- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Buzzfeed kirghizy miteraka fitarainana (sy fijery) momba ny fitsaràna an-tendro mifototra amin'ny maha-lahy sy vavy

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kyrgyzstan, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina
Limon.kg это популярный информационно-развлекательный портал в Кыргыстане. Фото с сайта Wikipedia. Надпись:

Limon.kg dia vavahadin-tserasera ho an'ny fampahalalambaovao sy fialamboly malaza ao Kirghizistan. Sary nalaina tao amin'ny tranonkala Wikipedia. Maribolana: “Tsy sôlafanao aho”

Tamin'ity herinandro ity, taorian'ny namoahany lahatsoratra iray nitondra lohateny hoe “ireo hatsaràna fototra miisa 32 tokony hananan'ny ‘kelin‘ idealy [1] (fofombady vavy), norarafan'ny fanehoankevitra maneho tsy hafaliana ilay vavahadin-tserasera kirghizy iray natao ho an'ny fampahalalambaovao sy ny fialamboly, izay manangona ireo votoaty azo lazaina ho miely be. Rehefa avy norarafan'ireo fiampangàna marobe nalefan'ireo mpamaky nilaza azy ho mpanavakavaka, novalian'ny Limon.kg tamin'ity lahatsoratra manaraka ity: « ireo hatsaràna fototra miisa 32 tokony hananan'ny “kouïo bala” idealy [2][fofombady lahy]».

Rehefa alahatra ireo lahatsoratra roa dia samy mitahiry ireo fenitra avo dia avo toa tsy ho tratra ampiharin'ireo fianakaviana mifikitra amin'ny nentindrazana ao Azia Afovoany amin'ireo vinantony (lahy sy vavy) — fa indrindra ny vehivavy. Toa tsy dia ny hampiakatra loatra ny laharana misy ilay pejy no tian'ilay tranonkala natao tamin'ny namoahany ireny sombin-tantara ireny, fa koa haneho hoe hatraiza no maha-rediredy an'ireny fenitra ireny.

Satria tsy nitondran'ny Limon.kg fanazavàna ny momba ireo lahatsoratra roa niely be ireo, dia tsy hahafantatra veilively izay antony isika.

Na somary natao ambanin-javatra ihany aza, dia mitàna toerana manan-danja ao anatin'ny fianakaviana nentindrazana kirghizy ny “kelin” (fofombady vavy). Manamaivana ny reny ao an-tokantrano amin'ny fanaovana ny raharaha rehetra ny fahatongavany ho isam-pianakaviana tamin'ny alàlan'ny fanambadian'ny iray tamin'ireo zanakalahy tonga taona hanambady.

Saika ny zavatra rehetra no sahanin'ny kelin, izany no manazava ny antony ankasitrahana ireo fomba fanao ao amin'ilay firenena, toy ny fakàna ankery vehivavy hovadiana [3] .

Araka ny lazain'ny Eurasianet [4] [teny anglisy]:

Ny kelin mahazatra, na ny fofombady vavy izay miaina any anivon'ny ankamaroan'ireo fianakaviana ambanivohitra ao Azia Afovoany, dia andrasana hanao asan'andevo. Ny rafozambaviny kosa, dia endriky ny fahasiahana tsy misy antra, tahaka izay anehoana azy any anaty sarimihetsika marobe vokatra avy any Azia Afovoany.

Raiso ho ohatra ny toerana lalaovin'i Saïda Rametova ao anatin'ilay hatsikana Ozbeky malaza “Super kelinchak”. Avadiny ho toy ny helo ny fiainan'ilay Rosiàna vinantovaviny, amin'ny fanakianana tsy misy farany izay rehetra tsy fahaizany mikarakara legioma sy izay ataony eo am-panatanterahana ireo raharaha hafa ao an-tokantrano. Na koa ny toerana tazonin’i Turakhan Sadykova [5] [anglisy] ao anatin'ilay sarimihetsika vokatra tany Caucasus, “Kelin” voafaritra [6] [teny anglisy] ao anaty kiana iray ho toy ny “vehivavy antitra mpamosavy manana fifandraisana miafina amin'ny natiora”.

Кыргызские музыканты играют на традиционных инструментах в восточном городе Каракол. Фото с сайта  Wikipedia.

Mozisiàna kirghizy nilalao tao an-tanànan'i Karakol ireo zavamaneno nentindrazan-dry zareo. Sary nalaina tao amin'ny Wikipedia.

