- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

[Fitaovana] Fiteny Indizeny: Zero to Digital – Taridalana mitondra ny fiteninao ho antserasera

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Fonomboky [Fitaovana] Fiteny indizeny: Zero to Digital – Taridalana mitondra ny teninao ho antserasera. Nampiasaina amin'ny lisansa CC BY 4.0.

Tamin'ny volana Desambra 2019, namoaka fitaovana vaovao “Fiteny Indizeny: Zero to Digital: Taridalana mitondra ny teninao ho antserasera” ny Translation Commons [1] mba hamaritra ny dingana hahatonga ny fiteny ho hita ao amin'ny solosaina sy ny fitaovana finday.

Araka ny fampidirana ao amin'ny taridalana, natao ho an'ireo fikambanana mpanohana, ny fiarahamonina indizeny sy ireo teknolojista ny taridalana ary manome dingana tsikelikely mba hanampy ireo vondrom-piarahamonin'ny teny te “hifandray antserasera, hizara fahalalana sy fanadihadiana, ary hampiasa rindrambaiko sy fitaovana izay tsy tonga any amin'izy ireo.”

Ahitana fizarana roa voalohany ny taridalana, izay samy ahitana tabilao manampy amin'ny fanombanana ny toetry ny fiteny ankehitriny ary hanampy ireo mpamaky hanomboka hampihatra ireo teknolojia misy ho an'ny fitenin'izy ireo.

Ahitana rakibolana misy ireo voambolana sy tondro hanaovana Unicode [2], fametrahana endri-tsoratra ho kaody, kaodim-piteny ary endri-tsoratra.ihany koa ny taridalana.

Azo jerena amin'ny lisansa Attribution 4.0 International (CC BY 4.0 [3]) ny taridalana manontolo ary azo trohana ao amin'ny tranonkalan'ny Translation Commons [4].