriny amin'ny tantaram-pirenena shinoa] nanenjehana manampahaizana an'arivony ny fanentanana anti-kavananista. Ihomehezan'i Mao [ireo mpitarika AKS taloha] ny Amperora Qin amin'ny fandevenana manampahaizana ambony 460, mihoatra ny 46000 no vitan'ny fanentanana anti-kavananista [naotin'ny tonia: mihoatra ny dimy hetsy ny manampahaizana nenjehina nandritra ny fanentanana anti-kavananista]. Ny andiany fahatelo amin'izany dia ny Revolisiona Ara-kolontsaina, tsy voaisa ireo manampahaizana nenjehina. Ankehitriny i Bun Xi [naotin'ny tonia: ny filoha shinoa Xi Jinping] no ao ambadiky ny andiany vaovao amin'ny “fandoroana boky sy fandevenana mpampianatra ambony”. Tsy nobeazina ara-kolontsaina io olona io ary manaraka akaiky an'i Mao Zedong. Mampalahelo ny mahita azy mifehy an'i Shina. Hitondra voina ho an'ny firenena io.
Izao fandoroam-boky izao dia setriny avy amin'ireo lehiben'antoko eny ifotony amin'ny tondrozotra ara-pitantanam-panjakana navoakan'ny Minisiteran'ny Fanabeazana tamin'ny 15 Oktobra. Nangatahan'ny minisitera ny tranombokin'ny sekoly fanabeazana fototra sy ambaratonga voalohany rehetra fa tokony avahany ireo boky manimba ny tombontsoam-pirenena, manimba ny kolontsaina shinoa ary manimba ny soatoavina fototra sosialista.