- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manohy amin'ny fandraketana an-tsary ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona ireo Shiliana mpakasary

Sokajy: Shily, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Saripika, Zon'olombelona

Avy ao amin'ny rakitsary “Mesada”, ho fahatsiarovana ny aniversera iray volana fitroarana taona 2019 tao Shily. Nahazoana alalana.

Tamin'ny taona 1981 tao Shily, nandritra ny fitondrana jadona notarihan'i Augusto Pinochet notohanan'i Etazonia [1], nisy vondrona mpakasary iray ahitana ny mpiara-nanorina azy antsoina hoe Paz Errázuriz [2] nanangana ny Fiarahan'ny Mpakasary Mahaleotena [3] (AFI raha amin'ny fanafohezanteny espaniola) mba handrakitra hitamaso ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona eny andalan'ny renivohitra Santiago.

Efa ho telopolo taona taty aoriana, nandritra ny taona 2011-2013 raha nanao fihetsiketseham-panoherana [4] manerana an'i Shily ny mpianatra, nisy vondrona mpakasary matihanina sy mpitia tsotra namelona indray ny anarana ary nanangana ny AFI Santiago noho ny fitovian-kinendry ihany. Mizara ny sariny amin'ny media sosialy ireo fifanandrinana mitranga amin'izao fotoana ilay vondrona ao amin'ny dosientsary efa betsaka dia betsaka ao amin'ny pejiny Facebook [5]. Tao amin'ny antsafa imailaka nifanaovana tamin'i Rodrigo Segovia, mpikambana iray ao amin'ny vondrona, nametraka ny AFI Santiago fa ny tanjony dia ny “hanangana fampitam-baovao mahaleotena, marihitra, sy marina miaraka amin'ny vondrom-piarahamonim-pirenena sy iraisampirenena, mamafy ny voa ao amin'ny taranaka vaovao amin'ny famohazana bebe kokoa sy fanajana ny zo fototry ny olombelona.”

Vao haingana ny AFI Santiago namoaka rakitsary [6] mitondra ny lohateny hoe “Mesada” ho fanatsiarovana ny fahafenoan'ny iray volan'ny fitroarana misy amin'izao fotoana, izay mifantoka amin'ny hantsana ara-toekarena. Nahatonga fahafatesan'olona 23 isa sy faharatran'olona an'arivony [7] manerana an'i Shily hatramin'izao fotoana anoratana izao ny famoretana ataon'ny polisy.

Ireo sary manaraka etoana dia nozarain'ny AFI Santiago ho avoaka indray ary mahasahana ny fotoana nanombohan-dry zareo ka hatramin'ny androany.

Sary iray nivoaka tamin'ny 2012 ahitana tanora “wechafe” [mpiady] iray miatrika polisy miaramila tamin'ny atsamotady nandritra ny fakan'ny Mapuche indray ny taniny. Nahazoana alalana.

Joven mapuche se enfrenta con un carro policial de las Fuerzas Especiales en el Ex Fundo La Romana. El pueblo mapuche lleva más de quinientos años resistiendo. Progresivamente desde la llamada “Pacificación de la Araucanía” del siglo XIX, se los fue despojando de sus tierras. Latifundistas extranjeros, grandes empresas forestales y termoeléctricas han usurpado su territorio y destruido su ecosistema. Hoy, las comunidades en resistencia mantienen una gran lucha reivindicativa que los lleva a enfrentarse a sangre y fuego contra el estado chileno y los capitales extranjeros para defender su cosmogonía, su cultura y sus tierras ancestrales.

Tanora Mapuche iray mifanandrina amin'ny fiaran'ny polisy iray avy amin'ny Vondrotafika manokana ao amin'ny Fundo (hacienda) La Romana taloha. Efa mihoatra ny dimanjato taona ny vahoaka Mapuche no nifahatra. Hatramin'ny nolazaina ho “Fampandrian-tany Araucanía” tamin'ny taonjato faha-19, nesorina tsikelikely tamin'ny taniny ry zareo. Nisandoka ny taniny ireo vahiny (tompon'ny tany) sy ireo orinasa lehibe fitrandrahana ala sy manodina herinjiro amin'ny habetsahan-kafanana sady namotika ny rafitry ny tontolo iainan-dry zareo. Amin'izao fotoana izao ny fifaharan-dry zareo mahatazona tolona lehibe mitarika azy ireo hiatrika amin'ny ra sy ny afo ny fiarovan-dry zareo ny fomba fiheviny amin'ny fiandohan'izao tontolo izao (cosmogonie), ny kolontsainy sy ny tanindrazany anoherany ny fanjakana shiliana sy ny vahiny manana ny renivola.

