Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

26 Novambra 2019

Tantara tamin'ny 26 Novambra 2019

Iza i Eva Copa, ilay zara raha fantatra nefa nanampy nanokatra ny làlan'i Bolivia ho any amin'ny fifidianana vaovao?

Tsy betsaka no mahafantatra an'i Eva Copa, saingy izy no filoha vaovaon'ny antenimieran-doholona boliviàna. Izy no endrika iray fototra nitondra ny firenena hiroso taorian'ireo hetsipanoherana.

Iza moa i Abduweli Ayup, mampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny 26 nov – 2 Des 2019

Vakio ity fanontaniana sy valiny nifanaovana tamin'i Abduweli Ayup, mampiantano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline mandritra ny herinandron'ny 26 novambra - 2 Desambra 2019 ity. Hozarainy amintsika ny ezaka ataony hikolokoloana ny fiteny Uyghur.

Bolivia anaty krizy sady misaratsaraka: loharano ety anaty aterineto natao hahatakarana tsara ilay fifandirana

Aiza no hanombohana azy raha te-hahatakatra ny krizy boliviàna? Soritra vitsivitsy azo zohiana ety anaty aterineto.

Fomba fijerin'ny Kashmirita iray manokana teraka tany Nepal ny krizy any Kashmir

Nivoaka tao amin'ny Oniversiten'i Kashmir i Aquib ary mipetraka sy manao raharaham-barotra ao Nepal. Niresaka tamin'i Aquib ny Global Voices Lingua Nepaley mba hanotany ny heviny momba ny antony nanafoanan'i India ny Adinin-dalàna faha 370 izay manome ny zo manokana ho an'ireo Kashmiris.