Mifanohitra amin'ny “Kelin”  ny “kouïo bala” :ilay lehilahy nanasa azy hiditra ho isam-pianakaviany.

Miresaka ny “kelin” ny lahatsoratra voalohany navoakan'ny Limon.kg.

Ireto, araka ny lazain'ny Limon.kg, ny vitsivitsy amin'ireo hatsaràna tsy maintsy ananany:

Niteraka resabe ilay lahatsoratry ny Limon.kg satria avy any Bishkekn renivohitra kirghizy, no tena fiavian'ireo mpamaky be indrindra an'ilay tranonkala, toerana izay tena mihanaka be tokoa ny aterineto sy ireo fitsaratsarampoana mifototra amin'ny maha-lahy sy vavy, ny fanitsakitsahana tokantrano na tsia, somary henjankenjana noho ny any ambanivohitra.

Ireto ambany ireto ny fanehoankevitra teo ambanin'ilay lahatsoratra sy tao amin'ny Facebook-n'ny Limon.kg :

ГЕНДЕРНОМУ РАВНОПРАВИЮ – ДОРОГУ ПОЖАЛУЙСТА

Omeo toerana ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, misaotra!

кроме смеха эта статья не может ничего вызывать. А Лимон за такое женаненавистничество надо банить.

Tsy misy mendrika an'ity lahatsoratra ity afa-tsy ny hihomehezana.  Amin'ny fanambaniana vehivavy ataon'ny lehilahy tahaka izany, tokony hi-bodo ny Limon isika.

Raha nisy lehilahy iray nanoratra fa:

Вот такую жену и на руках носить можно, я бы даже сказал нужно!!! Да обязаны просто))) Всем девушкам счастья в браке, будьте хорошими келинками)))

Ny karazana vehivavy tahaka izany no azo, sy tsy maintsy, atao eo an-tànana!!! Sady tsy tompon-tsafidy koa anie ry zareo e ))) Mirary hasambarana ho an'ny sipa rehetra anaty fanambadiana, misehoa ho kelins milay )))

dia ity no valinteny azony :

А разве у нее, бедняги, будет время на Ваших руках покататься? Она же вроде, встает и ложится раньше всех (в том числе желающего поносить ее на руках)… И еще, почему обязана? А ей, надо полагать, никто и ничего не должен… Печально!!

Ry adalabeko ireto, fotoana tahaka ny ahoana no mety hitontonan'ny karazana vehivavy tahaka izany eo an-tànanareo ? Indrindra fa hoe mifoha alohan'ny olona rehetra ry zareo (anatin'izay ilay maniry ny hànana azy eo an-tànany) dia matory aorian'ny rehetra avy eo… Dia avy eo koa, ahoana izy no tsy tompon-tsafidy ? Nefa ho azy, tsy misy na inona na inona tamby hatolotra azy… Mampalahelo an  !!

да здравствует 19 век и женщины без права голоса, молчащие при муже и его святых родственниках. Жду статью – За что можно бить женщину: За плохой бешбармак, За то, что взглянула в глаза мужу, За то, что попалась на пути, когда муж зол…

Ho ela velona ny taonjato faha-19 sy ireo vehivavy tsy manana zo hifidy, izay mangina eo anoloan'ireo lehilahy ary ny ray sy reny masin-dry zareo. Andrasako ny hivoahan'ny lahatsoratra hoe  “Ireo antony idarohana an-dramatoa vadiny: noho ny  beshbarak ratsy voatra, noho izy nijery ny vadiny tany anaty masony, noho izy nanatrika ny hatezeran-drangahy vadiny…

Ждем теперь идеальные качества kuyio bala)))

Mba miandry izay hatsaràna idealy ho an'ireo kouïo bala )))

Faniriana iray tanteraka andro vitsy taty aoriana:

Arakany lazain'ny Limon.kg, ny hoe kouïo bala tsara dia

Teto, nanomboka niahiahy ireo mpamaky hoe sao mba ny mpitantana ny Limon.kg ihany no manakorontana azy rehetra, ary dia lasa somary maivamaivana kokoa sy nalefadefaka ireo fanehoankevitra:

Заметьте, нет пункта о том что куйоо бала должен быть хорош в постели

Mba voamarikareo ve hoe tsy hita mihitsy ato ny tokony ho hatsaràna ananan-drangahy (kuyoo-bala) rehefa ao am-pandriana?