- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tian'ireo shinoa manampahefana omena valisoa izay mpisera anaty aterineto ka manapariaka “vaovao tsara”

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, GV Mpisolovava

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Desambra 2015)

"Répandre de l'énergie positive pour construire le China Dream" est une stratégie de propagande sous la présidence de M. Xi Jinping. Image de ligne tupi générateur de bannière. [1]

Paika faneleznaa hevitra teo ambany fitarihan'ny filoha M.Xi Jinping ny “Manapariaka angovo miabo mba hanorenana ilay Nofinofin'i Shina” . Sary an'ny tupi , mpamorona sorabaventy.

Hatramin'ny 2014, lasa paika fampielezankevitra mafonja [2] nasain'ny filoha shinoa Xi Jinping tanterahana ny  “fanapariahana angovo miabo eny anivon'ny fiarahamonina”. Amin'izao fotoana izao dia an-tapitrisa ireo “mpirotsaka an-tsitrapo ho an'ny sivilizasiôna” hita ao anaty tranonkala shinoa mba hamoaka hafatra feno firahalahiana avy amin'ny Antoko Kaominista shinoa.

Saingy tsy mahafaka firy ireo angovo miabo alefa raha mitaha amin'ireo vaovao mahakivy izay mibahan-toerana eny anivon'ireo lohateny vaventy, toy ilay zavona feno poizina [3] [fr] izay nandrakotra an'i Beijing sy ampahany sasantsasany tamin'ny ilany avaratr'i Shina.

Mba hiadiana amin'izany, entanin'i M. Jiang Jun, mpitondratenin'ny biraon'ny fampielezambaovao amin'ny Aterineto an'ny fanjakàna shinoa, ireo orinasa miasa amin'ny sehatry ny teknolojian'ny fampahalalambaovao sy ny aterineto mba hanokana ampahany amin'ny volan-dry zareo ho amin'ny asa fitiava-namana hatolotra ireo “manapariaka vaovao tsara”

Nandritra ny fihaonana iray niarahana tamin'ny faran'ny Novambra, izay natrehan'ireo goavan'ny vavahadin-tserasera, ireo tranonkalam-baovao sy ireo orinasa ety anaty aterineto toy ny Alibaba, Baidu sy Sina, dia nokianin'i M. Jiang ireo mpisehatra noho ny tsy fahampian'ny fanohanan-dry zareo an'io asa fitiava-namana io. Deer Murmur”, bilaogera iray ao amin'ny tranonkala watching.cn [4] araka izany no namerina amin'ny fomba fiteniny sy nitanisa an'io sosokevitr'i M. Jiang io:

互联网不但是信息集散地,也是知识集散地,也越来越多地成为商品和服务的集散地,同时,它也是大众情绪集散地,这其中,就有戾气、怨气。怎样平复呢?比如,可以通过公益活动,“让网民存善念、发善贴、行善事、助善行,有的国外的网站仅仅是转发一个善行的帖子就奖励,转发就会给予补贴。” […] 我们要打扶贫攻坚战,现在网民有多少呢?有6亿多,没有脱贫的人有七千多万,比例差不多是九个网民对一个穷人,我们希望理想的结果是:让九个网民来帮助一个穷人。

Ny aterineto tsy hoe fotsiny sehatra iray fampahalalambaovao, fa koa sehatra iray anovozana fahalalàna anaovana fandraharahàna sy anomezana tolotra. Miteraka ihany koa fihetsehampo ho an'ny rehetra, fihetsehampo toy ny hatezerana sy ny lolompo. Ahoana no ahafahantsika manetsika fihetsehampo toy ny lolompo? Azontsika ampiasaina ny fitiava-namana “mba handrisihana ireo mpampiasa aterineto hamboly hatsaràna, hamoaka vaovao tsara, hanao zavatra tsara sy hanjary Samaritàna tsara fanahy. Ireo tranonkala sasany any ivelany dia manome valisoa [ho an'ireo mpisera amin'ny aterineto] rehefa mamoaka vaovao tsara ry zareo, karazana fanampiana “. […] Azontsika raisina ho toy ny fampielezankevitra hamoahana ny olona tsy ho ao anaty fahantràna izany. Ankehitriny, manana mpisera miisa 600 tapitrisa isika ary maherin(ny 70 tapitrisa amin'ireo no miaina anaty fahantràna. Iray amin'ny sivy eo ny tahan'ny olona mahantra raha alahatra amin'ny manankatao. Azontsika atao ny mangataka ireo sivy ireo hanampy ilay iray mahantra.

