- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices tao anatin'ny adihevitra momba ny fanaovangazety mandehandeha ao Môzambika

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, Fahatsiarovana, gv-2015
Debate na IREX

Adihevitra tao amin'ny IREX

(Fanamarihana : lahatsoratra portiogey nivoaka tamin'ny Aprily 2015)
Ny 31 Martsa 2015 no natao, ary natrehan'i Borges Nhamirre, mpanao gazety sy mpikaroka ao amin'ny Center for Public Integrity  ny adihevitra momba ny  fanaovangazety amin'ny finday tao Mozambika, nokarakarain'ny IREX tao anatin'ilay fandaharanasa ho fanamafisana ny media [1]. Izaho (Dercio Tsandzana) no nisolo tena ny  Global Voices,  ka tao no nizaràko ny traikefako sy ny fomba fanaovana asangazety. Nilaza i   Borges Nhamirre [2] fa zavatra sarotra ny miresaka asa fanaovangazety ao Mozambika noho ireo fepetra misy sy manankery ao amin'ny firenena.

Misy tombony ny asa fanaovangazety amin'ny finday no sady misy lafy ratsy koa. Ny fanekena ireo sehatra misy fahaizamamorona dia singa iray tsy afaka hiverenana eo amin'ny fomba fanaovana asangazety ao Mozambika. Tsy maitsy mandalo fianarana momba ny asa fanaovana gazety eny amin'ny oniversite ianao ao  Mozambika – kanefa, misy tranga marobe anà mpanao gazety izay tonga ao anatin'ny sehatra nefa tsy nandalo tamin'izany, satria tsy maharaka ny isan'ireo mpanao gazety nahazo fiofanana aty amin'ny faritra misy antsika.

Ho an'ilay mpandahateny, misy dingana roa ao anatin'ny asa fanaovana gazety amin'ny finday izay (voalohany indrindra) maka sary dia (faharoa) mamoaka, saingy olana iray ny fanakianana ho tsy tomponandraikitra amin'izay zavatra navoaka sy ny fisian'ireo mpanoratra tsy fantatra. Ho azy, ny asa fanaovana agazety amin'ny finday dia tokony ho an'ny mpanao gazety voasoratra anarana ary manana ireo fitaovana finday efa nahazo fankatoavana. Tsy mametraka sisintany ny asa fanaovana gazety amin'ny finday, saingy hatramin'izay ny asa fanaovana gazety dia nifameno tamin'ny fahitalavitra. Aminà fotoana iray voafaritra, ny asa fanaovana gazety amin'ny finday dia manolo izay vita amin'ny sehatry ny finday ary tsy lafo vidy ny asa fanaovana gazety amin'ny finday.

Nilaza ny iray tamin'ireo mpanao gazety miofana ao amin'ny Oniversite Eduardo Mondlane ao amin'ny Sampana Fifandsraisana sy Zavakanto ( ECA [3] ) hoe:

Tsy afaka hiantso an'izany ho asa fanaovana gazety izahay, fa angamba atao hoe olontsotra anaty tambajotra. Ho azy dia tena singa fototra ny fiofanana amin'io sehatra io, tsy misy izany asa fanaovana gazety amin'ny finday izany, mila omena anarana toy ny asa na hetsika hafa io.

Alexandre Zandamela [4] avy amin'ny  Citizen's Eye [5] nilaza hoe: ny fanontaniana tokony hazavaina no tokony hohazavaina eo amin'ny resaka asa fanaovana agazety sy ny hoe mpanao gazety, satria misy fifanjevoana eo amin'ireo hevitra.

Jornalismo Móvel

asa fanaovana gazety amin'ny finday

@ tomqueface [6] : Tokony hisy rafitra iray ho fanazavana ny rakibolan'ny atao hoe mpanao gazety, sy olontsotra-mpanangona vaovaoI.

Notanisaina ho toy ny ohatra iray tena nahomby indrindra erantany ny Global Voices [7] noho ny fahafahany mamorona ny vaovao amin'ny alàlan'ireo fanehoankevitra sy zavatra avoakany. Misy ihany koa ny dindon'ny GV tao anatin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ireo hetsika goavana izay namorona habaka fandraisana anjaran'ireo olontsotra. Ny Vovonana tany Filipina dia natao ho ohatra amin'ny fomba ataon'ny GV hanangonany ireo mpiaramiasa aminy erantany.