- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zazavavy 11 taona nanomboka fanangonantsonia fitakiana ny fialàn'ny filoha meksikàna

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona
Captura de pantalla de la campaña Personas que quieren la renuncia de Peña Nieto en la plataforma Change.org [1]

Pikantsarin'ny sonian'ireo olona maniry ny hametrahan'i Peña Nieto fialàna, fanentanana natao tao amin'ny sehatra Change.org.

Tsy voatokana ho an'ny tanora sy ny lehibe irery ihany ny fikatrohana politika. Noporofoin'i Sofia izany, zazavavy kely 11 taona nanapaka hevitra ny hanangona sonia mitaky ny fametraham-pialàn'ny filohan'ny fireneny, Enrique Peña Nieto. Ireto ny antony arosony.

Peña Nieto no le ha respondido como se debe a los familiares de los estudiantes desaparecidos [2], se fue a China y tiene una casa de 80 millones [3] de pesos.

Tsy novalian'i Peña Nieto araka ny tokony ho izy ny fanontanian'ny fianakavian'ireo mpianatra nanjavona, lasa izy nankany Shina, toerana ananany trano iray mitentina 80 tapitrisa pesos (5,88 dolara eo ho eo)

Niteraka fanehoankevitra miabo marobe ity hetsika santatra nataony ity. Ohatra, Ny sasany nanapaka hevitra ny hanao sonia mba hanaporofoana amin'i Sofia sy ireo ankizy meksikàna hafa (ary hatramin'ireo olondehibe aza) fa mbola azo atao tsara ny manana firenena tsara kokoa, ary ho fampahatsiahivana ireo eo amin'ny fitantanana fa ny vahoaka no nametraka azy ireo teo ary azon'ny vahoaka atao ny manaisotra azy ireo eo. Hoy ny renin'i Sofia:

Yo no tengo idea de cómo se destituye a un presidente. Pero ojalá pueda de verdad llevar esas hojas a alguna parte que ayude a Sofía a sentir que su esfuerzo vale la pena, que lo intentamos a toda costa. Fui incapaz de decirle que no lo hiciera, que era casi imposible. No puedo cortarle las alas. Esta generación viene con fuerza, con fe y determinación, y con un concepto de lo que es decente y justo que ya quisieran muchos para un fin de semana.

Tsy haiko ny hoe fomba ahoana no hanaisorana filoha iray. Saingy, antenaiko fa azo atao ny mandefa ireny taratasy ireny any ho any mba hahatsapan'i Sofia fa nilaina ilay ezaka nataony, ary dia nandramanay tamin'ny fomba rehetra. Tsy vitako ny nanakana azy tsy hanao izany, satria tena azo noeritreretina ihany ny hahatanterahany. Tsy azoko tapahana ny elany. Feno hery ombam-pinoana sy fahavononana ity andian-taranaka ity, ary miaraka amin'ny fotokevitry ny atao hoe mendrika, zavatra iray izay irian'ny rehetra ho azo mandritry ny faran'ny herinandro iray

Napetraka tao amin'ny [1] Change.org ilay fanangonantsonia ary efa nahazo 10.500  sahady tamin'ny fotoana nivoahan'ity lahatsoratra ity tamin'ny teny anglisy.