Natao tany Goatemala ny volana Oktobra 2019 ny Fetiben'ny fiteny Indizeny amin'ny Aterineto (FLLII2019) ary nokarakarain'ny fivondronan'ireto fikambanana manaraka ireto: Oniversite Kaqchikel Maya, Kaqchikel Wikiwuj, Rising Voices, Foibe Ara-kolontsaina ao Espaina, ny Orina Mpanasoa Avina, ny Unesco any Goatemala , Deutsche Welle Akademie sy ny Federasion'ny Sekoly Goatemalteka Radiofónicas (FGER).
Ireto manaraka ireto ny sasany tamin'ireo sary nalain'i Uskam Felix Camey, mpikambana ao amin'ny Fivondronan'ny Mpikambana.
Fihaonan'ireo Mpikatroka Nomerika ho an'ny Fiteny Indizeny. Saripikan'i Uskam Felix Camey (CC BY-NC-SA 4.0)
Raha te hijery ny seho feno mitondra ny lohateny hoe “Nimaq'ij Abya Yala ruma ri Ach-‘amaq ‘Ch’ab’äl pa K’amaya'l“, tsidiho ny rakitsary manaraka ao amin'ny Google Photos. Azo alaina avokoa ny sary rehetra araka ny lisansa Creative Commons Attribution-NonCommercial-Share Alike 4.0 International.