Taratasim-pifandraisana RV: Mizara loharanon-kolontsaina sy teknolojia maimaimpoana ho an'ireo vondrompiarahamonina ny Milpa Digital
Dikandahatsoratra

Sary famantarana ny vondrona Milpa Digital nampiasaina teo ambany fahazoandalana CC BY-SA 4.0.
Fanamarihan'ny Rising Voices: ity taratasim-pifandraisanay mpivoaka indroa isam-bolana ity dia manome famintinana ireo lahatsoratra farany nivoaka momba ireo endriky ny fampidirana nomerika, anatin'izany ny fidirana sy ny fampiasàna ireo fitaovana nomerika, ary koa ireo fomba hafa sy hetsika ahafahan'ireo vondrompiarahamonina mandray anjara feno anaty aterineto. Vakio eto ireo taratasim-pifandraisana efa nivoaka teo aloha.
Manondro endrika ifarimbonana amin'ny fambolena izay hita taratra tany amin'ny taonjato maro lasa teo anivon'ireo Vahoaka Mesoamerikana ny “Milpa“. Tsy mijanona amin'ny famokarana vokatra irery ihany ity fomba ity fa filozofia izay ahazoan'ny fiarahamonina iray manontolo tombontsoa.
Ao anatin'izany toetsaina izany ihany no hitadiavan'ilay fitaovana vaovao antsoina hoe “Milpa Digital” izay noforonin'ny vondrona Código Sur “hamboly voa izay afaka hanampy hamokatra Mesoamerika iray malalaka ara-teknolojika ary beazin'ny fiarahamonina amin'ny alalan'ireo hetsi-bahoaka”.
Tafiditra anatin'ireo lohahevitra rakofan'ireo fitaovana ireo ny fampiasàna ireo tolotra imailaka hafa, ny fiarovana fototra ireo finday, ary ireo fomba fanaovana soramiafina fototra.
Afaka sintonina, amboarina ary ampiasaina malalaka eo ambanin'ny fahazoandalana CC BY-SA 4.0 ireo fitaovana rehetra ireo.
BEBE KOKOA AVY AO AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES
Ho an'ity andiany ity, tianay ny hanolotra anareo mpampiantrano roa vao hangaina ilay tetikasanay miodina ao amin'ny Twitter mikasika ny fikatrohana ara-niomerika amin'ny teny Afrikana (@DigiAfricanLang). Te hisaotra an'i Andriamifidisoa Ny Haja Zo izahay tamin'ny nizaràny ny asany mikasika ny teny Malagasy ary koa i Mazhun Idris tamin'ny asany mikasika ny teny Hausa. Mba vakio ireo lahatsoratra Fanontaniana&Valiny(F&V) hahafantaranao bebe kokoa ny momba azy ireo sy ny asany!
Ao anatin'ity andiany ity ihany koa, te hampahafantatra anao mpitantana vahiny iray nitantana ny @ActLenguas tato ho ato izahay – mpikatroka ho an'ny tenin-janatany iray avy ao Amerika Latina: i Rony Arnoldo Otzoy Chipix [es] (ny teny Kaqchikel an'ny Maya, ampiasaina ao Goatemalà Afovoany). Ao anatin'ity lahatsoratra mirakitra ny mombamomba azy, hahafantatra bebe kokoa mikasika azy sy ny asany amin'ny famelomana indray/fampiroboroboana ireo tenin-dreniny ianao.
Ary raha toa ka manitikitika anao ny fomba anampian'ny Aterineto sy ny teknolojia ireo ezaka famelomana indray ireo teny Amerikana Zanatany sy ny an'ireo Firenena Voalohany, tokony hijery ireo zavatra lazain'ireo mpitantana vao haingana ny @NativeLangsTech mikasika ny asany amin'ny fikatrohana ara-niomerika ho an'ireny teny ireny ianao. Atolotray ho anao ny lahatsoratra F&V miaraka aminà mpitantana vao haingana, i Niigaatikwe (Jordyn Flaada) (ho an'ny teny Ojibwe ampiasaina any amin'ny faritry ny Farihy Lehibe ao Kanadà sy ao Etazonia)
Nanomboka tamin'ny volana Aogositra, nanatevin-daharana ny fankalazàna ny Taona Iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-janatany (#IYIL2019) ihany koa ireo mpikatroka ara-niomerika ho an'ny tenin-janatany Aziatika. Raha toa ka te hahalala bebe kokoa mikasika ny toeran'ny tenin-janatany manerana an'i Azia amin'izao fotoana ianao, araho ny hetsipanentananay farany miodina ao amin'ny Twitter @AsiaLangsOnline ary vakio ireo lahatsoratra mirakitra ny mombamomba an'ireo mpampiantrano farany, dia i Sanjib Chaudhary (Tharu Atsinanana, Nepal) ary koa i Mingma Phuti Sherpa sy i Pasang Yangjee Sherpa (Sherpa avy any amin'ny Himalaya).
