Mitsapa ny fampiasan'ny miaramila rosiana ny media sosialy ny fialan'i Etazonia ao Syria

“Fantatry ry zareo tsara hoe iza no ho tonga haka ny toerana.” Pavel Remnev, masoivohon'ny ZvezvdaTV (manana fifandraisana amin'ny minisiteran'ny fiarovana rosiana) mitety ireo toby miaramila Etazonia nilaozana eo ivelan'i Manbij, Syria, tamin'ny 18 Oktobra 2019. Sary avy amin'ny lahatsary YouTube ZvezdaTV “Уникальные кадры с брошенной базы США в Манбидже“.
“Omaly ry zareo no teo, androany isika [no eto].”
Tamin'ny 15 Oktobra ny Rosiana mpanora-gazetin'ny ady Oleg Blokhin namoaka lahatsary maromaro tao amin'ny media sosialy ahitana azy mitsidika ny toby miaramila an'i Etazonia teo aloha tao Manbij, tao avaratr'i Syria, taorian'ny nandehanan'ny miaramilla amerikana. Nanomboka niely tamin'ny media sosialy rosiana sy tamin'ireo fantsona Telegram ny saripika noraisin'ny miaramila rosiana tamin'ny toerana mitovy amin'itony ihany. Nampita haingana ireo lahatsoratry ny miaramila ao anatin'ny horakora-pifaliana, ary tsy miala mihitsy any amin'ireo GI (tafika amerikana) nandao kimaimaika an'i Syria ny maso, ny fantsona fahitalavitra Rosiana ireo pejy VKontakte, tambajotra rosiana malaza, miresaka miaramila.
Mifanohitra tanteraka amin'ny ezaka ataon'ny tafika rosiana manao izay hamerana ny fampiasan'ny miaramilany zavatra atao an-tserasera ireo karazan-tsehatra hitanao ireo. Vao haingana tamin'ity taona ity, nanasonia lalàna vaovao mandrara ny miaramila rosiana tsy hampiasa smartfinday ary tsy hamoaka sary rehefa eo am-panaovana ny asany ny Filoha Vladimir Potinina. Efa noraràna amin'izao fotoana izao ny miaramila mba tsy hanana fitaovana maka sary sy afa-miditra aterineto. Tamin'ny fotoana nandraisana ny lalàna, nitatitra ny seha-baovao mahaleotena Meduza fa “maro” ny miaramila no nigadra sy voasazy noho ny fanitsakitsahana ny fitsipika vaovao. Nisy aza moa ny sasany no voampanga nefa talohan'ny nandaniana ny lalàna no nanao ilay fihetsika: nigadra 15 andro noho ny fandefasana ny sariny sy ny sipany volana maro mialoha ny mampanakery ny lalàna i Yegor Kruglov.
Nanoritra ireo nanao ny volavolan-dalàna fa nolaniana izany satria “mahaliana manokana ireo servisim-piarovana any amin'ny firenena hafa, mahaliana ireo mpampihorohoro sy fikambanana mahery fihetsika ireo miaramila eo am-panaovana ny asany ireo.” Na izany aza, maro no mihevitra fa ny tena antony nampidirana ny lalàna dia noho ireo fanesorana salobona ataon'ny mpanora-gazety mpandalina sy mpamakafaka ary mpanao fikarohana, tahaka ny Bellingcat na ny Conflict Intelligence Team, izay miankina amin'ny data open-source, indrindra fa ireo avy amin'ny tambajotra media sosialy. Afa-nanaporofo ireo mpanao fikarohana sy fanadihadiana ireo ny fitsabahan'ny tafika rosiana tany Syria noho ny paositra navoakan'ireo miaramila tao amin'ny media sosialy sy ny famangitana GPS mialoha ny nankatoavan'i Kremlin tamin'ny fomba ofisialy ny fidirany an-tsehatra tao amin'io firenena io. Mitovy amin'izany ihany koa ry Simon Ostrovky ao amin'ny VICE news sy ireo mpikaroka ao amin'ny Forensic Architecture afa-nanangona porofo amin'ny fidiran'ny miaramila rosiana tany amin'ny ady tao Okraina atsinanana, izay tsipahin'i Moskoa tanteraka. Nampian'ny selfies sy ireo lahatsary YouTube navoakan'ireo miaramila eo ampanaovana ny asany ihany koa ry Ostrovsky sy ireo mpiara-miasa aminy.

