Mikomy amin'ny EURD ny mponina ao Sao Tome ary mitaky ny fampodiana ilay pasitera notorian'io fiangonana io

Ny Fiangonana Maneran-tany ho an'ny Fanjakan'Andriamanitra ao Maputo, Mozambika. CC BY SA 4.0

Mety hiafara amin'ny fialan'ny fiangonana breziliana ao amin'ny firenena afrikanina ny krizy nitranga tao amin'ny  Fiangonana Maneran-tany ao Sao Tome-et-Principe.

Nanomboka ny krizy raha nosamborina tamin'ny 11 Septambra i Ludmilo Veloso, pasitera ao amin'ny Fiangonana Maneran-tany any Côte d'Ivoire, voampanga ho nandefa hafatra tamin'ny tambajotra sosialy izay voalaza fa nanaratsy ny endriky ny fiangonana.

Araka ny filazan'ny BBC Brezila:

O autor [das mensagens] também acusava bispos e pastores brasileiros de se apropriar de dízimos recebidos pela igreja, além de “humilhar, insultar, esmagar e escravizar os (pastores) africanos”.

O autor conclamava os funcionários locais a se insurgir contra a igreja. “Éramos muito pacientes, humildes demais, educados demais. Agora é hora de agir sem piedade!”

Niampanga ny eveka sy ny pasitera Breziliana ilay mpanoratra ho nihinana ny ampahafolon-karena noraisin'ny fiangonana, ankoatry ny “fanalam-baraka, fanevatevana, fanosihosena ary ny fanandevozana ny (pasitera) afrikana.”

Nandrisika ny tompon'andraikitra teo an-toerana hanao fikomiana ny fiangonana ilay mpanoratra. “Nanam-paharetana izahay, nanetry tena loatra, hendry loatra. Tonga izao ny fotoana izay hihetsehana tsy misy famindram-po! ”

Nisy ny fihetsiketsehana nahery vaika nataon'ireo Sao Tomeana ny 16 Oktobra tohin'ilay fisamborana, izay niafara tamin'ny famotehana ny Eglizy Maneran-tany nifanesisesy sy ny fahafatesan'ny iray tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ihany koa. Hoy ny pejy Facebook Prakata Táuas:

Momentos de extrema tensão foram vividos esta tarde em São Tomé quando populares, desesperados e revoltados com a situação do ex pastor São-tomense da IURD, preso na Costa do Marfim, por alegadas queixas impostas pela própria igreja, decidiram destruir e acabar com a presença destas instituições no país, visto que o prazo de 8 dias imposto pela Assembleia Nacional para que a Igreja (IURD) apresentasse o cidadão Ludimilo, detido ilegalmente na Costa do Marfim, aproximasse e nenhuma acção foi tomada pela igreja.

Durante a onda de tensão, a Policia Nacional, num ato de tentar impedir com que os populares invadissem a Igreja, matou, involuntariamente, um menino de 11 anos através de uma bala perdida.

Niaina fifandonana mafana io tolakandro io ny tao Sao Tome rehefa nanapa-kevitra ny handrava sy hamarana ny fisian'izy ireo ny vahoaka diso fanantenana sy rikoriko tamin'ny toe-javatra nahazo ilay pasiteran'ny EURD teo aloha tao Sao Tomé, izay nogadraina any Côte d'Ivoire, noho ny fitoriana fiampangana nataon'ny fiangonana ihany. Tsy nisy anefa ny fepetra noraisin'ny fiangonana raha  nihanakaiky ny fe-potoana 8 andro napetraky ny Antenimieram-pirenena ho an'ity fiangonana (EURD) ity mba hisoloana tena an'i Ludimilo izay voatazona  tsy ara-dalàna tao Côte d'Ivoire.

Nandritra ny fifandonana nifanesy, namono tsy nahy zazalahy kely 11 taona tamin'ny bala very ny Polisim-pirenena, rehefa nikasa hanakana ny vahoaka tsy hanafika ny Fiangonana.

Navotsotra ihany ilay pasitera taty aoriana noho izany sy ny hetsika maro hafa niseho saingy mbola voasakana tsy hiala any Côte d'Ivoire izy.