Ho fanampin'ny fikatrohana ara-niomerika ho an'ny tenin-janatany, te hanasongadina ny ezaka iray nataon'ireo Tanzaniana mpanavao ara-teknolojika izahay tamin'ny fanatsarany ny kalitaon'ny fanabeazana tao amin'ny firenena. → “Mampifandray mpampianatra 5.000 amin'ny mpianatra maro amin'ny sehatra vaovao anaty aterineto ireo mpanavao ara-teknolojika any Tanzania“
FAMATSIANA ARA-BOLA
Mpikambana, na fikambanana avy amin'ireo vondrompiarahamonin'ireo Firenena Voalohany ao Kolombia-Britanika na Kanadà ve ianao? Efa mandray fisoratana anarana ilay Hetsika Santatra vaovao Fanampiana amin'ny Famadihana ho Niomerika (DiGI) izay natao mba hanohanana ny famadihana ireo loharano amin'ny tenin-janatany ho niomerika. Raha te hitahiry tsara kokoa ireo rakitra an-tsoratra mba hampiasana any aoriana ianao, manasa anao hitsidika ity pejy ity ahitanao ny antsipiriany sy torolalana bebe kokoa. Daty farany fisoratana anarana: 30 Septambra 2019.
Araka ilay efa nozaraina tanatin'ny andiany farany teo, hatao any Hawaii amin'ity volana Novambra ity ny Fihaonana An-tampony ho an'ny Fifandraisan'ny Zanatany. Satria moa betsaka ny zavatra tsy maintsy resahina anatin'ny fotoana voafetra mandritra io hetsika io, nikarakara andianà fotoam-piofanana virtoaly roa mba hampandraisana anjara bebe kokoa ireo mpanatrika mialohan'ilay hetsika ny Internet Society. Manasa anao hijery eto ahitanao ireo antsipiriany sy fanazavàna fanampiny mikasika ny fisoratana anarana.
MARIPANKASITRAHANA
ny maripankasitrahana Puffin / Type ho an'ny Olompirenena Tia Mamorona, tetikasa iray iraisan'ny Puffin Foundation Ltd. sy ny Type Media Center, dia maripankasitrahana atolotra isan-taona natao ho fampaherezana ireo misitraka izany mba hanohy ireo ezaka ataony ankehitriny sy hanetsika ireo hafa hanohitra ny toejavamisy tsy miova amin'ny fombany manokana. Jereo eto ny anaran’ireo nahazo ny maripankasitrahana tany aloha sy ireo torolalana amin'ireo fanendrena .
FITAOVANA & LOHARANO
Mitady fitaovana hanampy anao handamina ireo boky henoina amin'ny tenin-janatany Amerikanina Avaratra ve ianao? Ito ary. Tena tsara fanahy be i David Huggins-Daines nizara ity tao amin'ny Twitter. Fanamarihana: Omena anao maimaimpoana ambanin'ny fahazoandalana MIT © David Daines, Patrick Littell, Aidan Pine ity rindrambaiko ity. (antsipirian'ilay fahazoandalana)
Tsy nahatratra ilay Zaikabeny momba ny Aterineto tao Stockholm tamin'ity Mey 2019 ity ve ianao ary te hanenjika ? Rohy mankany amin'ireo fandraketana ilay hetsika: Andro 1 sy Andro 2. [H/T – Taratasim-pifandraisan'ny Tambajotran'ny Vondrompiarahamonin'ny APC]
VAKITENY, FIHAINOANA ary FIJERENA FANAMPINY
- Mampiasa Twitter mba hamelomana indray ny teny Munsee ny mpampianatra iray, hita ao amin'ny London Free Press
- Anatinà Anjerimanontolo Zanatany iray: Dian'ny Pamusepia hita ao amin'ny Gazetiboky Langscape (Terralingua)
- Mitrandraka ny herin'ireo tambajotra sosialy mba hampianarana ny teny fampiasa ao an-toerana amin'ny alalan'ny CBC ny Yukon First Nation
- Ny fahatsapako ho tsy atao an-kilabao – Datu Amay atolotry ny Voice Talks amin'ny alalan'ny SoundCloud
- Bulos, Ilay teniko, Lovantsika atolotry ny Voice Talks amin'ny alalan'ny SoundCloud
- Ahoana no ataonao mba handraketana ny tantara am-bava an'ny zanatany amin'ny fomba mivelatra nefa am-panajàna ny fitsipiky ny vondrompiarahamonina? natolotry'i Subhashish Panigrahi tamin'ny Wikimania 2019
- Ulukhaktok: Fampifandraisana Vondrompiarahamonina any amin'ny (Farany) Avaratra hita ao amin'ny Internet Society
Misoràta anarana handray ny taratasim-pifandraisana Rising Voices
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...