Kôlômbia, tantara an-tsary iray miresaka ny fanarahamaso sy ny miralenta, manaraka ny gadona salsa

« Feno kamerà…eny rehetra eny. » Endri-piainana avy amin'ily Tour Delirio: Salsa y Vigilancia (Tilikambo Delirio : salsa sy fanarahamaso). Sary nalaina tao amin'ny Archive.org ary nampiasàna lisansa Creative Commons (CC BY-NC-SA 4.0)
Habaka teknolojika izao ny tanàndehibe. Tsy voatery mijanona fotsiny amin'ny hoe tanàndehibe mibaiko tena io fotokevitra io (smart cities), fa fotokevitra somary mbola manjavozavo ihany ary tsy mitsahatra ny asiana fandinihana. Manome porofo betsaka manohana an'izany ny fiparitahan'ireo kamerà fiarovana, ireo fotodrafitrasam-pitaterana sy ny angovo ary ny fandraisana tsy miato ny teknolojiam-pifandraisana.
Na izany aza, miaraka amin'ireny endrika ireny hatrany ny ahiahy goavan'ireo mpiaro ny zo maha-olona : ny fanarahamaso ataon'ireo governemanta sy ireo orinasa. Nampidirina tao anatin'ny vanimpotoana latino-amerikàna ary nojerena tamin'ny zoron'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, lasa tena hamehana manokana io olana io ho an'izao vanimpotoantsika izao.
Izany no nitarika an'i María Juliana Soto hanangana ny tetikasa transmédia nomeny ny anarana hoe Tour Delirio: Salsa y Vigilancia (Tilikambo Delirio : salsa sy fanarahamaso), tantara an-tsary iray ety anaty tambajotra mandrisika ny fifampiresahana momba ny fanarahamaso ny aterineto, ary izany rehetra izany dia manaraka ny gadona salsa.
Noresahan'i Laura Vidal tamin'i María Juliana Soto ny momba io resaka io, nanasàny azy indrindra mba haneho ny fomba fijeriny ny zo maha-olona, momba ny fitsabahan'ny fanarahamaso ataon'ny governemanta, ny orinasa ary ireo vondrompiarahamonina :
Promover el tema de la seguridad digital y la privacidad en internet ha sido un reto para mí. […] Las corporaciones nos han ganado, lo tenemos todo muy naturalizado. […] Pues tienen a su favor la facilidad de los servicios que ofrecen, por ejemplo, WhatsApp, la narrativa de lo gratis, de lo necesario, de lo indispensable. Mis amigas me miran raro cuando les digo que hablemos por Signal, por ejemplo. Tenemos que hacerle más preguntas a esas narrativas que naturalizan que entreguemos nuestros datos e información a terceros.
Fanamby iray ho ahy ny hampiroborobo ny fiarovana/fitoniana nomerika sy ny fiarovana ny fiainana manokana aty anaty aterineto. […] Vitan'ireo orinasa ny nampanaiky antsika an'izany ho toy ny zavatra natoraly. […] Satria ireo tolotra omeny dia manosika ho amin'izany sy manome vahana azy, toy ny WhatsApp izay manao kabary milaza fa maimaimpoana, ilaina, tsy maintsy ananana. Hafahafa ny fijerin'ireo namako ahy rehefa miteny azy ireo mba hifanerasera amin'ny alàlan'ny Signal, ohatra. Mila miverina mametraka fanontaniana misimisy kokoa isika momba ireny orinasa mizara aminà orinasa hafa ny angondrakitra sy ny torohay momba antsika ireny ho toy ny zavatra ara-dalàna.
Kendren'ny Tilikambo Delirio ny hanaparitaka ilay resaka eny anivon'ny vahoaka. Araka ny lazain'ilay vehivavy namorona azy, ilaina ny manentana bebe kokoa momba ny maha-zavadehibe ny famerenana mametraka fanontaniana momba ireo tolotra toy ny Facebook sy Google, toherina noho ny fanangonany torohay tafahoatra momba ireo mpampiasa an-dry zareo mba ho ampiasainy amin'ny fomba tsy dia mangarahara indray avy eo :
Con Tour Delirio lo que quiero es despertar esas preguntas, esa curiosidad de saber adónde van nuestros datos, o si alguien lee nuestras conversaciones. Despertar la curiosidad, y un poco la malicia frente al uso de tecnologías. […] Como ciudadanos nos falta más curiosidad y más perspicacia. […] A la tecnología le hemos creído todo.
Ny faniriako miaraka amin'ny Tilikambo Delirio dia mba hametraka fanontaniana ny tsirairay hoe mankaiza avy ireo torohay momba antsika, na raha misy olona mamaky ny fifampiresahantsika. Fanairana ny saina tia karokaroka sy ahiahy kely monja manoloana ny fampiasàna ny teknolojia. […] Amin'ny maha-olompirenena, tsy ampy saina tia karokaroka sy fahiratan-tsaina isika. […] Mino an-jambany ny teknolojia isika.
