- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ahoana no hijirihana ny MSN Spaces amin'ny teny Sinoa mba hahafahana mampiasa ireo teny voarara

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2005)

Isaorana i Bennett Haselton avy ao amin'ny Peacefire.org [1] ho an'ireto torolalana manaraka mikasika ny tolotra ho an'ny vahoaka ireto, natao ho an'ireo Sinoa mpampiasa aterineto te hiala an'ireo mpanivana teny ao amin'ny MSN Spaces ao Sina ka tsy mamela azy ireo hanisy ny teny hoe “demaokrasia”, ohatra, anatin'ny lohatenin'ny bilaoginy.

Raha misy te handika ireo torolalana ireo amin'ny teny Sinoa, aza misalasala manao izany, avoahy ao anatin'ny bilaoginao na ny vohikalanao ila dikateny, ary miangavy anao izahay hanome ilay rohy ao amin'ny faritra natokana ho an'ny “fanehoankevitra” amin'ity lahatsoratra ity. Na koa, raha tsy manana bilaogy na vohikala ianao, afaka alefanao mivantana ao amin'ny faritry ny fanehoankevitra ny dikateny manontolo.

VAOVAO FARANY: Efa manana dikateny ny bilaogy The Working Man ao Taiwan.

MARIHO IHANY KOA: Milaza i Doubleaf [2]fa niezaka nampiasa ny MSN Spaces amin'ny teny Sinoa izy ary tsy voasakana intsony ireo teny saro-pady. Misy tratran'izay koa ve ny hafa?

VAOVAO FANAMPINY (9:15 Alina, 16 Jona) – Vao avy niezaka nanokatra bilaogy Spaces Sinoa ny tenako ka nampiasa ireo tarehintsoratra Sinoa ho an'ny “demaokrasia” “zon'olombelona” ary “fahafahana,” ary nahazo hafatra milaza amiko fa tsy afaka mampiasa ireo teny voarara ireo aho.

Ary koa, raha ao Sina ianao ka manandrana an'izao, raha manana olana na fanontaniana ianao, na koa tsy mandeha ilay izy, miangavy anao hampahafantatra anay izany ao amin'ny faritry ny “fanehoankevitra”.

——————————————————————–

Ahoana ny fomba hametahana ireo teny Sinoa voarara anatin'ny lohateninà bilaogy ao amin'ny MSN Spaces ao Sina

TANDREMO! Na dia afaka mampiasa ireto torolalana ireto hampidirana teny voarara anatin'ny lohatenin'ny bilaoginao amin'ny teny Sinoa aza ianao, mbola voara-maso sy voafehin'ny governemanta ny fidirana Aterineto ao Sina. Raha mampiasa ireto torolalana ireto ianao mba hamoahana fitaovana voarara, tsy tokony hamoaka ny bilaoginao avy aminà “terminal” anà Aterineto izay ahafahana mamantatra ny toerana misy anao avy amin'ireo hetsika ataonao, ary tsy tokony hamoaka na inona na inona ahafahana mamantatra anao ianao ao amin'ny bilaoginao. Tokony hampiasa adiresy HotMail.com ihany koa ianao, izay tsy ahafahana mamantatra anao amin'ny anaranao tena izy (mamoróna kaonty HotMail.com iray vaovao raha ilaina izany).

Mba ahafahanao mampiasa ireo torolalana ireo, mila mamorona kaonty MSN Spaces iray vaovao ianao. Indrisy fa tsy afaka manaisotra ireo sivana napetraka taminà bilaogy efa misy ireo torolalana ireo. Raha efa namorona kaonty MSN Spaces ianao ka nampiasa ny adiresy MSN.com na HotMail.com anao, dia mila mamorona adiresy MSN.com na HotMail.com iray vaovao ihany koa, satria ny adiresy MSN.com na HotMail.com rehetra dia tsy afaka mifandray aminà kaonty MSN Spaces mihoatra ny iray.

Raha te hamorona bilaogy izay ahafahanao mamoaka teny Sinoa voarara anatin'ny lohateny ianao:

RAHA MAMPIASA NY TENY ANGLISY IANAO:

RAHA TSY MITENY ANGLISY KOSA DIA:

Hamadika ny pejy amin'ny teny Sinoa izany. Saingy, koa satria *noforoninao* tamin'ny alalan'ilay pejy tamin'ny teny Anglisy ny bilaogy, mbola tsy hihatra amin'ny lohatenin'ny bilaoginao ilay sivana mahazo ny teny Sinoa.