- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampiavaka an'i Japàna ve ilay toerana miringiringy natao ho fitaingenana bisikileta mitety valanjavaboary?

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Hehy, Mediam-bahoaka, Tsidika

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2014)

seto ohashi

Ilay Tetezana Goavana Seto, ao atsimon'i Takamatsu, nosy Shikoku. Sary: Nevin Thompson.

Raha mitady fahatazànana mila hanapaka aina ianao, ary tsy sarotim-panina, ilainao ny mandalo ao amin'ny “Sky Cycle” (bisikilety miety lanitra), ao amin'ny prefektioran'i Okayama, faritra voajanahary breziliàna Washuzan Highlands [tendrombohitra avon'i Washuzan] [1].

Tsy ela akory izay dia nivoaka tao amin'ny Twitter ireo sary avy amin'ilay fitetezana ,toy ity sary mahazendana eto ambany ity ahitàna olona roa mivoy bisikileta kambana eo amin'ny lalamby mihantona eo ambonin'ilay valanjavaboary.

fitazanana avy any amin'ilay faritra natao hitaingenana bisikilety ao amin'ny valanjavaboary breziliàna Washuzan Highland [2] ao Okayama : pic.twitter.com/5JBIgCyUgd [3]

Washuzan dia any amin'ny tendro avaratra amin'ilay Tetezana Goavana Seto [5], fotodrafitrasa iray midadasika be mivelatra ao amin'ny ranomasina anatiny ao Japàna ary mampitohy ny nosy Honshu ao avaratra amin'ny nosy Shikoku ao atsimo. Tena zava-mampitolagaga amin'ny resaka injenieria ilay tetezana mirefy 13 kilaometatra eo ambony ranomasina.

Toerana iray mahafinaritra ihany koa ilay tetezana, izay manamarina tsara mihitsy ny fametrahana valanjavaboary natao hisarihana sy ho toy ny teboka amaharany.

Ilay fiakarana mideza, ilay fitetezana somary mampangitangitaka, miaraka amin'ilay fitazànana mahafinaritra avy eny, dia mitambatra ho toy ny zezika tonga lafatra ho an'ny fahitalavitra japoney hanaovany ny fandaharany voalohany amin'ilay fotoana mahabe ny mpijery iny:

Maribolana: Ilay fitetezana ny lanitra mampangitangitaka ao Washuzan

Na somary manjavozavo aza ny fifandraisana misy ao amin'i Brezila sy ilay toerana (indrindra fa ny nanomezana anarana azy), zavadehibe ny manamarika hoe betsaka ireo Breziliàna manana razambe Japoney no noraisina hiasa any amin'ireo faritra indostrialy ao amin'ny manodidina. [6]

Manana kijàna fialamboly midadasika be mahasarika ny ambanivotra any Japàna; maro amin'izy ireny no manana fiantso ara-poko, izay niainga hatrany amin'ireo vanimpotoanan'ny fialàna sarona tany amin'io faritra io. Zavatra vaovao ho an'ireo Japoney tamin'izany andro izany ny fivahinianana any amin'ny lafivalon'ny tany,  ary ireo vala natao ho fisarihana manaraka ny fenitra ara-poko dia maneho kolontsaina vahiny tsy ilàna akory fandaniana vola mba handeha hivoaka any ivelany.

Ny faritra mihataka ao Niigata, ohatra, tany aloha dia nampiantrano ny vohitra ara-kolontsaina tiorka Kashiwazaki [7]. Tamin'izany fotoana izany ihany, ireo olona nitsidika an'i Nagasaki tany amin'ny tendrony andrefan'i Japàna dia afaka nitsidika valanjavaboary fisarihana iray feno ireo hàla-tàhaka mitovy habe amin'ny tena izy tamin'ireo tranoben'ny harembakoka holandey [8].

Mahazatra any Japàna ihany koa ny mamorona valanjavaboary fisarihana eny akaikin'ireo toeram-pahatsiarovana ao amin'ny firenena, toy ny Tetezana Gaovana ao Seto. Na ny Tendrombohitra Fuji aza dia manana ny vala, Fuji-Q Highland [9], azy manokana. Ao ireo tia zavatra mampiakatrakatra tosidra no afaka milalao amin'ireo fidinambe ao amin'ny Tendrombohitra Fiji sy mizaka ny herin'ny fisintonan'ny tany rehefa mitaingina ireo antsoina hoe “montagnes russes” ao amin'ilay valanjavaboary.

Vitanay ny Fuji-Q!

@tamiho_29

Na izany aza toa resin'ilay valanjavaboary breziliàna ao amin'ny prefektioran'i Okayama ny zavabita rehetra. Faritan'ireo japoney mpisera amin'ny aterineto ho tena hafahafa indrindra eto an-tany raha samy valanjavaboary [12].