- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

15 taona ny Global Voices!

Sokajy: Mediam-bahoaka

Desambra 2004. Nitaky anao ny Facebook mba ho mpianatry ny oniversite tamin'izany fotoana izany vao afa-nampiasa azy ianao, tsy mbola nisy ny Twitter, ary mbola niaina tany ambany tetezana amin'ireny angano fahiny ireny ny mpandoto rindrina tamin'izany. Mbola dombo ny finday, ny fiporitsahana (fahavakisana) tamin'izany mbola niantsoanao mpanefy fira-mainty (plômbie) hanamboatra azy, ary mbola nisy ny zavatra tsy namidin'ny Amazon.com. Maro isankarazany ny tranonkalambaovao mahaleotena tamin'izany fotoana izany, mbola velona sy matanjaka ny famahanam-bilaogy, ary tena nifampiresaka antserasera tokoa isika. Ary teraka i Global Voices.

15 taona izay isika no tato! Amin'ny taonan'ny alika izany 110 [1]. Amin'ny taonan'ny aterineto, efa ho arivo e.

Koa satria tonga amin'ny faha-15 taona isika dia maka fotoana izahay hisaorana ny vondrom-piarahamonina manerantany mandray anjara sy ireo mpamaky sy mpanohana nanome ho an'ny Global Voices hery sy angovo haharetana. Hatramin'ny taona 2004 isika nahavita ireo tantara lehibe indrindra sasantsasany teto amin'izao tontolo izao. Efa ho 100.000 ny lahatsoratra navoakantsika, nanangana sampana sasantsasany natokana hanomezana vahana ireo vondrompiarahamonina ifotony sy tsy ampy solontena hampiasa media nomerika [2] sy hiaro ny zo antserasera [3], ary hanangana vondrom-piarahamonina mpandika teny [4] miasa amin'ny fiteny mihoatra ny 51. Raha tsy nisy anareo, tsy no nisy ny Global Voices.

Ampio izahay hamita ny 15 taona manaraka. Ny tena tianay lazaina amin'izany dia hoe—mila ny fanampianareo izahay. Ny fanomezana avy amin'ny olona tsirairay no hanampy anay hikajy ny fahaleovantenanay sy hamela anay hahasahy hihalehibe sy hiova. Miangavy tohano izahay [5] anio!

Manomeza [5]