“Selfie, sary, aterineto: manantenà hello avy amin'ny fahavalo!” vakio ity afisy ity. Niaviana: VKontakte/DKulbin (nikatona ho an'ny daholobe ny pejin'ny mpisera avy eo.)
Na dia teo aza ny fitsipahana, nahasosotra ireo mpitarika ara-miaramila ao Rosia miharihary ireo fanokafana fisalobonana ireo. Ny marina, Nivoaka antserasera mbamin'ny afisy ara-panabeazana mampahatsiahy ny Ady Mangatsiaka mihitsy aza. Ireo afisy, izay heverina ho mihantona ao amin'ireo efitra fatoriana sy fanalana andron'ny miaramila ireo, ary nokasaina hampianatra ireo eo am-panompoana ny fihetsika atao an-tserasera. Afisy iray mandrisika ny miaramila tsy hizara torohay amin'ny tranonkalan-tambajotra sosialy. Afisy faharoa mampitandrina ny miaramila tsy hampiasa fitaovana misy famangitana ara-jerografika, izay mety ho hitan'ny andian-tafika OTAN.
Na dia tsy voamarina aza ny maha-tena misy ireo afisy ireo, dia heverina ho mifandraika tsara amin'ny tosika ataon'ny tafika rosiana tsy hampiasan'ny miaramila ny media sosialy.
Azo atao ohatra indrindra ny amin'izany ny fanambaràn'ny mpamakafaka teo aloha tao amin'ny Foibem-Pikarohana Siantifika an-kajimirindra ao amin'ny Departemantan'ny Raharahan'ny Filoha Rosiana (GRCC), sampan-draharaha iray mamokatra fitaovana hanaovana fikarohana antserasera voarefy tsara: “Nilaza isika hoe tsy misy miaramila rosiana any Syria na any Donbas, fa tany ry zareo. Ka izany no mahatonga anay mifanala hazakazaka amin'ny Bellingcat hamangitra ara-joegrafika (geolocate) izay paositra rehetra ahitana miaramila rosiana adala manao selfies eny an-tatatry ny ady, maka sary miarala amin'ny basiny,” hoy ny mpiasa taloha iray tsy mitonona anarana tao amin'ny GRCC tamin'ny Meduza.
Nitsaha-ketrika izany tolona izany rehefa nandao ny avaratr'i Syria ny vondro-tafika Etazonia. Hirika tsy manam-paharoa hanehoana fandresena saimbôlika goavana ireo toby amerikana zary foana. Indrindra moa fa efa tamin'ny taona 2011 tany Iràka ny “fialàna niniana” nataon'ny vondro-tafika US [Etazonia]; ny fotoana farany nanitsahan'ny miaramila rosiana izany toby amerikana izany angamba efa tamin'ny fahavitan'ny Ady Lehibe Faharoa. Ireo miaramila mihitsy no maka filma an-dry zareo manavatsava ireo fananan'ny GIs’ sy ny diariny, nitsidika ireo efi-patoriana, manamarina ireo kapoaka-na Coke navela sy mamaly ireo hafatra navela teo amin'ny tabilao fotsy.
Hita ho nitranga tamin'ny sehatra isankarazany ity tatitra ity: voalohany, miaramila rosiana maka sary ao an-toby, sy ireo kaonty VKontakte mamoaka indray ny lahatsarin'ireo fiara rosiana miditra an'i Manbij, raisin'ireo ao an-toerana manofahofa sainam-pirenena Syriana taorian'ny fialàn'ny Amerikana. Mifanindran-dalana amin'izany, mpanao gazety manjohy ireo Rosiana mpikarama an'ady, toa an'i Oleg Blokhin na ny sampam-baovao Abkhazy Anna-News — izay milaza ho “miady amin'ny milin'ny Tandrefana fanasana atidoha” — nanatontosa ny fitsidihany manokana ireo toby US tamin'ny fomba voasaina kokoa, mba ahafahana mampizotra ny torohay (vaovao) amin'ny fomba nitiavana azy. Farany, ireo fantsona fahitalavitra rosiana toy ny RT mifilma ny fitsidihany manokana ireo toerana nilaozana.
Navelan'ny media sosialy ny governemaanta rosiana hampita eo noho eo sy amin-kery ny fijoroany sy ny “fahombiazany” any Syria. Nalefa mivantana ny fahapotehan'ny anjara toeran'i Etazonia ao Afovoany Atsinanana ary na teo aza ny fepetram-piarovana vaovao momba ny torohay, dia maniry ny tafika rosiana hanome vahana ny lahatsoratra media sosialin'ny miaramilany rehefa mety ny manao izany.