Fihazonana mpianatra nandritra ny fihetsiketseham-panoheran'ny liseana tamin'ny taona 2013. Nahazoana alalana.

Fihetsiketsehan'ny Fikambanan'ny Fianakavian'ny Nohazonina sy Nanjavona (AFDD) eo anoloan'ny lapan'ny filoham-panjakana shiliana miantso ny governemanta hamoaka torohay bebe kokoa momba ireo nohazonina sy nanjavona nandritra ny fitondrana jadon'i Pinochet. (2016). Nahazoana alalana.

El compromiso de verdad, justicia y reparación parecen esconderse tras los muros de una administración que no avanza en poner fin a la impunidad y a las garantías que hoy tienen los violadores a los Derechos Humanos en Chile.

Ny fiantsorohana ny marina, ny rariny ary ny fanonerana no toa miadina ao ambadiky ny rindrin'ny fitantanana izay tsy miroso mankany amin'ny famaranana ny tsi-fisaziana (tsimatimanota) sy hamaranana ny filaminan'ireo mpanitsakitsaka ny zon'olombelona mbola eto Shily amin'izao fotoana izao.

Fianakaviana mahandro hanina amin'ny vilany iraisana hozaraina amin'ny fianakaviana maro mandritra ny fihetsiketsehana mitaky ny zo ara-tany. Nahazoana alalana.

Saripikan'ny diabe fihetsiketsehana taona 2019 ao an-tanànan'i Osorno, Shily, ao anatin'izany ny rakitsary “Mesada” voalaza etsy ambony (2019). Nahazoana alalana.

Al cumplirse un poco más 30 días del levantamiento social en Chile, son miles las imágenes que han dado la vuelta al mundo mostrando como un pueblo fue capaz de despertar al sonido de los estudiantes que nos enseñaron que “Evadir” es una forma válida de lucha y que al compás de las cacerolas, más de 1 millón de personas pueden marchar libremente a la sombra de nuevas banderas.

La frase: “Porque nos robaron todo, incluso el miedo”, se establece como única estrategia de enfrentamiento civil hacia las balas de un sistema represivo que se niega a oír los sonidos de la calle. Elegir nuestro propio destino es la base de cambio estructural que la primera línea no esta dispuesta a tranzar.

Chile cambió en un mes y lo hizo para siempre.

Este es un homenaje a quienes murieron, fueron torturados, abusados, desaparecidos y perdieron su vista en esta lucha de transformación social. A todos ellos, sus familias y un país entero, nuestro respeto y compromiso a través de estas imágenes.

Rehefa nahafeno mihoatra kely ny 30 andro amin'ny fitroarana sosialy tao Shily, nisy ireo sary an'arivony nozaraina manerana izao tontolo izao manehy ny fahafahan'ny vahoaka iray mamoha ny feon'ireo mpianatra nampîanatrea anay fa endrika mety amin'ny tolona ny  “Mandositra” ary miaraka amin'ny lapoaly sy ny takotra sy (ilazana ny cacerolazo [8]), afa-mandeha malalaka eo ambany aloky ny saina vaovao ny olona mihoatra ny iray tapitrisa.

Napetraka ny fehezanteny: “Satria efa nangalarina taminay ny zavadrehetra, eny hatramin'ny tahotra aza,” ho paikady tokana ifanandrinan'ny sivily amin'ny balan'ny rafitra mamoritra tsy manaiky hihaino ny feon'ny eny an-dalambe. Ny mifidy ny lahatray manokana no fototry ny fiovana izay tsy tian'ny eny amin'ny laharana voalohany dinganina.

Niova tao anatin'ny volana iray i Shily ary ho mandrakizay izany.

Izao no fanomezam-boninahitra ireo maty, nampijaliana, nanaovana fanamparam-pahefana, nanjavona ary ireo very fahitana tao anatin'ity tolona hisian'ny fiovam-piarahamonina ity. Ho azy irehetra ireo, ho an'ny fianakaviany sy ny firenena iray manontolo, miseho amin'ny alalan'ireo sary ireo ny fanajanay sy ny fiantsorohanay.