Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Manoritra ny tantara lava katolika tao Nagasaki ny fitsidihan'ny Papa Fransoà

Pope in Nagasaki

Fitsidihan'ny Papa Fransoà tao Nagasaki. Saripikan'i Koga Masao, nahazoana alalana.

Nanasongadina ny vakoka ara-tantaran'ny kristiana ao amin'ny firenena ny fitsidihana voalohany nataon'ny Papa tao Japana tao anatin'ny efa ho efapolo taona izay, namantarana ireo fanamby lehibe atrehin'ny hafa eto amin'izao tontolo izao, ary manolotra hirika na ho an'ny Papa na ho an'ny vahoaka ao Japana hividy karazan-javatra mifandraika amin'ny Pontifa.

Tamin'ny asabotsy 23 novambra ny papa fransoà no nanomboka ny fitetezana an'i Japana mandritra ny efatra andro, fitsidihana voalohany nataon'ny Papa taorian'ny fitsidihan'ny Masindahy Joany Paoly II tamin'ny taona 1981. Ny fiatoana lehibe voalohany tamin'izao dia izao dia tany an-tanàna andrefana ao Nagasaki, izay nanatontosan'ny Pontifa lamesa ankalamanjana tao amin'ny kianja fanaovana baseball ary nahavory olona 30.000 farafahakeliny.

Pope in Nagasaki

Fitsidihan'ny Papa Fransoà tao Nagasaki. Saripikan'i Koga Masao, nahazoana alalana.

Nanatrika ny lamesa i Koga Masao, mponina ao Nagasaki, ary nizara izay eritreriny tao amin'ny Facebook izay zava-niainany (nahazoana alalana ny tsonga):

POPE IN JAPAN 2019 長崎県営野球場を取材?雷雲が過ぎるのを待って出かけた。野球の試合観戦はスタンドだけだがフィールドがメインのミサ。人ひとひとで、ディズニーワールド!久しぶりに行列に並ぶ。

勝手が分からず、スタンディングのタイミングがやや遅れた。進むに連れ、あの日も見ていただろう岩屋山が雲間に現れ、晴れ間が広がった。1981年2年26日を思いやった。

演出の凄さ、聖体拝領に感動しながら、バックネット上部を見た。長崎新聞の号外を頂いて帰路に着いた。勿論3万人を超す人の波に心撃たれながら。

POPE IN JAPAN 2019
Tokony handeha ao amin'ny kianjabe filalaovana Baseball ao Nagasaki ve aho haka sary? Niandry ny fahalasanan'ny rahon-tselatra aho nialoha ny hivoahana ny trano. Efitra natao ijoroana fotsiny izany, ary ankalamanjana eo amin'ny kianja filalaovana no nanatontosana ny lamesa. Niditra tsirairay tao amin'ny kianjabe izahay, tahaka ny fidirana ao amin'ny Disney World! Sambany ho ahy no nilahatra ela amin-javatra iray aho.

Na dia mbola tsy matoky loatra izay ho atao aza izahay rehetra, dia nanaraka ny onjany teny izahay rehetra na dia somary tratra aoriana aza. Rehefa niroso ny raharaha ary nahazo topimaso ny Tendrombohitra Iwaya avy ao amin'ny rahona sy ny lanitra manga amboninay aho, dia nitovy tamin'ny andron'ny 26 Febroary 1981 [nitsidihan'ny Papa Joany Paoly II an'i Nagasaki] izany.

Mijery avy ety ivelan'ny kianja, valalanina aho amin'ny halehiben'ny fanatontosana sy amin'ny komoniona [firaisantsaina]. Nahazo famoahana manokana fanatsiarovana avy amin'ny gazety Nagasaki Shimbun ary nasiako olona ny lalana mody. Nandona ahy ny onjan'olona mihoatra ny 30.000 izay tonga ihany koa hijery ny Papa Fransoà.