Raha fohy ezaka, tsikaritra fa mampandroso ny tombontsoan'i Rosia ny fielezan'ireny tsanganana ireny haingana. Mahita ny lalany any amin'ny Twitter hojeren'ny tandrefana ny lahatsary VKontakte, mampisara-kevitra sy miteraka tsikera mamaivay amin'ny fanapahan-kevitr'i Donald Trump hiala any Syria avaratra ary hanome alalana an'i Torkia sy i Rosia hahatratra ny zarataniny. Ankoatra izany, mety ho nanimba ny herintsain'ny andia-tafika tandrefana ireny tsanganana ireny, satria mandefa mivantana ny “fakàna” ny toby ho fomba mora ho an'ny governemanta rosiana ho famariparitana ny tenany ho hery goavana tokana sisa tavela ao amin'ny faritra izany.
Na izany aza, mety hanimba ny tombontsoan'i Rosia ihany ny fampielezana lahatsoratra ao amin'ny media sosialy ataon'ny eo ampanaovana servisy na ireo mpikarama an'ady, raha lavitra ezaka, fa manimba ny fotokevitr'ilay lalàna vao nolaniana handrara ny fampiasana ny media sosialy eny an-tany fiadiana. Hita fa nisy ny fotoana efa sahirana tokoa ireo miaramila rosiana mihazona ny tenany tsy hisehoseho eo anoloan'ny fiara mifono vy na ao anaty fitafiana miaramila feno na dia eo aza ny fampiharana ny lalàna Mety ho sarotra dia sarotra izao ny hanakatona ny Boatin'i Pandora ao anatin'ny volana vitsivitsy.
Farany, nitampodifohy ny paikady haneso ny firenena tendrefana amin'ny alalan'ny fanaovana lahatsary amin'ireo torohay saropady. Tamin'ny Septamber 2018 ny fantsona fahitalavitra tohanan'i Kremlin RT nanatontosa antsafa tamin'olona roa avy ao amin'ny Direktôràn'ny Fitsikilovana (GRU), sampam-pitsikilovana miaramila rosiana ampitan-dranomasina, izay voampanga ho nanapoizina an'i Sergey Skripal tao Salisbury, Angletera, tany am-piandohan'ity taona ity. Ho setrin'ny filazan'ny Britanika fa nanatontosa fikasana hamono olona nobaikoan'i Moskoa ry zareo ireo, dia namaly ireo lehilahy roa ireo fa mpikarakara sakafo fanatanjahantena miala sasatra any Britaina ry zareo. Voaporofo fa nanana ny lanjany lehibe tamin'ny fiezahan'ny Bellingcat hamantatra ny tena mari-panondroana an'ireo lehilahy roa ireo ilay lahatsary; vokatr'izany,hita amin'ny sary ireo lehilahy roa ireo nanatrika ny mariazin'ny zanakavavin'ny Mazaoro Jeneraly Andrey Averyanov, komandin'ny GRU.
We want to thank @m_simonyan and @RT_com from the bottom of our hearts — we never could have found out so much information about Chepiga/Boshirov without their decision to record a 20+ minute, high-definition interview with him, letting us match every mole and wrinkle he has. pic.twitter.com/6EHNlkyK3w
— Aric Toler (@AricToler) October 14, 2019
Tianay ny misaotra amin'ny fonay lalina ao an'i @m_simonyan sy i @RT_com — tsy ho nahazo torohay betsaka momba an'i Chepiga/Boshirov izahay raha tsy nisy ny fanapahan-dry zareo hevitra handrakitra 20 minitra mihoara, antsafa kanto dia kanto nifanaovana taminy, hahafantaranay izay kely indrindra ao aminy.
Aseho eto fa mety hiteraka lalao mampididoza ny fidiran'ny miaramila amin'ny resaka saropady hampitana haingana sy mora torohay amin'ny vahoaka. Na dia mety hahatsiaro ho afa-baraka amin'ny lahatsoratry ny miaramila rosiana amin'ny tobiny teo aloha tao Manbij aza ny vondro-tafika amerikana, dia tsikaritra, fa amin'ny fotoana lavitra ezaka, hanana lahatahiry betsaka kokoa hohadihadiana ireo ekipam-pamotopotorana amin'ny open-source.
Atombohy ny resaka

Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 45 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...