Efa azo idirana ao Pakistàna amin'izao fotoana izao ny pejy Facebook an'ilay Tarika Revolisionera Laal . Hooray ve? Tsy tena mbola izay.

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2014)

Laal performing in Karachi in 2011. Photo by Dewaar via Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0)

Laal nanao fampisehoana tao Karachi tamin'ny taona 2011. Sary an'i Dewaar, tao  amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0)

Navoaka voalohany teo amin'ny Dawn.com. ny dika iray tamin'ity lahatsoratra ity 

Nohetsiketsehan'ny fihetsehampo fanoherana ny governemanta ny media sosialy tao Pakistana tamin'ny herinandro lasa teo, taorian'ny nisakanana manerana ny firenena ny pejy Facebook malaza an'i ‘Laal’, tarika iray matanjaka mpanao rock sady mpanohana ny hery ankavia, .

Tao anatin'ny hetsika iray fibahanana, fangatahana marobe no nalefan'ny Tomponandraikitry ny Fifandraisandavitra ao Pakistàna (PTA) tany amin'ny Facebook hanakatona ireo pejin'ny antoko ankavia sy ireo liam-pivoarana ao an-toerana. Fotoana fohy kely taorian'izay, nalàna ny sakana teo amin'ny pejin'i Laal, saingy ireo hafa kosa mbola nijanona ho tsy afaka nidirana hatrany.

Niaraka tamin'ireo “Tiako” maherin'ny 400 000, marobe ireo mpanaraka ny pejin'i Laal teo amin'ireo tambajotra sosialy – tsy mahagaga loatra ny vaovao goavana nentin'ilay fisakanana. Saingy rehefa mba azo nidirana indray ilay pejy, mipetraka ny olana: iza no tena nahatonga ny fibahanana an'i Laal, ‘tarika iray milaza ny tenany ho revolisionera‘ ?

Trangan-javatra efatra no mety ho antony nitarika ny fisakanana ny pejin'i Laal:

1. Vao haingana, i Hamid Mir, pakistaney iray mpanao gazety manan-danja amin'ny fahitalavitra, no niampanga ny ISI, masoivoho iray lehibe misahana fitsikilovana ao amin'ny firenena, ho niketrika famonoana azy, izay divin-janahary no nahafahany taminy. Nofaritan'ireo vahoaka sy ireo fantsona fahitalavitra hafa ho toy ny ‘mpanohitra ny ISI’ i Mir sy ny fahitalavitra iasàny ary ho toy ny “mpanohitra ny tafika” sy “mpitsikilon'ny Indiana” ireo rehetra manohana ilay mpanolotra fandaharana .

Nanehoan'i Laal hevitra teo amin'ny pejin-dry zareo ny mikasika ny fandrakofana nataon'ny media tao an-toerana an'ilay tranga :

“Mety ho marina na diso ny hevitr'i “[Hamid] Mir ao anatin'ny fiampangàny, ireo porofo irery ihany no ahafahana mamaritra izany. Saingy ity fihetsika miziriziry amin'ny fiantsoana an'ireo rehetra izay mitsikera ny ISI ity ho toy ny mpamadika dia tena adalàna sy tena fasista hiringiriny. Izay no antony mahatonga ny herisetra, ny fahafatesana sy ny fanapotehana mitohy mihamiroborobo eto Pakistana.”

Ao Pakistana, raisina ho sahala amin'ny resaka tena matotra toy ny faniratsirana fivavahana ny zava-drehetra manohitra ny tafika, araka izany dia mety ho io no anton'ny fisakanana.

2. Ny Dr. Taimur Rahman, mpikambana amin'ilay tarika, dia milaza ampahibemaso manohitra an'ireo fifampiraharahana fandriampahalemana amin'ny Talibàna:

“Ry komitin'ny fifampiraharahana. Tsy ny fanaovana an'i Pakistàna ho tany anjakan'ny Talibàna ho hamahàna ny fanaovana an-tendrony, ary “Aza miondrika manoloana an'ireo talibàna ianareo satria hoe mahery setra sy mpihetraketraka izy ireo. Reseo ry zareo.”

3. Niadian'ilay tarika hevitra ihany koa ny mikasika izay nahatonga ny olana ho tsy hay lazaina: ireo olona tsy hita tao Balochistan sy ny hetsipanoherana ny hanoanana niantraika tamina tovolahy kely iray nandritra ireo volana maromaro farany.