Nihevitra ny handrara ny Fiangonana Maneran-tany ao amin'io firenena io mihitsy aza ny parlemanta ao Sao Tome, araka ny nolazain'ny mpitondratenin'ny andrim-panjakana :

Nós entendemos que a Igreja Universal violou o direito humano, tendo em conta que o cidadão foi condenado a um ano de prisão e nem sequer teve direito a um advogado. Isso não é possível, é uma violação dos direitos humanos.

Entendemos que a igreja tem toda a responsabilidade de trazer de volta o cidadão Uidimilo Veloso. Se eles não despacharem, seremos obrigados a tomar outras decisões.

A igreja deve assumir, e se não assumir, sob pena de, não assumindo, nós acionaremos outros mecanismos para não existir mais esta igreja cá em São Tomé e Príncipe.

Fantatsika fa nanitsakitsaka ny zon'olombelona ny Fiangonana Manerantany, ​​raha toa ka voaheloka higadra herintaona ilay olo-tsotra ary tsy nanan-jo haka mpisolovava akory. Tsy azo atao izany fa manitsakitsaka ny zon'olombelona.

Fantatsika fa manana andraikitra ny fiangonana hampody an'i Uidimilo Veloso. Raha tsy mandefa azy ry zareo dia voatery handray fanapahan-kevitra hafa izahay.

Tokony handray ny andraikiny ny fiangonana raha tsy izany dia handray fanapahan-kevitra hafa izahay hanakatonana io fiangonana ao Sao Tome-et-Principe io .

Tao amin'ny Facebook, nisy fanehoan-kevitra nanohana sy nanohitra ary ihany koa ny fanahiana amin'ny fiverenan'ilay pasitera:

Os familiares de Ludmilo Veloso aguardam com ansiedade o seu regresso à São Tomé e Príncipe.

A esposa do pastor São-tomense da Igreja Universal do Reino de Deus (IURD) na Costa do Marfim, tem informações que o marido estará no país no próximo dia 16 de novembro.

A prisão do pastor, acusado de denegrir a imagem da IURD, originou tumultos que resultaram na morte de um adolescente e a destruição de vários edifícios da IURD em São Tomé e Príncipe no passado dia 16 de Outubro.

Miandry ny fiverenany any Sao Tomé-et-Principe ny fianakavian'i Ludmilo Veloso.

Nampahafantarina ny vadin'ilay pasitera Sao Tomeana ao amin'ny Fiangonana Maneran-tany an'ny Fanjakan'Andriamanitra (EURD) ao Côte d'Ivoire fa hody an-tanindrazana ny vadiny ny 16 Novambra.

Niteraka korontana ny fisamborana ilay pasitera, voampanga ho nandoto ny endriky ny EURD, ka niafara tamin'ny fahafatesan'ny zatovo iray sy ny fanimbana ny tranobe EURD maromaro tany Tomé-et-Principe tamin'ny 16 Oktobra izany.

Mbola miato ny fiverenany amin'izao fotoana izao. Nanapa-kevitra ny hanendry ekipanà mpisolovava vaovao ilay pasitera hanaraka ny raharaha. Voalaza fa hisy ny fitsarana vaovao ny 27 Novambra .

Hita manerana ny firenena miisa 23 ao amin'ny kaontinanta afrikana ny Fiangonana Maneran-tany ary efa nisy tsy fitovian-kevitra tamin'ny fiarahamonina Angoley tany aloha. Araka ny filazan'ny gazety Jornal de Angola, voampanga ny fiangonana ho nanery ireo pasitera hanery ireo pasitera hisafidy ny tsy hiteraka.

Nisy ny fifanenjanana vaovao nipoaka vao haingana teo amin'ny fiangonana sy ireo pasitera tao Angola. Nisy ny filazana fa nahitana mpitandrina miisa 300 mahery nikasa hivarotra ny fananan'ny EURD tany Angola, ary nisy fitoriana nipetraka tao Mozambika.

Niatrika fanenjehana tao amin'ny firenena ihany koa io fiangonana io ary izy no farany amin'ny andiana pasitera tranainy izay mitaky tambin-karama tamin'ny fotoana niasany ho an'ny fiangonana kanefa sady tsy mahazo vola tamin'ny asa vita.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.