Dia inona izao no mbola tsy voaresaka tsara?
Ny resaka fanarahamaso dia tafiditra manontolo ao anatin'ireo olana marobe izay tsy vaovao amin'ny ao Amerika Latina, avy amin'izany no maha-zavadehibe ny famerenana mametraka fanontaniana ireo kabary momba ny fanarahamaso sy ny fiarovana ny fiainana manokana :
No se habla mucho de finalmente a quién se vigila. Hay comunidades que se vigilan para que no les pase nada, y hay otras a las que se les vigila para tenerlos controlados. Es un secreto a voces que a unos se les cuida y a otros se les controla.
La vigilancia ha sido equiparada con seguridad. En estos días cualquier candidato político habla de cámaras de vigilancia y de aumentar el uso de dispositivos tecnológicos para mejorar la seguridad en las ciudades. A pesar de que existen estudios y posturas críticas que demuestran la ineficacia de estas estrategias y el riesgo en el que ponen el derecho a la privacidad. Sin embargo, no hay una exploración crítica ni se cuestionan estas propuestas.
Tsy resahana loatra ny momba izay olona tena arahana maso amin'ny farany. Misy ireo vahoaka arahana maso mba tsy hisy zavatra hanjo azy, ary ny hafa indray mba hahafahana mifehy azy ireo. Arahana maso ny sasany ary fehezina ny hafa, tena tsiambaratelo fantatry ny rehetra izany.
Ampitoviana ny resaka fiarovana sy fanarahamaso. Amin'izao androntsika izao, miteny momba ny kamerà fanarahamaso sy ny fampitomboana ny fampiasàna fitaovana teknolojika daholo ny kandidà rehetra, mba hanatsaràna ny fiarovana ny tanàna, na eo aza ireo fandalinana sy fomba fijery manohitra sy manaporofo ny tsy fetezan'ireny tetikady ireny, ary ny loza mitatao entiny ho an'ny fiainana manokana. Kanefa, ireny tolokevitra ireny tsy mba nanaovana fandalinana sy fanakianana na niverenana nodinihana.
Avy eo ny resaka dia nitodika nankany amin'ny dikan'ny hoe fiarovana ny fiainana manokana ao Amerika Latina :
¿Qué es la privacidad en un barrio popular de una ciudad como Cali, en Colombia? Donde las casas son de puertas abiertas, donde familias numerosas comparten una misma casa, donde la gente está afuera, en el barrio, contándose todo. Hay una idea de privacidad que se rompe todo el tiempo. Otras culturas son mucho más distanciadas.
Así se arman las comunidades en estos territorios. Muy de puertas pa’ fuera. Lo que queda adentro es mucho menos en comparación a otras sociedades. En este contexto, hablar de la importancia de la privacidad supone un esfuerzo distinto, una estrategia distinta.
Inona moa izay fiainana manokana ao anaty tanàna iray be mponina toa an'i Cali, ao Kôlômbia? Izay misokatra ho an'ny olona rehetra ny varavaran'ny isan-tokantrano, izay mivangongo anaty trano iray ireo fianakaviana maro anaka, izaay eny an-tokontany ny olona no miaina, ao an-bohitra ary mifampitantara ny zavatra rehetra. Tsy misy izany fisainana fiainana manokana izany. Lavitra loatra koa ireo kolontsaina hafa.
Tahaka izany no fiforonan'ireo vondrompiarahamonina any amin'ireny faritàny ireny. Ny varavarana misokatra ho an'ny any ivelany. Mifanohitra amin'ny an'ny fiarahamonina hafa, vitsy dia vitsy ny zavatra tazonina ho an'ny ao an-tokantrano. Anatin'ny toejavatra tahaka izany, mila ezaka hafa mihitsy ny firesahana momba ny lanjan'ny fiarovana ny fiainana manokan'ny tena, tetikady hafa.
Ny fihaonan'ny miralenta sy ny fanarahamaso
Tsy misy afa-tsy vehivavy no ao anatin'ny Tilikambo Delirio. Fanontaniana lehibe ao anatin'ny adihevitra midadasika be momba ny fiainana manokana ny fihaonan'ny fanarahamaso sy ny vehivavy (na ireo olana mifamatotra amin'ny maha-lahy sy vavy), ary hatramin'ny fahasamihafana saranga sy ny fanavakavahana foko:
El tema de género apareció con la música. Yo empecé jugando a hacer una playlist con una amiga, con canciones que podrían habernos dedicado Google o las oficinas de vigilancia de Estados Unidos. Era un juego. Pero escuchando las letras caímos en cuenta de que había algo más. Estas canciones hablaban de mujeres. Más allá del chiste de que “every breath you take” parece escrita por la NSA [National Security Agency, por sus siglas en inglés], nos dimos cuenta de que esto es sobre un hombre que vigila a una mujer. Y de ahí pasamos a la salsa, que es la música que nos conecta más fuertemente con nuestra ciudad, con Cali. En la salsa encontramos una representación del amor como una relación de propiedad. Por generaciones hemos cantado y bailado canciones que dicen que somos propiedad de alguien y en esa medida, somos susceptibles a ser vigiladas.
