Firaisankina ho an'i Yuli Riswati, ilay Indoneziana mpiasa an-trano noroahana fa nitantara momba ny fihetsiketsehana tany Hong Kong

Pikantsarin'ny lahatsarin'ny antsafa niarahana tamin'i Yuli Riswati. Lahatsary YouTube avy amin'i singintaiwan.

Noroahana tamin'ny 2 Desambra 2019 noho ny visa-ny lany daty ilay mpanoratra indonezianina nahazo loka sady olon-tsotra mpanangom-baovao, ary mpiasa an-trano nifindra monina, Yuli Riswati, izay nitantara ny fihetsiketsehana tao Hong Kong nanomboka ny volana Jona.

Niasa an-trano nandritra ny 10 taona tany Hong Kong i Yuli. Saingy sady mpaka sary sy mpanoratra ihany koa izy izay nitatitra ny toe-draharahan'ny Indoneziana mpiasa mpifindra monina any Hong Kong. Nahazo ny Lokan'ny Literatioran'i Taiwan ho an'ny Mpifindra Monina tamin'ny taona 2018 izy noho ny asany momba ny fiantraikan'ny herisetra ara-nofo sy ny fikorontanana ara-tsaina izay niainan'ireo Indoneziana mpiasa mpifindra monina.

Nandany ny andro tsy niasany nitantarana ny famoriam-bahoaka isan-kerinandro tany Hong Kong izy nanomboka ny volana Jona mba hampahafantarana amin'ireo Indoneziana mitovy asa aminy mikasika ilay hetsi-panoherana. Nilaza izy fa ny hanampy ireo mpiasa mpifindra monina hahatakatra ny fihetsiketsehana mba tsy ho voafitaky ny fanodikodinam-baovao amin'ny aterineto no tanjony.

Mino ny vondrona sivily any Hong Kong fa noho ny antony ara-politika ny fisamborana sy ny fandroahana azy ary nanao fihetsiketsehana firaisankina ho an'i Yuli izy ireo tamin'ny 7 Desambra:

Na dia noroahan'ireo manampahefana Shinoa nankany Indonezia aza i Yuli Riswati dia mbola tohina ihany aho rehefa nahita ity tenirohy mijoro miaraka amin'i Yuli ity. Androany, handeha hanao fihetsiketsehana ireo vahoaka ao Hong Kong ho an'ity rahavavy Indoneziana be herimpo ity ao afovoan-tanàna ao an-kianjan'i Edinburgh, amin'ny 3 ora tolakandro.

Nosamborin'ny manampahefanan'ny fifindra-monina tany amin'ny toeram-piasany i Yuli satria efa lany daty tamin'ny 23 Septambra ny visa-ny, rehefa nivoaka ny tati-baovao momba azy sy ny fanohanany ny vahoaka ao Hong Kong. Manana fifanekena manan-kery mandritra ny roa taona izy izay nosoniaviny tany am-piandohan'ity taona ity saingy hadinony ny nanavao ny visa-ny izay lany tamin'ny volana Jolay. Nilaza izy fa adinony ny nanao izany satria ny pasipaorony aloha no tokony nohavaoziny voalohany.

Araka ny filazan'ny Federasiona Iraisam-pirenena Misahana ny Mpiasa An-trano, matetika mamela ireo manana visa efa lany daty hanohy ny asany ny tompon'andraikitra misahana ny fifindra-monina raha mbola miantoka ny fifanarahana nifanaovan'izy ireo ny mpampiasa azy ary manazava ny zava-misy an-tsoratra. Nanao izany i Yuli sy ny mpampiasa azy saingy mbola voasambotra ihany izy.

Nolavina ny fangatahany ary notanana nandritra ny 28 andro izy izay nandrisihana azy hisintona ny fangatahany amin'ny fanitarana ny visa-ny:

I wrote that I withdraw my visa because I am being detained for too long and don’t know when I can go back. Again the officer said I cannot write that because the lawyer will give them troubles. In the end, against my will, I have to write I withdraw the visa, and I will go back to Indonesia to apply for a visa again.

Nanoratra aho fa nosintomiko ny fangatahako visa satria notanana ela loatra aho ary tsy nahafantatra ny fotoana hivoahako. Ary mbola nilaza indray ilay tompon'andraikitra fa tsy afaka manoratra aho satria hanome olana ho azy ireo ny mpisolovava. Tamin'ny farany, voatery tsy maintsy nanoratra aho fa nosintomina ny fangatahako visa, ary hiverina any Indonezia aho hanao fangatahana visa indray.

