- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bolivia anaty krizy sady misaratsaraka: loharano ety anaty aterineto natao hahatakarana tsara ilay fifandirana

Sokajy: Amerika Latina, Bolivia, Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Sary an'iEduardo Montaño, nahazoana alàlana

[Fanavaozana avy any amin'ny lahatsoratra teny espaniôla niaingàna: nametraka fialàna ilay filoha teo aloha Morales, lasa nialokaloka any Meksika, ary hatreo dia nisolo toerana azy ramatoa filoha mpisolo toerana, [1] Jeanine Añez]

Taorian'ireo fifidianana izay ho filoham-pirenena natao tamin'ny [2]20 Oktobra 2019, niteraka zava-mampiahiahy be ireo fihetsiketsehana tao Bolivia, indrindra fa naka endrika fitokonana faobe sy fanakànana làlana izy ireny. Nitarika ihany koa fifandonana mahery setra teo amin'ireo mpomba ny antoko MAS (hetsika ho an'ny sosialisma) an'ny filoha amperinasa  Evo Morales tetsy ankilany, ary tetsy andaniny, ireo olompirenena mikatsaka hiaro ny zony amin'ny fifidianana izay nihetsika ho amin'ny fanafoanana [3] ireo fifidianana izay ho filoha noho ireo ahiahy mikasika hosoka.

Ny alin'ny 20 Oktobra, ny vokatra vonjimaika dia nanome tombony kely ho an'i Morales raha mitaha amin'ny mpifanandrina aminy Carlos Mesa avy amin'ny Vondrompiarahamonina Sivika, raha tampotampoka teo dia tapaka nandritra ny ora 20 ny fampitàna. Ny ampitso, rehefa niverina ny fandrakofana ireo fifidianana, nilaza tombony lavitra be azon'i Morales ireo vokatra, izay nofaritan [4]‘ireo Fikambanan'ny Firenena ao Amerika [5]ho toy ny ‘fiovàna tsy hay hohazavaina’.

Ny 24 Oktobra, nanambara ny fandreseny i  [6]Morales taorian'ny fanisàna ireo vatompifidianana izay nanome vokatra 46.83 isanjato ho an'i Morales raha 36.7 isanjato ny an'i Mesa. Io elanelan'isa zara raha misy 10 isanjato io dia afaka isorohana ny fizorana  mankany amin'ny fihodinana faharoa. Nolavin'i Mesa ireny vokatra ireny ary mpikambana dimy avy ao amin'ny Kômity misahana ny fifidianana iraisan'ny rehetra (EPO) no nametraka fialàna ho mariky ny fanoherana, nanara-dia ireo efa ho telopolo mpiaramiasa amin-dry zareo nanao toy izany nialohan'ny nanaovana fifidianana. Avy eo nisy andiana manampahaizana momba ny kajimirindra, notarihan'ilay injeniera Edgar Villegas nanadihady ireo angondrakitra momba ny fifidianana azon'ny daholobe kiraina ao amin'ny OEB ary nanolotra [7] ho an'ireo mpilaza vaovao ireo porofon'ny fisian'ny hosoka tamin'ny fifidianana.

Neken'ny governemantan'i Morales ny fitsirihana ny fifidianana notarihan'ny [8] OÉA tamin'ny  31 Oktobra, saingy nolavin'i Mesa izay nitaky ny hanafoanana ny fifidianana. Nohararaotiny io mba hampahatsiahivana ny vahoaka, fa araka ny lalàm-panorenana boliviàna, dia voaràra ny famelàna an'i Morales hifaninana indray haka fepotoana fitondrana fanintelony, izay efa nohamafisin'ny fitsapankevibahoaka  [9]iray nokarakaraina tamin'ny Febroary 2016 tamin'ny alàlan'ny fitsipahana nataon'ny olompirenena.

Nitondra nankany amin'ny fanangolena ny fiainana pôlitika tao Bôlivia io toedraharaha io. Ireo mpanao fihetsiketsehana teny an-dalambe, ny mponina teny an-tanàna, ireo mpikambana avy aminà vondrompiarahamonina isankarazany, ary hatramin'ireo lehiben'ny polisy sy ny tafika, dia nizarazara nanaraka ny fironana pôlitikan-dry zareo, ny sasany manohana ny governemanta ary ny hafa any amin'ny fanoherana izay milaza fisiana hosoka.

Ho an'i Pablo, iray tamin'ireo olona naratra tao #Cochabamba. Mpanatitra entana izy, nodarohana andian'olona mahery setra – hainareo hoe iza no resahako

Noho ny tsy fisian'ny mety ho fitoviana tadin-dokanga na fifampiresahana, samy mifikitra amin'ny heviny ireo mpitarika roa tonta ary mampiasa fitaovam-panjakana mba hanamafisany izany. Nitodika tamin'ireo mpanohana azy i Morales, narahan'ireo polisy mba hiaro azy, narovany nandritra ireo fifandonana, ary nahazo alàlana hampiasa zava-mipoaka izay raràn'ny lalàna rehefa misy fihetsiketsehana. Ny mpanohitra kosa nanambara fa mety hampitsahatra ny fitokonana faobe sy ny fanetsehana vahoaka raha toa ka foanana ny fifidianana. Mahazo ny fanohanan'ireo manampahefana manerana ireo departemanta sy ireo kaominina ao Santa Cruz ry zareo amin'izany, izay mamatsy sakafo ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Mba hahatakarana ny zavamisy sy tsy hahatapaka ny fanarahana ny vaovao ao Bolivia, ity ny lisitr'ireo mpampahalala vaovao amin'ny fiteny espaniôla sy ireo kaonty media sôsialy arosonay ho anareo:

Ho fandalinana

LaPublicaBO [13] — media tsy miankina, isankariva ny La Pública dia mikarakara fihaonana ao amin'ny Google Hangouts ary manome fitenenana irao vahiny asainy izay mizara ny fomba fijerin-dry zareo ny fifandirana misy amin'izao fotoana izao

MuyWaso [14] — ity vondrona feminista ity dia mizara torohay sy fanambaràna maro .

