Niparitaka be ny sarin'ilay polisin'ny fifamoivoizana tany Maputo tao anaty orana

Sarin'ilay mpiasan'ny fifamoivoizana Isildo Bule niely tany Mozambika. Mpaka sary tsy fantatra, sary niely be amin'ireo tambajotra sosialy.

Niseho ny tolakandron'ny 14 Novambra, tao afovoan-tanàndehiben'i Maputo, renivohitr'i Mozambika izany. Orambe mivatravatra no nilatsaka tao an-tanàndehibe ary nanasarotra ny fifamoivoizana tamin'ny lalana maro.

Tao amin'ny heverina ho tontolo andro nahitana sahotaka na fikorontanana teny an-dalambe, heniky ny sary iray nalaza dia nalaza ny tao amin'ny tambajotra sosialy.

Toa nahatalanjona ny mpisera aterineto marobe ny fihetsiky ny polisin'ny fifamoivoizana iray – na PT, araka ny hiantsoana azy ireo any Mozambika – antsoina hoe Isildo Bule tamin'ny nanehoan'izy ireo ny sariny tao anaty ora-mikija ka nandrindrany ny fifamoivoizan'ireo fiara.

Nalefa sy nozaraina betsaka tao amin'ny fantsona samihafa ilay sary. Mikasika ity fihetsika ity, nihevitra izany ho mahavariana sy mendrika ho deraina ny olona sasany, araka an'i Cal Barroso:

Uns dirão que está a fazer seu trabalho e não ha nada de EXTRAORDINÁRIO…mas num país onde…

VAMOS LA DEIXAR,

ESTA é para mim a MELHOR imagem do ÚLTIMO SEMESTRE DESTE ANO.

Mety hilaza ny olona sasany hoe manao ny asany izy ireo ka tsy misy zavatra tokony HAHAVARIANA… kanefa any amin'ny firenena iray izay…

AJANONTSIKA EO,

Ity no sary tsara indrindra amiko ho an'ity ATSASAKA FARANY AMIN'NY TAONA ITY.

Tamin'ny tenin'i Barroso, namaly toy izao i Geraldo Cossa:

Claro! Digno de reconhecimento!! Ainda ha pessoas neste pais, que fazem seu trabalho com amor, dedicacao e zelo, independentemente das condicoes. ??

Mazava ho azy! Mendrika ho deraina !! Mbola misy olona eto amin'ity firenena ity izay manao ny asany am-pitiavana, amim-panoloran-tena sy amin'ny zotom-po, na inona na inona tranga misy.??

Fanehoan-kevitra hafa tao amin'ny Facebook tao anatin'izany andiany izany ihany :

POLÍCIA EXEMPLAR.

O Polícia mais falado nas redes sociais, que mesmo com a chuva este Polícia estava a manter ordem e segurança nas estradas.

Que todos policiais de trânsito sejam que nem ele. Ou seja todos em geral.

POLISY FAKA TAHAKA

Maro no niresaka momba ny polisy tao amin'ny tambajotra sosialy fa mbola nandrindra sy nandamina ny làlana ity polisy ity na dia tao anatin'ny orana aza.

Tokony hanao tahaka azy avokoa ny polisin'ny fifamoivoizana rehetra. Izany no izy amin'ny ankapobeny.

Na izany aza, nisy ireo nahita ity fihetsika ity ho fomba fiasan'ny mpiasam-panjakana mahazatra ihany:

Eu tenho que discordar. Está a cumprir funções. Qualquer dia aplaudimos professores que dêem aulas todos os dias, médicos que dêem mais horas no público do que no privado, trabalhadores faltosos nos dias em que forem trabalhar, etc. etc. etc.

Tsy miombon-kevitra amin'izany aho. Manatanteraka ny asany izy. Isan'andro isika dia midera ireo mpampianatra izay mampianatra isan'andro, ireo dokotera izay miasa ora betsaka kokoa amin'ny fanjakana noho ny amin'ny tsy miankina, ireo mpiasa tsy miasa amin'ny andro andehanany miasa, sns sns…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.