Betsaka ny vondrona ao anatiny sy ivelan'i Hong Kong no naneho fanohanana an'i Yuli. Mino ny PEN Hong Kong fa nenjehina i Yuli mba hanakiviana ireo mpiray monina mandalo hafa tsy handray anjara amin'ny fihetsiketsehana:

We condemn this action which may be intended to intimidate non-permanent residents and deter them from involvement in or documenting and commenting on political events in Hong Kong.

Izahay dia manameloka ity fihetsika ity izay mety natao hampitahorana ireo mponina tsi-maharitra sy hanakanana azy ireo tsy handray anjara na hitatitra sy haneho hevitra momba ny hetsika politika eto Hong Kong.

Nanontany ihany koa ity vondrona ity momba ny mahamaika ny fandroahana an'i Yuli. “Gaga izahay noho ny hamehana sy ny tsy fanarahan-dalàna miharihary izay nitranga, ary hiezaka hanaraka ity raharaha ity.”

Nandritra ny fihetsiketsehana nokarakaraina tamin'ny 7 Desambra dia niantso tamin'ny telefônina i Yuli ary nizara ny zava-tsarotra iainany tao anatin'ny toeram-pitazonana mpifindra monina.

Nilaza tamin'ny telefônina izy nandritra ny fihetsiketsehana androany fa nosavaina hatrany anaty akanjony tamin'ny andro voalohany nahatongavany tao amin'ny foibem-pitazonana mpifindra monina Castle Peak Bay ary noterena hanala ny fitafiany teo anoloan'ny dokotera lahy tamin'ny andro faharoa (fihantsiana lehibe ho an'ny Miozolomana tahaka azy, hoy izy).

Nisaotra an'ireo izay naneho firaisankina sy nanohana ny raharahany izy:

vehivavy nohidiana, satria nikasa hitantara ny tantaran'ny vahoaka izay tsy nanao na inona na inona afa-tsy nanasokajy ny vahoakany toy ny olom-pirenena ambaratonga faharoa – nisaotra antsika izy

Nisaotra antsika izy ary tena tsy mendrika ny fisaorany isika

Naseho tao amin'ilay toerana nanaovana fihetsiketsehana ny sasany tamin'ireo sariny :

misy andian-tsary mahafinaritra nalain'i Yuli!

‘Rindrina’ fanohanana an'i Yuli:

Misaotra izay rehetra nanatrika ny fihetsiketsehana [mijoro miaraka amin'i Yuli] androany (sy ireo nanohana anay saingy tsy afaka)!

Misy fitakiana miisa efatra natao ho an'ny governemanta ny fanangonan-tsonia izay nataon'ny Vondrona Manohana An'i Yuli:

Why had Yuli been subject to detention and deportation without being convicted by the court of law?

The Immigration must address and improve the horrible treatments in the detention centres.

The government must stop all oppression on the people in resistance.

The government must respect the freedom of participation in politics by foreign domestic workers, including the freedom of speech and political participation.

Nahoana i Yuli no lasibatry ny fanagadrana sy ny fandroahana nefa tsy voaheloky ny fitsarana ?

Tsy maintsy miatrika sy manatsara ny fomba mahatsiravina ao amin'ireo tobim-pitazonana ny Fifindra-monina.

Tokony hajanon'ny governemanta ny famoretana rehetra ataony amin'ny vahoaka mifahatra.

Tsy maintsy manaja ny fahalalahana mandray anjara amin'ny politika ataon'ny mpiasa an-trano ny governemanta, ao anatin'izany ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fandraisana anjara politika.

Manana antso ho an'ny vahoakan'i Hong Kong namany i Nickolas Tang:

Yuli stood with Hongkongers’ fledgling struggle for liberation. It’s time for us to show our solidarity with her by fighting for a Hong Kong where all migrant workers are treated fairly and with dignity.

Miara-mijoro amin'ny tolona vaovao ho fanafahana ataon'ny vahoaka ao Hong Kong i Yuli. Fotoana izao hampisehoantsika ny firaisankina miaraka aminy amin'ny ady ho an'i Hong Kong izay ahitana ireo mpiasa mpifindra monina voakarakara araka ny tokony ho izy sy amim-pahamendrehana.

Ireto ambany ireto ny sary vitsivitsy avy amin'ny hetsika firaisankina ho an'i Yuli tamin'ny 7 Desambra

Sary: sary Flickr avy amin'ny Federasiona Iraisam-pirenena ho an'ny Mpiasa An-trano, (CC BY-NC-ND 2.0)

Sary: sary Flickr avy amin'ny Federasiona Iraisam-pirenena ho an'ny Mpiasa An-trano, (CC BY-NC-ND 2.0)

Sary: sary Flickr avy amin'ny Federasiona Iraisam-pirenena ho an'ny Mpiasa An-trano, (CC BY-NC-ND 2.0)

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.