Hira hala-tahaka mahatsiaro ireo Eoropeana Tatsinanana mpiady tamin'ny Adin'ny Britanika nandritra ny Ady Lehibe Faharoa

Sary natambatra misy ilay mpanamorin'ny RAF Josef František, Stanislav Fejfar and Douglas Bader. Azon'ny rehetra ampiasaina, via Wikipedia.

Manao hala-tahaka hira pop malaza izay manampy mampiditra fahalalana ankapobeny amin'ny zava-nitranga ara-tantara ilay andian-tantara fampianarana Britanika amin'ny fahitalavitra “Horrible Histories” ao amin'ny BBC. Mifototra amin'ny andaiamboky boky voaravaka maromaro, azo jerena amin'ny aterineto ny lahatsary.

Antsoina hoe  “RAF Pilot Song” ny iray amin'ireo lahatsary. Maka tahaka ny hira malazan’ ilay boy-band Britanika, Take That “Relight my Fire”, mitantara ny tantaran'ny  Adin'i Angletera izany, izay mpanamory fiaramanidina teo amin'ny 3000 ao amin'ny Royal Air Forces, miaraka amin'ny fanampian'ny ekipa an-tanety sy ny teknolojia radar vao avy namboarina no nanakana ny fanafihan'ny Nazi ny Vondro-nosy Britanika.

Nosoloina indray hoe “The Few” ny lahatsary navoaka tamin'ny taona 2012 ho fanondroana ny kabary malazan'ny Praiminisitra Britanika Winston Churchill tamin'izany fotoana izany, izay nilaza hoe, “Tsy misy mbola nisy teo amin'ny adin'ny olombelona, ny be anaovan'ny marobe adidy ho an'ny vitsy dia vitsy.”

Hold fire! Is that some foreign chaps
Risking their necks?
That’s right, some of the bravest men
Were Polish & Czech!

Tazomy ny afo! Lehilahy namana vahiny sasany ve izany
Manao sorona ny tendany?
Marina izany, ireo lehilahy mahery fo sasany
Poloney sy Tseky izy ireo!

Miresaka ireo zava-misy tsy dia fantatra momba ny ady ilay hira, ady izay naharitra efa-bolana tamin'ny taona 1940, tahaka ny fandraisan'ireo mpanamory izay nandositra an'i Eoropa Atsinanana nobodoin'ny Nazi anjara tamin'izany.

The song addresses lesser-known facts about the battle, which lasted for four months in 1940, such as the participation of pilots who had escaped Nazi-occupied Eastern Europe.

Manondro mivantana ireo mpanamory roa ny hira: i Josef František (1914-1940), izay niady tamin'ny nazis tao amin'ny tafika an'habakabaka tany TshekoslaovakiaPoloninaFrantsa ary avy eo Fanjakana Mitambatra. Izy no mpiara-dia tsy britanika tsara toerana indrindra tamin'ny Adin'i Angletera, niaraka tamin'ny fandresena voamarina miisa 17 ary iray azo inoana, azo tao anatin'ny efatra herinandro tamin'ny volana septembra 1940 ireo fandresena rehetra ireo.

Voatonona ihany koa ny anaran'ilay kapitenin'ny RAF, Stanislav Fejfar (1912-1942), izay niasa voalohany tao amin'ny tafika  an'habakabaka tao amin'ny tanindrazany Tshekoslaovakia. Rehefa resy teo anoloan'ny Wehrmacht ny fireneny, dia nandositra izy, ka niasa tao amin'ny tafika Frantsay tamin'ny taona 1939 ary avy eo tany Fanjakana Mitambatra (Royaume-Uni).

Nilaza ny kaomandin'ny RAF, George Blackwood, izay nahazo loka tamin'ny Vokovoko Miaramila Tsheky fa raha tsy nisy ny fanampian'ny miaramila Eoropeana Tatsinanana, dia resy tamin'ny adin'i Angleterre ny RAF. Any amin'ny firenena niavian'izy ireo, mariky ny rehareha ny fanampian'ireo mpiady ireo ary nankalazaina tany amin'ny tranombakoka, boky sy tantara an-tsary.

Ny fizarana faharoa amin'ilay hira dia milaza ny tantaran'ilay mpiady Britanika  Douglas Bader (1910-1982), izay notondroina hoe “Binky” (nanana anaram-bositra hafahafa ireo mpanamory). Na dia tapaka aza ny tongony roa taorian'ny fianjerana fiaramanidina tamin'ny taona 1931, dia nanatevin-daharana ny RAF izy taorian'ny fipoahan'ny Ady Lehibe Faharoa tamin'ny taona 1939. Nahazo fandresena an'habakabaka 22 izy, fandresena efatra nifampizaràna, enina azo inoana ary iray nifampizaràna azo inoana ary fiaramanidina 11 an'ny fahavalo no nosimbainy.

19 taona ny ankamaroan'ireo mpanamory tamin'ny Adin'i Angletera izay niditra ny cockpit avy hatrany taorian'ny fianarana lisea. Niteraka voina maherin'ny 1.500 tao amin'ny RAF ny ady ary 2500 mahery no maty, maherinny 1000 ireo ekipa mpanamory voasambotra, tany amin'ny Luftwaffe Alemà. Sivily Britanika efa ho 15 000 no maty ary maherin'ny 20 000 no naratra an-tanety.

Tamin'ny volana Aogositra 2019, mpikambana roa tao amin'ny “The Few” no namoy ny ainy: ilay mpanamory lohalaharana Archie McInnes, maty ora vitsy taorian'ny faha-100 taonany, sy ilay Kanadiana lehiben'ny andian-tafika John Hart, maty teo amin'ny faha-102 taonany. Ireo mpikambana efatra farany niangana dia ny kapitenin'ny Fanamoriana William Clark, ny lietnàn'ny fanamoriana John Hemingway, ny kaomandin'ny andian-tafika Paul Farnes ary ny lietnàn'ny fanamoriana Maurice Mounsdon.

Amin'ny fo mavesatra sy alahelo tsy mampino no nandrenesana ny voina tsy mampino fa namoy ny ainy omaly alina ilay mahery fo tamin'ny Adin'i Angletera, Archie McInnes, ora vitsy monja taorian'ny fankalazana ny faha-100 taonany teo anivon'ireo namana sy fianakaviana. Lehilahy nanome aingam-panahy sy maherifo – mandria am-piadanana ry namana Archie ?

Matetika voalaza amin'ny kolontsaina pop ny Adin'i Angletera, miaraka amin'ny hira mavesatra “Aces high”, hiran'ny tarika Iron Maiden izay azo antoka fa ohatra malaza indrindra. ity hira klasika 1984 ity dia mampiseho ny fomba fiteny malaza hafa an'i Churchill tamin'ny taona 1940 hoe: “Hiady eny amoron-dranomasina isika -We shall fight on the beaches”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.