Nandritra ny lahateniny ny Papa Fransoà nanondro miharihary ny nandarohana baomba an'i Nagasaki tamin'ny 9 Aogositra 1945, andro vitsy monja taorian'ny nandarohana baomba an'i Hiroshima. Farafahakeliny olona 35.000 no maty teo noho eo rehefa nandatsaka baomba atomika tamin'i Nagasaki ny voromby mpiady an'i Etazonia ary teo ambonin'ny katedhraly Romana Katolika ao amin'ny tanàna itatra atsimon'ny tanàna mihitsy no nandatsahana ny baomba.

Urakami Tenshudo (Catholic Church) Jan.7, 1946.  Photo by AIHARA,Hidetsugu. (1909-). Image is public domain.

Ny sisan'ny katedhraly Urakami Tenshudo tamin'ny 7 janoary 1946. Saripikan'i AIHARA,Hidetsugu. (1909-). Azon'ny rehetra ampiasaina ny sary.

Nandritra ny lahateniny ny Papa Fransoà nampitandrina fa ahian-doza kokoa noho ny hatramin'izay izao tontolo izao amin'ny fitaovam-piadiana nokleary:

There is a need to break down the climate of distrust that risks leading to a dismantling of the international arms control framework. We are witnessing an erosion of multilateralism which is all the more serious in light of the growth of new forms of military technology.

Misy ny filàna famotehana ny rivotry ny tsy fitokisana izay mety hitarika mankany amin'ny fanesorana ny fifehezana iraisampirenena ny fitaovam-piadiana. Mahita maso isika ny fahasimban'ny fampiharana [fepetra iray] amin'ny maro [miltilateralisme] izay tena mampanahy raha jerena ny fitomboan'ny endrika vaovao amin'ny teknolojia miaramila.

Manasongadina ny zavatra niainan'ny zanak'olombelona amin'ny ady nokleary ny fitsidihan'ny Papa an'i Nagasaki, ary tafiditra amin'izany ny ezaka iray hahitana ilay zatovolahy iray nalaza tamin'ny sary mitondra ny rahalahiny maty hodorana andro vitsivitsy taorian'ny nandarohana baomba ny tanàna:

Mitady zatovolahy avy amin'ny sarin'ny Papa Fransoà i Nagasaki

Na izany aza, manana fifandraisana lalina amin'ny Papa Fransoà sy ny fiangonana katolika i Nagasaki. Ny tanàna sy ny manodidina azy no toerana voalohany nifandraisan'i Japana sy ireo Eoropeana mpandrato, ka ny mpivarotra Paortiogey no tonga tao amin'ny faritra tamin'ny taona 1543. Taona vitsy monja taorian'izany no tonga ny misionera zezoita — mpikambana ao amin'ny Fikambanan'i Jesoa, na Zezoita ihany koa ny Papa Fransoà — hampivavaka ny vahoaka Japoney ho kristiana.

Nanjary nahazo fifantohana vaovao ity vanim-potoana tamin'ny tantara japoney io noho ireo boky vaovao sy ny sarimihetsika hoavy ahitana ilay kintan'ny Black Panther Chadwick Boseman ho Yasuke, ilay Afrikana voalohany lasa samurai tao Japana.

church in nagasaki

Fiangonana Ōura (大浦天主堂), fantatra ihany koa ho Bazilikan'ny Maritiora Masina 26 an'i Japana, ao Nagasaki. Saripikan'i Nevin Thompson.

Nahomby ny Zezoita sy ireo misionera katolika hafa tamin'ny fampibebahana ireo tantsaha, tandrenivohitra, mpiady sy amboninjato an-hetsiny. Vokatr'izany, Nagasaki no tanàna ahitana vondrom-piarahamonina kristiana mbola tavela betsaka indrindra ao Japana, ary maro ireo fiangonana sy katedhraly mbola hita mitsiteboteboka amin'ny talaky maso manerana ny faritra.

roman catholics in nagasaki

Fiangonana Katolika Kaminoshima (カトリック神ノ島教会), akaiky ny tanànan'i Nagasaki. Saripikan'i Nevin Thompson.

Ho an'ny Papa Fransoa sy ireo Katolika Romana hafa, anefa, mihoatra noho ny mampisongadina azy ho betsaka Kristiana ao amin'ny firenena tsi-kristiana ao Japana azy i Nagasaki. Mariky ny fisian'ny maritiora ihany koa i Nagasaki sy ny fandresen'ny finoana Kristiana.