4. Tsy miala amin'ny fijoroany ho mpomba ny Kaominista, zarain'ny Laal ihany koa ireo tononkalo revolisionera mahazatra sy ireo andalan-tsoratra manokana an'ireo olomalaza, toy ireo an'i Habib Jalib, Faiz Ahmed Faiz, Bhaghat Singh ary Marx sy Lenin. Na dia tsy misy faniratsirana finoana na zavatra mety mifanakaiky amin'izany aza ny vontoatiny, mety hampipoaka hetsibahoaka izy io na mety hitarika ny olona hanao hetsika hanohitra an'ireo fomba mampiahiahy ataon'ny governemanta, hiatrehany ny ady amin'ny asa fampihorohoroana.

Laal banned campaign image from Laal Facebook page.

Sarin'i Laal  voabahana teo amin'ny Facebook-n'ny Laal.

Tsy voasakana intsony i Laal. Hooray? Tsy mbola tena izay.

Roa andro monja taty aoriana dia efa azo nidirana ny pejy Facebook-n'i Laal. Vaovao tsara ve? Eny, saingy tsy araka izay noheverinao. Tadidio fa be mpankafy i Laal ary manana rafitra fanohanana tena matanjaka, izay miitatra amin'ireo mpisolovava, amin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona, amin'ireo media eo an-toerana sy erantany.

Tsy afaka manao hetsika mitovy amin'izany ireo tompona pejy hafa voarara . Manana safidy ihany ve ireny olona ireny taorian'ny nisakanana an-dry zareo?

Ho fitadidy, tsy sahin'ny PTA aloha ny nangataka ny tompon'ireny pejy ireny hanaisotra izay vontoaty ‘tsy ara-maoraly’ talohan'ny nandehany avy hatrany nanatona ny tribonalin'ny Facebook. Mahaliana fa ny Lalàna 1996 an'ny PTA dia tsy miteny hoe manana fahefana hanao fangatahana mivantana ho fanakànana pejy an-tranonkala ilay rantsana mpandrindra.

Ny Kaomity iraisan'ireo ministera ho fanombànana ireo tranonkala  (IMCEW) no mandidy ny PTA hibahana ny vontoaty heveriny ho manohitra ny lalàna. Manjavozavo ny maha-mitombina sy ny dingana arahana amin'izany ‘fangatahana’ izany ary tsy afaka ametrahana fisalasalàna, mba tsy hitenenana betsaka.

Koa noho izany, iza no tena tomponandraikitra teto –  PTA, IMCEW, MoIT, sa “ireo olona ambony” sasantsasany?

Resahan'i Taimur matetitetika ny momba ireo olana tahaka izany ary lasa somary naherihery fiteny izy taorian'ny nilatsahana tao anatin'ity  fitroaran'ny fibahanana ity. Kanefa, tsy resahan'ireo vaventy mpamoaka vaovao ny momba ireo pejy madinidinika ireo, tsy sahala amin'ny hafanampon-dry zareo rehefa misy tranga tahaka izao. Ny ‘Roshni.pk’ sy ny ‘Talibaans Are Zaalimaans’ no roa monja amin'ireo pejy marobe mbola voabahana hatramin'izao.

Mety ho toy ny fandresena ny namahàna ilay fibahanana ny Laal, saingy raha manao dia mianoatra kely ianao ary manombana ny toedraharaha amin'ny endriny manontolo, dia tsy misy avoitran'io afa-tsy ny hoe tonga hatraiza ny governemanta rehefa te-hanivana amin'ny fomba tsimatimanota.

Ny fanesorana teo noho eo ny fibahanana dia nazava fa teti-panorona mba hanakanana antsika tsy hamorona fahasorenana misimisy kokoa: ny famahàna ny fibahanana ny Laal dia tolona bitika monja ihany nahazoana fandresena tao anatin'ny tena ady iray goavana izay isika no resy.

Ireto misy pejy hafa izay liampandrosoana ihany koa, mpanohitra ny Talibàna, na mpanohitra kapitalisma sy tsy misy vontoatiny maniratsira finoana saingy mbola iharan'ny andiana fibahanana ataon'ny Fanjakana hatrany: Roshni Pakistan TalibaansAreZaalimaans Lashkar e Bhangvi Zalaan Bhensaa Saeenjii

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.