- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taorian'ny horohorontany nandravarava, miverina tsikelikely amin'ny andavanandrony i Albania

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Albania, Mediam-bahoaka, Saripika

Ny afovoan-tanànan'i Tirana, renivohitr'i Albania niomana ho amin'ny fankalazàna ny fetin'ny faran'ny taona . Sary an'i Ardi Pulaj [1], nahazoana alàlana.

Namoizana olona 51, naharatràna an'arivony sy namela  tsy manana hialofana maro ary fahasimbàna trano marobe ilay  horohorontany [2] nanana tanjaka 6.4 namely an'i Albania talohan'ny mangirandratsin'ny 26 Novambra 2019.teo..

Endrika trano rava sy olona misarovitaka no nameno ireo lohateny lehibe nanerana ny firenena sy izao tontolo izao. Marobe ireo nandao ny toerana nahaterahany tao Durrës, Thumanë ary na tao Tirana renivohitra aza, noho ny tahotra ny mbola hiseho aty aoriana, ka nitady fialofana tany rehetra tany tao amin'ny firenena ihany, na tany Kosovo mpifanila vodirindrina.

Toy ny tanàna tsy misy olona i  #Tirana [3] nandritra ireo andro efatra lasa. Maro ny olona no toa nandao ny tanàna mba handositra ny tebiteby ateraky ny mety mbola hiseho aorian'ilay horohorontany [4]. Fahapotehana kely ao #Albania [6] renivohitra raha jerena amin'izay nitranga tao #Durres [7] eo akaiky eo.

Nambaran'ny [9] Praiministra Edi Rama fa ho averina hodinihana ny tetibolan'ny firenena ho an'ny taona 2020 mba hanokanana 0.4 % amin'ny harinkarena faobe ho amin'ny fanorenana trano, nefa tsy hanohintohinana ny fandaniambolam-panjakana amin'ny sehatra hafa.

Mihoatra ny antsasak'ireo mponina 2,8 tapitrisa ao amin'ny firenena no nizàka ilay  horohorontany. Ny 6 Desambra, trano miisa 7.077 [10] no voalaza fa simba. Manodidina ny 12.000 ireo ollona lasa tsy manana hialofana. [11] Ny ankamaroan'izy ireo dia nafindra aminà trano fandraisambahiny, ary ny governemanta dia nampanantena fa handoa ny hofany mandra-panorina ny tranon'izy ireny. Ny sasany kosa, araka ny tatitra, dia nisafidy ny hijanona anaty tranolay na any anatin'ny fiaran'izy ireo.

View this post on Instagram

Lights of hope! Lights of life! Durrës ❤️ #aftermath #intoalbania #durres [12]

A post shared by IntoAlbania [13] (@intoalbania) on

(etsy anaty sary: jiron'ny fanantenana, jiron'ny fiainana!  Durrés)

Na izany aza, miezaka ny miverina amin'ny andavanandrony ireo Albaniana. Ny vola Desambra no fotoana fikarakaràna ny fankalazana ny Noely sy ny Taombaovao; anaty volonandro fety tanteraka i Tirana sy Durrës.

Olona maka sary ao afovoan-tanànan'i Tirana renivohitra, toerana nametrahana ireo haingo ho entina mankalaza ny Taombaovao. Sary an'i Ardi Pulaj [1], nahazoana alàlana.

Asiana resaka izao ny fitsipiky ny fanorenana

Ilay sarivongan'ny maherifon'ny firenena eo amin'ny kianja nomena ny anarany Skanderbeg ao Tirana, renivohitr'i Albania. Sary an'i Ardi Pulaj [1], nahazoana alàlana.

Niteraka adihevitra momba ireo fenitry ny asa fanorenana ny vokatra hita taty aorian'ilay horohorontany tao Albania satria trano marobe no tsy voaomana hiatrika hovitra.

Redi Muçi, injeniera amin'ny resaka fanorenana trano no sady profesora mampianatra ao amin'ny Fakiolten'ny Haibolantany sy ny Harena anaty tany ao Tirana, dia nilaza tamin'ny Global Voices [14] fa tato anatin'ny taona viitsy, betsaka ireo trano avo najoro niaraka taminà tsy fetezan'ny fotodrafitrasa, na tsy nanaovana fandalinana momba ny haibolantany.