Estas relaciones culturales entre violencia y género han sido un tema abordado por las feministas desde hace rato. En cuanto a la música, las críticas y los análisis se han enfocado, especialmente, a revisar el reggeatón. ¿Pero y la salsa? Ahí le pusimos más cuidado a las mezclas y a la playlist. Hemos usado un montón de metáforas para hablar de privacidad y vigilancia: el gran hermano, por ejemplo o el panóptico… Pero estos son imaginarios heredados, de activismos que han surgido en Europa o en Estados Unidos y en consecuencia, no tenemos la misma conexión con ellos. Tour Delirio propone utilizar metáforas que salen de acá, de nuestro contexto cultural. Un contexto en el que además de ser sujetos de vigilancia, si se es mujer esto puede ser muchísimo más peligroso y constante. Las historias de vigilancia que cuenta Tour Delirio son historias cotidianas que nos invitan a reflexionar sobre la relación que tenemos con nuestros teléfonos, con las cámaras de seguridad en las ciudades o con las redes sociales que usamos a diario. Además, nos invitan a cuestionar las prácticas de vigilancia social que existen en nuestro contexto latinoamericano y que se reflejan en expresiones culturales como la salsa.
Niaraka nivoaka tamin'ny mozika ny fomba fiteny hoe miralenta. Nandefa lisitra hira ho any amin'ny namana iray aho, izay nahitàna hira vitsivitsy mety ho natolotra manokana ho antsika avy amin'i Google na ireo masoivoho mpanaramaso ao Etazonia. Kilalao ilay izy. Saingy rehefa mihaino ny tonony ianao, tonga saina hoe misy zavatra hafa. Niresaka momba ny vehivavy ireny hira ireny. Ankoatra ny lafiny mampihomehy hoe mety nosoratan'ny NSA (Masoivohom-piarovan'ny amerikàna) ny « Every breath you take », tonga saina ianao fa io hira io dia niresaka lehilahy iray manaramaso vehivavy iray. Dia avy eo, mikisaka mankany amin'ny salsa isika, ilay mozika mampifamatotra kokoa antsika amin'ny tanànantsika, i Cali. Ao anatin'ny salsa, raisina ho toy ny fifandraisana miresaka fitompoana ny fitiavana. Nandritra ny andian-taranaka maro, nihira sy nandihy isika tamin'ireo hira izay miteny fa isika dia fananan'olona iray ary, raha miainga avy amin'io fotokevitra io, dia mety ho voaaramaso isika.
Efa hatry ny elabe no noresahan'ireo feminista (mpitolona ho an'ny vehivavy) ireny fifandraisana ara-kolontsaina ireny sy ny miralenta. Raha momba ny mozika indray, ireo kiana sy fandalinana dia natodika manokana tany amin'ny reggaeton. Ary ahoana ny salsa ao anatin'izany rehetra izany ? Ny fikirakirana sy fanamboarana ny feo no tena nifantohan'ny saintsika, ary ny fanaovana lisitra. Nampiasa sarinteny marobe isika mba hiresahana ny fiarovana ny fiainana manokana sy ny fanarahamaso : Big Brother, ohatra, ilay panoptique… Zavatra tsy tena izy io fa nolovaina avy amin'ny fikatrohana nipoitra tao Eoropa sy Etazonia ary, ny vokany, tsy manana fifamatorana mitovy aminy mba hifandraisana amin-dry zareo isika. Ampiasain'ny Tilikambo Delirio eto ireo sarinteny, ho an'ny toejavatra ara-kolontsaina misy antsika. Toejavatra iray izay ao anatiny, ankoatra ny maha-iharan'ny fanarahamaso, raha toa ka vehivavy ianao, mety mbola ho mampididoza kokoa no sady matetika. Ireo tantaranà fanarahamaso lazaina ao anatin'ny Tilikambo Delirio dia tantaran'ny andavanandrom-piainana izay manasa antsika hisaintsaina ny fifandraisana kolokolointsika amin'ny alàlan'ny telefaona, ny kamerà fanarahamaso eny an-tanàndehibe ary ireo tambajotra sôsialy ampiasaintsika isanandro. Manasa antsika ihany koa izy ireny mba hanontany ny tenantsika momba ireo fomba fanao amin'ny fanarahamaso sôsialy misy ao Amerika Latina ary hita taratra eny anatin'ireo fanehoana ara-kolontsaina toy ny salsa.
Raha nahafinaritra anao ity tantara ity, azonao atao ny manaraka azy ao amin'ny Instagram @TourDelirio na amin'ny tenifototra #TourDelirio ao amin'ny Twitter mba tsy ho tapaka ny fahazoanao vaovao momba io tetikasa vaovaon'ny transmédia io.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...