Manomboka mahazo endrika ny vinan'ireo feminista ary mitondra ny feony ho amin'ny adihevitra. Miainga avy any amin'ny foibenay ao Santa Cruz no anoloranay ny hafatra avy amin'ny fivoriamben'ireo feminista, ary isankarazany, vokatry ny fanapahankevitra niraisana sy efa nodinihana hatry ny ela. Ho ela velona anie ny fanantenan'ireo feminista!

Guardiana Bolivia [17] — Media manana ny foibeny ao Cochabamba, mifantoka amin'ny zon'olombelona

InfoTarija [18] — Media manana ny foibeny ao Tarija mitatitra ny avy ao amin'ny faritra atsimon'i Bolivia

Chris Eguez [19] — olona ‘trans’, sady mpikatroka feminista, manadihady ny anjara toeran'ireo vehivavy sy ny toeran'ny fahasamihafàna sôsialy amin'ny fomba fijery ara-tantara.

Tsy takatro ny antony mahatonga ireo firenena maro hahatsiaro ho voasinton'ilay fihetsiketsehana izay mialokaloka eo ambany fanevan'ny vondrona Katôlikam-paritra ao Santa Cruz, indrindra fa raha jerena ny kabary feno fankahalàna, manavakavaka ary tsy tia vahiny nataony. Amin'ny maha-‘pédé’ ahy, aleoko miaraka amin'ireo feminista, sy manohitra anaty tsy fitovian-kevitra.

María Galindo [21] — vehivavy amerikàna tatsimo malaza, feminista manana fiaviana boliviàna. Ny hetsika ataony dia manintona ireo feminista marobe sy ireo tsy mahatsiaro ho voasolo tenan'ireo mpanao an-tendro avy amin'ny ankolafy roa ao Santa Cruz sy Cochabamba. Manana ny fandaharany manokana ihany koa izy ao amin'ny fampielezampeo, no sady mandefa ao amin'ny Facebook, nomeny anarana hoe. “Aza Vonoina Noho ny Resaka Seza izahay.”

Santiago Espinoza [22] — mpanao gazety ara-kolontsaina ary toniandahatsoratra ao amin'ny gazetiboky mpivoaka isaky ny Alahady La Ramona.

Ho an'ireo vaovao sy ny fanamarinana azy ireny: 

Chequea Bolivia [23] sy Bolivia Verifica [24] dia sehatra roa fanamarinam-baovao natomboka talohan'ny fifidianana, ary ankehitriny dia miasa manamarina ireo hafatra, sary, ary tsaho miely zaraina ety anaty tambajotra sôsialy sy ireo fampiharana fandefasana hafatra.

#DisoIzany Misy lalàna iray milaza fa ny tolotra aterineto dia natao fotsiny ho an'ireo andrim-panjakana #ChequeaBolivia [26] https://t.co/PaDqFTfAhG [27]

Los Tiempos [30] — ity gazetin'i Cochabamba ity dia manome antontan-kevitra  nalaina nandritra ireo savorovoro sy mizara izany  any anatin'ireo kaontin'ny tambajotra sôsialiny ireo lahatsary afaka jerena amin'ny finday:

Ao #Cochabamba, an-jatony ireo olona mitodi-doha ho any amin'ny kianja lehibe 14 Septambra toerana iray isian'ny filankevitra ao anatin'ny andro fahasivy nanaovana fitokonana tao #Bolivia ho fandàvana ilay fanisàna vatompifidianana niteraka resabe tamin'ny fifidianana.

El Deber [35] — ilay gazety lehibe indrindra mandrakotra ny tanànan'i Santa Cruz, saingy mamoaka koa ireo vaovao manerana ny firenena sy ao amin'ny faritra.

Mpanao gazety:

María Silva Trigo [36]– zarain'ity ramatoa mpanao gazety an-tserasera avy ao El Deber ity ny fijoroany vavolombelona mivantana raha izy mbola teny am-pamiliana fiara iny indrindra tao Santa Cruz, tanàna iray nahitsok'ireo sakana an-dalambe.

Ny andro iray hafa aho nandeha  taminà mpamokatra frômazy izay hipoka frômazy vao tokony ho aterina tao anatin'ny fiarany. Nomeny taminà haronkely iray aho ho apetraka eo ambony lohalika satria tsy ampy intsony ny toerana. Teo amin'ny sakana iray, nitakiana frômazy izy ho sandan'ny fahafahany mandalo eo.

Tuffí Aré [38] — lehiben'ireo mpanao gazety fahiny tao amin'ny El Deber, loharano azo itokiana tokoa izy ho an'ireo vaovao avoakany ao amin'ireo tambajotra sôsialiny.

Mónica Salvatierra [39] — lehiben'ireo mpanao gazety ao amin'ny El Deber amin'izao fotoana izao.