Amin'izao fotoana izao, ny ankamaroan'ireo orinasa misehatra amin'ny teknolojia sy ireo goavan'ny aterineto dia manana tolotra natao hanentanana ny olona hanampy ireo vondrona tsy ampiampy mba hanangonana vola ho an'ireo fikambanana izay, ohatra, manampy azy ireny na manao asa famonjena rehefa misy loza voajanahary. Kanefa, ny fampitodihana fotsiny ny loharanonkarena ho any amin'ireo izay “manapariaka vaovao tsara” dia mitarika koa ny hoe ireny orinasa ireny no hiantoka ny sarany ho an'ireo mpanao fampielezankevitry ny governemanta sy ny antoko ety anaty aterineto (antoko izay fantatry ny rehetra amin'hy hoe Antokon'ny manomeza kely).

“Angovo miabo ve no iantsoanareo an'ity?

Mbola azo iadiana hevitra koa na ny famaritana ny hoe “vaovao tsara” aza. Vao haingana ny tranonkala China Digital Times no nanamarika [5] tranga iray mahalasa saina manokana amin'ny fomba famadihan'ny mediam-panjakàna ireo vaovao ratsy ho lasa vaovao tsara.

Tantara mandona fo niresahana vehivavy iray marary saina nisy naka an-kery sy nisy nanolana ka navadika ho toy ny tantarana lehilahy iray mahantra, mitaiza irery ny zanany, no naroson'ny vaovao. Tantara natolotra ho toy ny angovo miabo ( #positiveenergy) tao amin'ny Weibo, sehatra iray malaza ao amin'ny tambajotra sôsialy shinoa : 

张保勇说,自己家庭贫困,跟哥哥一把年龄了还没有结婚。10年前,他在外捡垃圾的时候,碰到一个智障女子,三年后,女子怀孕并生下一名女婴,因为害怕别人知道,他一直不敢出门,就在孩子刚满三个月的时候,孩子母亲偷跑出去,他一心照顾孩子,也没再寻找。“我身体残疾,没有劳动能力,我哥哥每天都去东阿县城捡垃圾,一个月也就收入六七百元钱。”
[…]虽然有外债,但到了上学年龄,张保勇还是送女儿上了幼儿园,“半年学费一两千块钱,我们俩省吃俭用也得供孩子上学。”张保勇说,因为自己跟智障女没有结婚证,孩子在东阿县医院出生时,没法办理出生证明,所以女儿到现在还是黑户。“没有户口,连一年级都没法上。” […]

Lazain'i M. Zhang Boyong fa mahantra ny fianakaviany. Na efa lehibe aza izy sy ny rahalahiny, dia samy tsy mbola misy manambady. Folo taona lasa izay, teny amin'ny toerana fanariampako, nifanena tamnà vehivavy iray marary saina ry zareo raha teo ampitsimponana fako mbola azo averina ampiasaina. Telo taona taty aoriana, niteraka zazavavy kely iray ilay vehivavy. Tsy sahiny ny nilaza ny tenany ho rain'ilay zaza, niahiahy ny hahafantaran'ny hafa an'izany izy. Rehefa feno telo volana ilay zaza, nandositra ny reniny. Tsy nandeha nikaroka azy izy, satria tsy maintsy niahy an'ilay zaza. “Manana kilema ara-batana aho ary tsy afaka manao asa manahirana. Ny rahalahiko no tsy maintsy mandeha any an-tanandehibe mitsimpona ireo zavatra mbola ho averina ampiasaina ary mahazo eo amin'ny 600-700 yuans [100-120 dolara amerikana] isambolana.

