- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manempotra ny renivohitr'i India ny mololo mirehitra sy ireo renirano maloto

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fampandrosoana, Fanabeazana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana, Voina, Zon'olombelona
[1]

Vehivavy miditra anatin'ireo rano feno roatra ao amin'ny reniranon'i Yamuna izay rako-javona manempotra. Sary avy ao amin'ny Instagram an'i Nabina Chakraborty. Nampiasaina teo ambany fahazoandalana

Isan-taona, mijaly i Delhi [2], renivohitr'i India, noho ny fahalotoan-drivotra avo dia avo izay mampidi-doza ny fahasalaman'ireo mponina, na ireo ao an-tanandehibe izany na ireo any amin'ny faritra manodidina. Tanatin'ny herinandro voalohan'ny Novambra 2019, tsy voafehy intsony ireo olan'ny zavona manempotra ary tsy maintsy niatrika roatra misy poizina mandrakotra [3] ilay renirano Yamuna [4] izay efa tena maloto loatra ihany koa ireo olompirenena.

Kalitaon-drivotra Mahafaty

Tanatin'ny herinandro voalohan'ny Novambra, nahatratra haavo mampatahotra ny loto tao Dehli raha nanakaiky ny 400, ary indraindray 999 [5], ny haavon'ny Fanondro ny Kalitaon'ny Rivotra [6]. Nitarika fiharatsian'ny fahitàna sy olan'ny taovam-pisefoana ny rivotra maloto. Nahatonga ireo mponin'ny Faritry ny Renivohitra Nasionaly (NCR) harefo manoloana ireo olana ara-pahasalamana henjana ny rivotra mampidi-doza.

Tamin'ny 11 ora maraina, tafiakatra hatrany amin'ny 999 ny fanondro hitan'ny fitaovam-fitsapàna nifanesy manodidina ny NCR sy i Haryana. Mijanóna any an-trano. Mampiasà arotava na mipetrà akaikinà fitaovam-panadiovana rivotra raha isan'ireo tsara vintana manana iray ianao. Mivavahà ho an'ireo tsy manan-kialofana.

Ho hetsika tsy misy hataka andro manoloana ilay krizy maherin'ny loto, nampirisika ny mponina tsirairay [10]ao NCR sy any amin'ireo faritra manodidina ny governemantan'i Dehli mba hanao arotava foana. Ho fanamoràna izany, namatsy arotava 5 tapitrisa ny governemanta mba hozaraina amin'ireo mponina.

Nakatona [11] ihany koa ny trano fianarana sy ny birao hatramin'ny 6 Novambra 2019 ho fepetra fitandremana. Saika tsy afaka nampiasaina ny seranampiaramanidina satria ny ankamaroan'ireo sidina rehetra dia navily [12] hiala an'i Delhi noho ny haratsin'ny fahitàna aterak'ilay zavona manempotra.

Niezaka namaha io olana io ihany koa ny governemantan'i Delhi tanatin'ny taona nifandimby tamin'ny alalan'ireo fitsipika izay hampihatra fifehezana amin'ireo mponin'ny Faritry ny Renivohitra Nasionaly (NCR) saingy toa tsy nisy namela vokatra naharitra izany.

Na eo aza ireo toejavatra sarotra misy eo amin'ny tontolo iainana, maro no nitsikera ny fanapahankevitry ny Birao Fanaraha-maso ny lalao Cricket ao India (BCCI) hikarakara [13] lalao cricket iraisam-pirenena ao Delhi amin'ny 3 Novambra 2019.

Adalàna. Mihoam-pampana. Efa mihoatra ny tokony ho izy ny fanondron'ny kalitaon'ny rivotra, ahoana no ahafahan'ny BCCI tsy mivaky loha toa izao?

Fanjakana manodidina mahazo tsiny

Nanome tsiny [20] an'ireo fanjakana manodidina azy ny governemantan'i Dehli — indrindra ny fanjakan'i Punjab, Haryana ary i Uttar Pradesh. Araka ny voalazan'ireo manampahefana [21], ny fandoroana tsy misy fanaraha-maso ny mololo [22] any amin'ny tanimbarin'ireo fanjakana manodidina no anton'io kalitaon'ny rivotra mampidi-doza io.

