Mozambika: Fanaovana ho ara-dalàna ny fanalan-jaza ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana vaovao

Legaliza Aborto, Moçambique. Foto: Rádio Moçambique, reprodução autorizada.

Fanomezana alàlana ny fanalan-jaza araka ny lalàna, Mozambika. Saripika: Rádio Moçambique, nahazoana alàlana.

Mozambika no firenena Afrikana fahefatra manala tsy ho heloka ny fanapahana vohoka an-tsitrapo (IVG) taorian'i Cap-vert, Afrika Atsimo ary Tonizia. Mamela ny fanalan-jaza atao any amin'ireo foibe ara-pahasalamana matihanina miaraka amin'ireo manam-pahaizana manokana momba ny vohoka ao anatin'ny herinandro 12 voalohany ity lalàna vaovao ity .

Mihevitra ny sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) fa miafara amin'ny fanalan-jaza ny iray amin'ireo vohoka miisa dimy manerana izao tontolo izao ary efa ho 47.000 no isan'ireo vehivavy namoy ny ainy noho ny fahasarotana misy eo amin'ny fanalan-jaza natao tamin'ny fomba tsy azo antoka.

Nanambara i Graça Samo, Filohan'ny Fórum Mulher (Zaikaben'ny Vehivavy):

 Ce que nous voulons ici c'est que les femmes sachent qu'elles ont ce droit. L'État a le devoir de promouvoir les services et les conditions d'accessibilité à ce droit. Notre pays, notre parlement, notre personnel du secteur de la santé peuvent être félicités, parce qu'ils ont eu un rôle très important à jouer pour que ceci puisse arriver.

Ny mba hamantaran'ny vehivavy fa manana izany zo izany izy ireo no tadiavintsika eto. Adidin'ny fanjakana ny mampiroborobo ny tolotra sy ny fepetra hanatanterahana ity zo ity. Deraina ny firenentsika, ny parlemantera, ny mpiasan'ny sehatry ny fahasalamana satria nanana anjara andraikitra lehibe izy ireo tamin'ny nahatongavana tamin'izao.

Ho an'ireo mipetraka any ivelan'i Mozambika, tonga tamin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy ity vaovao ity, niaraka tamin'ny lalàna farany manala tsy ho heloka ny fanambadian'ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana vaovao izay nanomboka nanan-kery tamin'ny 1 Jolay 2015. Nahitana hevitra isankarazany ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter:

A ce que l'on voit, le Mozambique aujourd'hui a non seulement a rendu l'homosexualité légale mais aussi l'avortement

— morrissey lecter (@Legolada) 29 juin 2015

Raha araka ny hitantsika dia tsy nanao ny fanambadian'ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy ho ara-dalàna fotsiny ihany i Mozambika ankehitriny fa ny fanalan-jaza ihany koa

Mauvais moment pour célébrer une avancée  des droits humains (décriminalisation de l'avortement et de l'homosexualité au Mozambique + — manda (@oiamandas)” 1er juillet 2015

Fotoana tsy tsara hankalazàna ny fandrosoan'ny zon'olombelona (fanomezan-dalana ny fanalan-jaza sy ny fanambadian'ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy ao Mozambika.

Avec l'approbation du mariage entre personnes de même sexe aux États-Unis d'Amérique, et la légalisation de l'homosexualité au Mozambique, cette semaine a été réellement mémorable

Tena tsy ho adino ity herinandro ity amin'ny fankatoavana ny fanambadian'ny mitovy fananahana any Etazonia Amerika, sy ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanambadian'ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy ao Mozambika.

Le mariage gay  légalisé aux USA,  le Mozambique qui légalise l'homosexualité et l'avortement.  Quelle belle semaine — binha (@RubiaComSenso) 1er juillet 2015

Ny fanambadian'ny samy lehilahy nomena alàlana tany Etazonia, Mozambika nanome alàlana ny fanambadian'ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy ary ny fanalan-jaza. Tena herinandro mahafinaritra -

Ce n'est pas l'avortement qui fait faire un pas en avant au Mozambique. https://t.co/Gk2Hg22dXj

— JuX_X (@JuxPopuli) 1er juillet 2015

Tsy ny fanalan-jaza no mampandroso dingana iray ao Mozambika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.