[…] Tsy maintsy nindràna vola mihitsy aza izy mba handefasana an-janany any amin'ny akaninjaza. “Tafakatra hatramin'ny 1000-2000 ny sarany isaky ny enina volana. Tsy maintsy nahenanay ny fandaniana ho an'ny sakafo mba hitahirizana vola sahaza ho an'ny fampianarana “, hoy i M. Zhang. Tsy ananany ny kopia fisoratam-panambadiana, noho izany no tsy ananan'ilay zaza ny kopia nahaterahana. Tsy mbola manana fahazoandalana hipetraka foana ilay zaza hatramin'izao. “Rehefa tsy manana fanamarinam-ponenana, tsy azony atao na dia ny handeha any amin'ny sekoly ambaratonga voalohany aza.” […]

Ny mpitondra ny feon'ny antoko, ny gazety mpiseho isanandro Daily, dia namerina namintina ny tantara ho toy ny tantara mandona fo anà ray tokantena sy mahantra, tamin'ny firesahana zazavavy kely iray dimy taona mikarakara ny rainy sembana ara-batana. Saingy marobe ireo mpampiasa aterineto no nahatsikaritra ireo fahabangàna tao anatin'ilay tantara ary dia nanolotra izany tao amin'ny Weibo (nandalo tamin'ny China Digital Times):

看吧,小姑娘的智障母亲是怎么来的为了一己私欲,强奸拘禁智障女性成孕;现在又让才5岁的小姑娘承担原不属于她这个年纪该承担的重担。现在再出来演演孝感动天的戏码,呵呵

Jereonareo, avy aiza no fiavian'ilay reny marary saina niteraka ilay zazavavy kely? Mba hahatontosa ny faniriany [toy ny biby], nanao an-kery vehivavy marary saina [izy] ary nahabevohoka azy. Ankehitriny, ilay zazavavy kely no asainy milanja zioga. Mandeha izao : ny teatiran'ny fifikirana am-bavaky ny shinoa LOL.

母亲是跑了还是被弄死了?生过孩子就失踪了?她生孩子前怎么没跑?赶快安置好孩子收押这罪犯吧

Ny fanontaniana dia hoe, nandositra ve ilay reny sa sao novonoina kosa? Nahoana izy no nanjavona taorian'ny fiterahany? Nahoana no tsy talohan'ny nahaterahan'ny zaza izy no nandositra? Karakarao ilay zaza dia sambory ilay mpanao heloka!

把这个强奸智力障碍妇女的王八蛋哥俩送进监狱,再找有能力抚养的好心人领养这个小女孩才叫正能量,现在制造舆论,不懂法律的蠢货真是漫山遍野。

Ny fampidirana am-ponja an'ilay mpanolana sy fametrahana ilay zaza any amina ankohonana afaka hiahy azy no atao hoe angovo miabo. Betsaka ny olona adala tsy mahalala na kely akory aza momba ny lalàna no miditra manao ilay asa fampielezankevitra.

我去。。。。强奸智障妇女,生下一个孩子忍受悲惨的人生,还成正能量了?小编你要不要也只有正能量一个?我保证不报警[拜拜]

WTF ….Manao an-kery vehivavy iray marary saina lery ary manao izay hiterahany zaza izay tsy maintsy hiaina anaty fahantrana, izany ve no ataonareo hoe angovo miabo? Angamba mba te-hiaina karazana angovo miabo tahaka izany ilay namoaka ny lahatsoratra. Manome toky anareo aho fa tsy hitoroka azy ity any amin'ny polisy. Veloma.

Raha tsaraina avy amin'ilay tranga etsy ambony, raha manohana ara-bola an'ireo mpanapariaka angovo miabo ry zareo goavan'ny aterineto , araka ny sosokevitr'i M. Jiang Jun, mety ho lasa faran'izay tena manify dia manify ny tsipika manasaraka ny tsara sy ny ratsy, ny mety sy ny tsy mety.