Tsy sangisangy ny ao Dehli amin'izao fotoana izao. Nambara ny vonjitaitra ho an'ny fahasalamam-bahoaka aty noho ny fitohizan'ny zavona matevina manerana ny renivohitra amin'ity herinandro ity. Voalaza fa noho ny setroka mahafaty ateraky ny fakon'ireo toeram-pambolena dorana any amin'ireo fanjakana manodidina izany.

Namoaka fanapahankevitra mba hanelanelanany ny toejava-misy izay nila firotsahana maika ny Fitsaràna Tampony ao India. Nitàna [21] ireo fanjakana manodidina, toa an'i Punjab, Haryana ary i Uttar Pradesh ho tompon'antoka tamin'ity toetry ny andro ity ny Fitsaràna Tampony. Olana mpiseho isan-taona izay mandoto ny rivotra [29] ny fandoroana mololo [30] ataon'ireo miompy sy mpamboly; saingy tamin'ity 2019 ity, nihoatra ireo rakitra rehetra hatrizay izany.

Manameloka ireo manampahefana ho manipy baolina ny Fitsaràna Tampony.

Notanan'ny fanapahankevitry ny Fitsaràna Tampony [36] ho tompon'andraikitra tamin'ny tsy famerana araka ny tokony ho izy ny fandoroana mololo sy ny fandeferana loatra an'ireo mpamboly sy mpiompy tratra nanao izany ny fanjakan'i Punjab sy Haryana. Nampian'izy ireo ihany koa fa tompon'antoka [37]tamin'ny fikarakarana famatsiambola ho an'ireo mpamboly sy mpiompy mba hahazoana milina fitantanana ny mololo ireo governemanta ireo.

Nanafotra ny aterineto tamin'ireo meme sy tsikera maneso mikasika ny toejavatra ao Dehli ireo mpampiasa aterineto. Ny sasany nanaraka ilay tenifototra “#letusbreathe” mangataka fa mendrika hanana rivotra tsara kalitao kokoa nóho ireo haavo mampidi-doza ry zareo.

Ny hany fanomezana tiako amin'ny Diwali dia rivotra madio sy azo iainana.

Ireo mponina ao Delhi mandeha miasa aorian'ny Diwali.

Marina izany!

Maro ireo olomalaza nizara sary [44] miaraka amin'ny arotava tao Dehli.

Renirano Yamuna Maloto

Ankalazaina aorian'ny Diwali ny fetiben'ny Chhath Puja [45] manerana ireo faritra maro ao India Avaratra. Fanompoam-pivavahana ho an'ny Andriamanitry ny Masoandro io fetibe io sady fangatahana ny fitahiany satria tonga tsy ela aorian'io ny ririnina. Anatin'ireo fombafomba atao mandritra izany ny fifadiana tanteraka izay miafara amin'ny fandroana anaty rano voahasina mandritra ny fiposahan'ny masoandro amin'ny andro fahefatr'ilay fetibe. Noho ny fiakaran'ny haavon'ny loton'ny rivotra dia feno roatra ny ranon'i Yamuna, renirano iray mikoriana ao amin'ny faritra avaratr'i India. Nilomano tao anatin'ireo ranon'i Yamuna feno roatra [46] ny vahoaka, nampidi-doza ny fahasalamany.

Tongasoa aty amin'ny taona 2109…oay…2019

Anatin'izay mety atao hoe mpitondra mankany amin'ny hoavy mahafadiranovana, feno roatra mahafaty ny Yamuna! Izany hoe, rivotra maloto, rano maloto!

Fahalotoan'i Delhi: Mandóna tongotra anatin'ny roatra mahafaty ao amin'ny Yamuna an'i Dehli ireo mpanompo ho an'ny Chhath Puja 2019.

Inona no mora kokoa nóho ny rivotra tsy misy loto?

Rivotra feno loto.

Taorianà fandroana vitsivitsy, antenaina hihatsara ny loton'ny rivotra; kanefa, mety ho fironana ara-tontolo iainana mampidi-doza sy tsy mitsaha-mitombo ny zavona manempotra tamin'ity 2019 ity ho an'ireo Delhita.