- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Asakantom-panoherana Hong Kong: zavatra mavo

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona
[1]

Netezana avy amin'ny fampirantiana “Yellow Object”. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Anisan'ny fitaovana lehibe amin'ny hetsi-panoherana anti-governemanta mihalavareny ao Hong Kong ny afisy andalambe sy ny graffiti. Tamin'ity volana ity, nisy vondrona iray ahitana mpanao soritsoritra fandravahana miisa 18 niara-nanatontosa fampirantiana mitondra ny lohateny hoe “Yellow Objects” [zavatra mavo].

Ny fampirantiana dia mampiseho afisy miisa 18 manaraka ny lohahevitra hoe “yellow object is ______” [zavatra mavo (dia) ny ______ ] ary atolony amin'izany toeram-pandokoana ho an'ny mpandray anjara hanoritsoritany ny endrika tiany avoaka amin'ny afisy an-dalana “mavo sy mainty” ho aseho eo amin'ny tahala fampirantiana.

Lasa meme [sary-sy-soratra] an'aterineto ny voambolana “yellow object” [zavatra mavo] tao Hong Kong rehefa nisy vondrona polisy misahana ny rotaka azo lahatsary nandaka mpanao fihetsiketsehana iray tao amin'ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra maizina tao Yuen Long tamin'ny 21 Septambra 2019. Ny ampitso, nilaza tamin'ny mpanangom-baovao ny mpifehy ny bemidin'ny polisy, Vasco Gareth Llewellyn Williams, fa ny lahatsary dia “mampiseho izay toa heverina ho polisy iray mandaka zavatra mavo amin'ny tany [2]”. Nisy mpanao gazety iray nihiakiaka tao amin'ny toerana hoe , “Olombelona io fa tsy zavatra!”

[3]

Iray amin'ny afisy “Yellow Object” miisa 18. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Ity tranga ity no ohatra iray hafa amin'ny fanaovan'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana ho tsy olombelona. Efa nampiasa ny voambolana “kadradraka” ny polisy hanondroany ireo mpanao fihetsiketsehana mandritra ny bemidina. Naelin'ny vondrona mpanohana ny fitondrana sy ny seha-baovao tao amin'ny media sosialy ny voambolana avy eo. Maro no nanondro fa ny fampiasana voambolana manaisotra ny mahaolombelona tahaka izany no mety hitaraka fankahalana sy handrisika ny polisy [4] hampiasa herisetra rehefa hisahana mpanao fihetsiketsehana milamina.

[5]

Iray amin'ny afisy “Yellow Object” miisa 18. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Mandritra izany fotoana izany, miteraka aingam-panahy amin'ny zavakanto andalambe maro dia maro ihany koa ny herisetra ambava mihatra amin'ny mpanao fihetsiketsehana. Ny talaky mason'ny tanàna no nitondra ireo mpanao soritsoritra fandravahana miisa 18 hiaraka hanao fampirantiana [6] :

Inspired by this emerging, painfully beautiful cityscape, 18 graphic designers speak up with the language of visual arts, in the format of poster in yellow and black.

The exhibition “ YELLOW OBJECTS” is a mockery of the brutal and ruthless authority that refers human being as object, and a reminder to defend and uphold human dignity. […]We hope that the audience could bring the message back to their community, by putting up these posters in their neighbourhood. It will be a perfect demonstration of our outcry for freedom, that will not be silenced by violence.

Nahazo aingam-panahy amin'ity talakimason'ny tanàna misandratra mahafinaritra ity, nampaka-peo tamin'ny fitenin'ny zavakanto ara-maso, amin'ny endrika afisy miloko mavo sy mainty ny mpanao soritsoritra fandravahana miisa 18.

Ny fampirantiana “ YELLOW OBJECTS” dia fandrabirabiana ny fahefana bontolo sy tsi-mifaditrovana manondro olombelona ho zavatra, ary fampahatsiahivana mba hiaro sy hanandratra ny fahamendrehan'olombelona. […] Manantena izahay fa afa-mitondra ny hafatra mankany amin'ny vondrom-piarahamonina ny mpanatrika, amin'ny fametahana avo ireo afisy ireo any amin'ny manodidina azy. Io no ho fanehoana lavorary amin'ny hiakantsika mitaky fahafahana, izay tsy ho ampanginin'ny herisetra.

[7]

“Arovy ny zanatsika”. Iray amin'ny ranty 18. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Mampiatrano ny fampirantiana nanomboka tamin'ny 21 novambra ka hatramin'ny 8 desambra 2019 ny Openground Cafe. Malalaka ny fitrohana [8] sy ny fizarana ny ranty rehetra fa tsy misy copyright.

[9]

Fidirana ao amin'ny tahala fampirantiana hita tao amin'ny pejy Facebook Openground Cafe.