Ny 7 Desambra, nanomboka ny asany tamin'ny fitsidihana ny faritra Durrës ilay Lehiben'ny Fampanoavana vaovao, Olsian Çela. Nolazainy [15] tamin'ny gazety fa hisy manampahaizana momba ny asa fanorenana trano ary hanadihady momba ny fahavoazana nateraky ny horohorontany.

Nampian'i Çela hoe hifantohana kokoa ny amin'ireo tranobe naorina tsy ara-dalàna sy ny fanararaotana fahefàna.

“Tsapanay tsara ny zavatra nitranga. Nisy ireo olona tsy tomponandraikitra sy hary saina tsara saingy tsy nanaja ny lalàna ary, vokatr'izany, olona marobe no maty. Tsy tokony hiangatra ary mifanaraka tsara ny fampiharana ny lalàna, ary hahita vokatra mazava isika amin'ny fanadihadiana”, hoy ny Lehiben'ny Fampanoavana [16].

Nanambara [17] ihany koa ny Praiminisitra Edi Rama fa efa manomana volavolandalàna iray izao ny biraony ho famaizana ireo orinasa, matihanina ary mpampiasa vola tsy niraharaha ny fakàna fahazoandàlana hanorina.

Ankizy mitangorona manodidina hazo noely ao amin'ny faritry ny Pazari i Ri (Tsena Vaovao) ao Tirana,  renivohitr'i Albania. Sary an'i  Ardi Pulaj [1], nahazoana alàlana.

Mandritra izany fotoana izany, tonga ireo fanampiana avy any ivelany : ny 6 Desambra,  tonga tao [18] Albania i Janez Lenarcic, ilay Kaomisera ambony avy amin'ny Kaomisiôna  Eoropeana misahana ny Fitantanana ny Krizy, mba hanombana ireo fahavoazana sy izay hamehana amin'ny asa fanarenana. Efa nandefa 15 tapitrisa euros ny Kaomisiona Eoropeana (16.6 tapitrisa USD) ho an'i Albania mba hatao tahirim-pamonjena.

Ankoatra izay, nampanantena [19] i Tiorkia fa hanorina trano 500 ao Albania. Hisy toeram-ponenana vaovao haorina ao Durrës, Tirana, sy  Laç.

Ny fanatanjahantena manampy ny vahoaka anaty fahasahiranana

Nandresy nanoloana ny Skënderbeu [20] ny FC Teuta [21], tarika mpilalao baolina kitra ao Durrës, tamin'ny 8 Desambra, nandritra ny lalao natao tao amin'ny kianja tao an-tanàna, toerana nametrahana ireo tsy manankialofana, herinandro maro talohan'izao. Nisy vitsivitsy tamin'ireo mpilalao ao amin'ilay tarika no nidonan'ilay horohorontany ihany koa. Nanambara ny FC Teuta fa izay tombony azo tamin'ny tapakila dia hatao fanomezana.

Teuta, mihoatra noho izay fandresena / Halefa ho famonjena (noho ny horohorontany) ny tombony rehetra tamin'ny tapakila lafo tao amin'ny (kianja) “Niko Dovana”.

Zazalahy roa, Aurel Lala, 10 taona, sy Alesio Cakoni, 7 taona, samy sisampaty tamin'ilay horohorontany rehefa nitsambikina avy aminà tranobe iray tao Thumanë, no nahita ny fahatanterahan'ny nofinofin'izy ireo rehefa nihaona tamin'ireo olomalazan'ny baolina kitra, Ronaldo sy Buffon:

Ronaldo sy Buffon nihaona tamin'i Alesio sy Aurel. Samy nitsambikina avy eny amin'ny rihana taminà tranobe nonenany izy roalahy ireo nandritra ilay horohorontany tao Albania ❤?? (1/3) pic.twitter.com/9F9Vo4mPom [25]