- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rafael Marques voasazy higadra enim-bolana an-tranomaizina tany Angola

Sokajy: Angola, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2015)

Jornalista Rafael Marques no Tribunal Provincial de Luanda. Foto: MakaAngola

Ilay mpanao gazety Rafael Marques tao amin'ny Fitsaram-paritany ao Luanda. Sary: MakaAngola [1]

Mbola nisongadina hatrany ny raharaha momba ilay mpanao gazety Angoley [2] Rafael Marques . Notaterin'ny [3] GV tamin'ny 23 Mey fa ho afahana tamin'ny fizotry ny raharaha izay nahalasibatra azy ilay mpanao gazety sady mpanoratra ny boky “Blood Diamonds” na “Diamondran-drà” taorian'ny fifanarahana niarahana tamin'ny fitsarana Angoley. Nomelohin'ny fitsaram-paritra tao Luanda higadra enim-bolana an-tranomaizina sazy mihantona, araka ny notateran'ny DW Africa [4] i Debalde, Rafael Marques:

O Tribunal Provincial de Luanda condenou esta quinta-feira (28.05) o jornalista e ativista angolano Rafael Marques a uma pena suspensa de seis meses por 12 crimes de denúncia caluniosa contra empresas de exploração mineira e sete generais do exército envolvidos em negócios de diamantes, retratado no livro “Diamantes de Sangue: Tortura e Corrupção em Angola”, publicado em Portugal em 2011, pela editora Tinta da China.

A sentença lida pelo juiz Adriano Cerveira Baptista, destaca que Rafael Marques foi condenado por 12 crimes, nos termos do artigo 245 do Código Penal. Cada condenação corresponde a uma pena de 15 dias de prisão, resultando assim os seis meses.

Nanameloka an'ilay mpanao gazety Angoley sady mpikatroka Rafael Marques ny Fitsaram-paritra Angoley (28/05), sazy mihantona enim-bolana an-tranomaizina noho ny fiampangana fanalam-baraka miisa 12 natao an'ireo orinasam-pitrandrahana sy ireo jeneralin'ny tafika miisa fito voarohirohy tamin'ny fivarotana diamondra ary navoaka sary tao amin'ny boky “diamondran-drà: fampijaliana sy fanaovana kolikoly any Angola”izay navoakan'ny trano pirinty Tinta da China tany Paortiogaly tamin'ny taona 2011.

Milaza ny didim-pitsarana novakian'i Mpitsara Adriano Cerveira Baptista fa meloka tamin'ny fiampangana miisa 12 i Rafael Marques, araka ny andininy faha-245 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana.  Mifanandrify amin'ny sazy an-tranomaizina 15 andro ny fanamelohana tsirairay, ka mitotaly enim-bolana.

Naseho tao amin'ny vavahadim-panoherana ny vaovao:

Nahazo enimbolana am-ponja sazy mihantona ilay mpanora-gazety ao Angola Rafael Marques

Nanameloka ity didim-pitsarana ity koa ny Departemantam-panjakana amerikana :

Diso fanantenana i Etazonia tamin'ny fanamelohana an'i Rafael Marques tamin'ny fanalam-baraka ary manahy momba ny Fahalalahana an-gazety any Angola.

Niresaka sioka nataon'ny Euronews i Francisco Marques:

Rafael Marques nomelohina noho ny  “Diamondran-drà”, boky izay namelabelarany momba ny  fanitsakitsahana ny zon'olombelona

Azo notrohana maimaimpoana tao anatin'ity rohy [15] ity ny boky izay nampiakatra an'ity raharaha ity tany amin'ny fitsarana . Tsy afaka miditra ianao ankehitriny fa mahita ny “404 tsy hita”.