Araka izay voadinika ao amin'ny filma nataon'i Martin Scorsese hifanaraka amin'ny tantara an-tsoratr'i Endo Shusaku mitondra ny lohateny hoe Silence [Fahanginana], nanaraka ny fiafaran'ny vanim-potoan‘ady nifanaovan'ny fanjakana maro niafndrafy tamin'ny fiandohan'ny 1600s, nanenjika tsy nanana antra ny kristiana tao anatin'ny fikasana izay nahomby tamin'ny famerana ny taratra vahiny ny governemanta miaramila an'i Japana.

obama nagasaki

Loharanon-dohataona ambony (上の川湧水) ao Obama, Nagasaki. Io loharano io no lazaina ho toerana farany fialana sasatra ho an'ireo manampahefana ao amin'ny fitondrana mialoha ny handefasana ny maritiora kristiana ho ao an-tampon'ny tendrombohitra Unzen mba fantsihana amin'ny hazofijaliana.

Lasa foibem-panentanana hampihorohoroana ny kristiana japoney i Nagasaki tamin'ny fampijaliana azy ireo sy nanombohana azy ireo tamin'ny hazofijaliana teo akaikin'ny “helo” loharanon-dranomafana toa ny Tendrombohitra Unzen.

unzen hells

Loharanon-dranomafana “helo” Unzen ao amin'ny prefektioran'i Nagasaki, mitovy amin'ny toerana nampijaliana sy namantsihana tamin'ny hazofijaliana ny kristiana japoney nandritra ny taona maro taloha. Saripikan'i Nevin Thompson.

Mbola miezaka ireo “kristiana miafina” ao Kyushu ny hitahiry sy hampita ny finoany, izay miaina ao Nagasaki sy amin'ny ambiny amin'i Kyushu amin'izao fotoana.

Anjatony taona maro ireo Kristiana Miafina no nampita ny finoany ao anaty tsiambaratelo any amin'ireo nosy sy tendrombohitra sarodalan'i Kyushu. Nampitaina tao anatin'ny tsiambaratelo ny “Oratios” (オラショ, avy amin'ny teny latinina ôrizinaly, amin'ny vavaka, sns.) tao amin'ny faritra izay nampidirana voambolana paortiogey, holandey ary espaniola efa hatry ny ela ka lasa tafiditra feno ao anaty tenim-paritra Kyushu.

Mbola voatondro ho tanàna be kristiana indrindra ao Japana ihany i Nagasaki, hany ka ahitana miharihary ireo varotra sovenira amin'ny lohahevitra katolika.

catholics in nagasaki

Sovenira “CRUZ Crunch Chocolate” avy ao Nagasaki, “mamy iray mahatalanjona mampifangaro ny tsiro ao an-toerana sy ny tsy fahita firy.” Saripikan'i Nevin Thompson.

Taorian'ny fitsidihany an'i Nagasaki, nandeha nankany Hiroshima, izay nodarohana baomba nokleary nandritra ny ady lehibe faharoa ihany koa ny Papa Fransoà, ary avy eo nankao Tokyo, izay nanatontosany lamesa ho an'olona 50.000.

Feno olona 50.000 ny Tokyo Dome. Noraisina tamin'ny hiaka miraondraona ny Papa rehefa nipoitra!

Hirika lehibe ny fitsidihan'ny Papa hividianana ireo zava-madinika maro.

Entana amidy ao amin'ny Papa eto Japana 2019 ao amin'ny Tokyo Dome. Tsy nahita fiaraha-miasa “Frozen 2″, izay hirika tsy tratra aho.

Naseho tamin'ny palitao nentin-drazana mifandraika amin'ny maha-papa azy ny Papa Fransoà mialoha ny fifaranan'ny fitsidihany tamin'ny fihaonany tamin'ny Amperoran'i Japana vaovao Naruhito.

Ny hevitra dia tahaka ny hoe mitovitovy amin'ireo mpandray olona any amin'ireo magazay fivarotana fitaovana elektronika ireny ny Papa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.