- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiovam-pitantanana ny Lingua Frantsay!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Ndeha isika hiarahaba an'i Laila le Guen [1], mpitantana vaovao ny Lingua Frantsay !

Monina any Myanmar i Laila amin'izao fotoana izao . Laila Le Guen [1], izay efa GVer tamin'ny maha-mpanoratra [2] sy mpandika lahatsoratra ho amin'ny teny frantsay azy, sady koa mpandray anjara amin'ny Rising Voices [3]! Laila, toy ny ataon'ireo GVers marobe, dia misahana zavatra maro sy miteny fiteny maro! Mpampianatra asa fandikana teny izy, mpandika, mpamoaka lahatsoratra ihany koa. Miteny tenimpirenena 6 i Laila, Alemàna, Portiogey, Swahili, ary Yoruba ankoatra ny Anglisy sy Frantsay!

Raha hanaraka azy ianao, ity ny Twitter [4]!